Ny Jenezy

Toko faha-15

1 Taorian'izany, tonga tamin'i Abrama tamin'ny fahitana ny tenin'ny Tompo nanao hoe: Aza matahotra, ry Abrama, fa izaho no ampinganao ary ho lehibe indrindra ny valisoanao.

2 Fa hoy ny navalin'i Abrama: Iaveh Tompo ô, inona no homenao ahy? Fa izaho dia lasa tsy hiteraka ka ny mpandova ny tranoko dia Eliezera avy any Damasa. 3 Ary hoy Abrama: Tsy nomenao fara handimby aho, ka dia lehilahy mipetraka amin'ny fianakaviako no ho mpandova ahy. 4 Tamin'izay dia tonga taminy ny tenin'ny Tompo nanao hoe: Tsy izy io no mpandova anao, fa ilay haloaky ny kibonao no ho mpandova anao. 5 Dia nentiny nivoaka izy ka nilazany hoe: Atopazo hijery ny lanitra ny masonao ka isao ny kintana raha mahisa azy hianao, ary hoy izy taminy: Ho tahaka izay ny taranakao. 6 Ary nino an'ny Tompo Abrama, ka neken'ny Tompo ho fahamarinany izany. 7 Ary hoy izy taminy: Izaho no Iaveh nitondra anao nivoaka avy any Ora amin'ny Kaldeana, mba hanomezako anao ity tany ity hanananao azy.

8 Hoy ny navalin'i Abrama: Iaveh Tompo ô, inona no hahafantarako fa hanana izany aho? 9 Dia hoy Iaveh taminy: Mandehana maka ombivavy kely efa telo taona iray, osivavy efa telo taona iray, ondrilahy efa telo taona iray, domohina iray, ary vanto-boromailala iray. 10 Dia nentin'i Abrama nankeo aminy ireo biby rehetra ireo, ka nosasahiny roa mitovy avy izy ireo dia nampifanandrifiny avy ny vakiny; fa ny vorona tsy mba nosasahiny. 11 Niantoraka hifaoka ny fatin'ireo ny vorona mpihaza, fa noroahin'i Abrama. 12 Raha ilay nilentika iny ny masoandro dia rendriky ny torimaso mafy Abrama, ary indro notsindrian'ny tahotra mafy sy ny aizim-pito izy.

13 Hoy Iaveh tamin'i Abrama: Aoka ho fantatrao tsara fa ho vahiny any amin'ny tany tsy azy ny taranakao, hanompo olona izy any, ary hampahorina mandritra ny efa-jato taona. 14 Fa hotsaraiko ny firenena izay hanandevo azy, ka rahefa afaka izy ireo dia hivoaka avy any mitondra harem-be. 15 Hianao dia handeha ho any amin'ny razanao amim-piadanana; ho tratra antitra tsara hianao vao halevina. 16 Ary izy ireo kosa rahefa mby amin'ny taranaka fahefatra dia hiverina aty; fa hatramin'izao dia mbola tsy feno mitafotafo ny faharatsian'ny Amoreana. 17 Nony maty ny masoandro, ka efa maizina ny andro, dia indro nisy memy mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra namakivaky iretsy biby voasasaka. 18 Tamin'izany andro izany nanao fanekena tamin'i Abrama Iaveh nanao hoe: Omeko ny taranakao ity tany ity hatrany amin'ny onin'i Ejipta ka hatrany amin'ny ony lehibe, dia i Eofrata izany;

19 Ny tanin'ny Sineana, ny Senezeana, ny Kadmoneana, 20 ny Heteana, ny Ferezeana, ny Refaima, 21 ny Amoreana, ny Kananeana, ny Zerizeseana ary ny Jeboseana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.099