Ny Jenezy
Jenezy toko 15, 1-5
Faneken'Iaveh tamin'i Abrama.
1Taorian'izany, tonga tamin'i Abrama tamin'ny fahitana ny tenin'ny Tompo nanao hoe: Aza matahotra, ry Abrama, fa izaho no ampinganao ary ho lehibe indrindra ny valisoanao. 2Fa hoy ny navalin'i Abrama: Iaveh Tompo รด, inona no homenao ahy? Fa izaho dia lasa tsy hiteraka ka ny mpandova ny tranoko dia Eliezera avy any Damasa. 3Ary hoy Abrama: Tsy nomenao fara handimby aho, ka dia lehilahy mipetraka amin'ny fianakaviako no ho mpandova ahy. 4Tamin'izay dia tonga taminy ny tenin'ny Tompo nanao hoe: Tsy izy io no mpandova anao, fa ilay haloaky ny kibonao no ho mpandova anao. 5Dia nentiny nivoaka izy ka nilazany hoe: Atopazo hijery ny lanitra ny masonao ka isao ny kintana raha mahisa azy hianao, ary hoy izy taminy: Ho tahaka izay ny taranakao. >