Ny Jenezy

Toko faha-15

5 Dia nentiny nivoaka izy ka nilazany hoe: Atopazo hijery ny lanitra ny masonao ka isao ny kintana raha mahisa azy hianao, ary hoy izy taminy: Ho tahaka izay ny taranakao. 6 Ary nino an'ny Tompo Abrama, ka neken'ny Tompo ho fahamarinany izany. 7 Ary hoy izy taminy: Izaho no Iaveh nitondra anao nivoaka avy any Ora amin'ny Kaldeana, mba hanomezako anao ity tany ity hanananao azy.

8 Hoy ny navalin'i Abrama: Iaveh Tompo รด, inona no hahafantarako fa hanana izany aho? 9 Dia hoy Iaveh taminy: Mandehana maka ombivavy kely efa telo taona iray, osivavy efa telo taona iray, ondrilahy efa telo taona iray, domohina iray, ary vanto-boromailala iray. 10 Dia nentin'i Abrama nankeo aminy ireo biby rehetra ireo, ka nosasahiny roa mitovy avy izy ireo dia nampifanandrifiny avy ny vakiny; fa ny vorona tsy mba nosasahiny. 11 Niantoraka hifaoka ny fatin'ireo ny vorona mpihaza, fa noroahin'i Abrama. 12 Raha ilay nilentika iny ny masoandro dia rendriky ny torimaso mafy Abrama, ary indro notsindrian'ny tahotra mafy sy ny aizim-pito izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1027