Ny Jenezy
Jenezy toko 15, 5-12,17-18,
<5Dia nentiny nivoaka izy ka nilazany hoe: Atopazo hijery ny lanitra ny masonao ka isao ny kintana raha mahisa azy hianao, ary hoy izy taminy: Ho tahaka izay ny taranakao.
6Ary nino an'ny Tompo Abrama, ka neken'ny Tompo ho fahamarinany izany.
7Ary hoy izy taminy: Izaho no Iaveh nitondra anao nivoaka avy any Ora amin'ny Kaldeana, mba hanomezako anao ity tany ity hanananao azy. 8Hoy ny navalin'i Abrama: Iaveh Tompo รด, inona no hahafantarako fa hanana izany aho? 9Dia hoy Iaveh taminy: Mandehana maka ombivavy kely efa telo taona iray, osivavy efa telo taona iray, ondrilahy efa telo taona iray, domohina iray, ary vanto-boromailala iray. 10Dia nentin'i Abrama nankeo aminy ireo biby rehetra ireo, ka nosasahiny roa mitovy avy izy ireo dia nampifanandrifiny avy ny vakiny; fa ny vorona tsy mba nosasahiny. 11Niantoraka hifaoka ny fatin'ireo ny vorona mpihaza, fa noroahin'i Abrama.
12Raha ilay nilentika iny ny masoandro dia rendriky ny torimaso mafy Abrama, ary indro notsindrian'ny tahotra mafy sy ny aizim-pito izy. 17Nony maty ny masoandro, ka efa maizina ny andro, dia indro nisy memy mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra namakivaky iretsy biby voasasaka.
18Tamin'izany andro izany nanao fanekena tamin'i Abrama Iaveh nanao hoe: Omeko ny taranakao ity tany ity hatrany amin'ny onin'i Ejipta ka hatrany amin'ny ony lehibe, dia i Eofrata izany; >