Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Jenezy

Jenezy toko 16
Ny nahaterahan'Ismaela.

       1Tsy niteraka tamin'i Abrama Saray vadiny; ary nanana mpanompovavy Ejipsiana anankiray atao hoe Agara izy. 2Hoy Saray tamin'i Abrama: Indro efa nataon'ny Tompo momba aho; ka mangataka anao aho mba handeha amin'ny mpanompovaviko, fa angamba hitera-dahy ho ahy izy. Dia neken'i Abrama ny tenin'i Saray. 3Efa nonina folo taona tany amin'ny tany Kanaana Abrama tamin'ny nakan'i Saray, vadin'i Abrama, an'i Agara ilay Ejipsiana mpanompovaviny, ka nanomezany azy an'i Abrama vadiny.
       4Nandeha tamin'i Agara izy, dia nanana anaka ravehivavy; ary nony hitany fa nanana anaka izy, dia nataony tsinontsinona ny tompovaviny. 5Hoy Saray tamin'i Abrama: Mihatra aminao izao faniratsiràna ahy izao. Izaho no nanome ny mpanompovaviko ho andefimandrinao; kanjo nony hitany fa nanana anaka izy dia nataony tsinontsinona aho. Ka Iaveh anie hitsara ahy sy hianao. 6Hoy ny navalin'i Abrama tamin'i Saray: Eo ambany fahefanao ny mpanompovavinao, ka ataovy arak'izay ataonao ho mety. Dia nampahorian'i Saray Agara ka nandositra tsy ho eo anatrehany.
       7Hitan'ny Anjelin'ny Tompo teo anilan'ny loharano anankiray tany an-efitra izy, dia teo anilan'ilay loharano amin'ny lalana mankany Sora. 8Hoy izy: Ry Agara, mpanompovavin'i Saray, avy aiza hianao ary ho aiza? Hoy ny navaliny: Mandositra lavitra an'i Saray tompovaviko aho. 9Fa hoy ny Anjelin'ny Tompo taminy: Miverena any amin'ny tompovavinao, ka manetre tena eo ambanin'ny fahefany. 10Ary hoy koa ny anjelin'ny Tompo: Hataoko marobe ny taranakao, ka tsy ho azo isaina noho ny hamaroany.
       11Hoy indray koa ny Anjelin'ny Tompo: Indro manana anaka hianao, ka hiteraka zazalahy, ary homenao anarana hoe Ismaely, satria efa nohenoin'ny Tompo ny fahorianao. 12Ho ampondra haolo io lehilahy io: Ny tànany haingainy hamely ny olona rehetra, ary ny tànan'ny olona rehetra kosa hiainga hamely azy; honina tandrifin'ny rahalahiny rehetra izy. 13Nataon'i Agara hoe: Atta-El-Roi no anaran'ny Tompo izay niteny taminy, fa hoy izy: Moa dia hitako teto tokoa va ilay Andriamanitra izay nahita ahy? 14Izany no niantsoan'ny olona io fantsakana io hoe fantsakan'i Lakai-Roi. Ao anelanelan'i Kadesy sy Barada izy io.
       15Dia niteraka zazalahy tamin'i Abrama Agara; ary nomen'i Abrama anarana hoe Ismaely ny zaza naterak'i Agara. 16Efa enina amby valo-polo taona Abrama tamin'ny niterahan'i Agara an'Ismaely tamin'i Abrama. >