Toko faha-17
3
Dia niankohoka tamin'ny tany Abrama ary Andriamanitra niteny taminy nanao hoe:
4
Ny amiko dia izaho no fanekeko aminao: Hianao dia ho tonga rain'ny firenena tsy hita isa,
5
ary ny anaranao dia tsy hatao hoe Abrama intsony, fa hatao hoe Abrahama, satria hataoko rain'ny firenena tsy hita isa hianao.
6
Hampitomboiko dia hampitomboiko hianao, hataoko firenena maro hianao, ary hisy mpanjaka avy aminao.
7
Manao fanekena aminao aho, aminao sy amin'ny taranakao, hanaraka anao amin'ny taona mifandimby, dia ho fanekena maharitra mandrakizay, mba ho Andriamanitrao aho, sy ho Andriamanitry ny taranakao handimby anao.
8
Homeko anao sy ny taranaka handimby anao ny tany izay ipetrahanao izao mbola vahiny izao, dia ny tany Kanaana manontolo hananany azy mandrakizay, ary izaho no ho Andriamanitr'izy ireo.
9
Hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Ny aminao kosa, hitandrina ny fanekeko hianao, dia hianao sy ny taranakao amin'ny taona mifandimby.