Ny Jenezy

Toko faha-2

1 Toy izany no nahavitan'ny lanitra sy ny tany mbamin'izay rehetra nomba azy.

2 Ary tamin'ny andro fahafito dia efa vitan'Andriamanitra ny asa nataony; ka tamin'ny andro fahafito izy nitsahatra tamin'ny asa rehetra nataony. 3 Ary Andriamanitra nitso-drano ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany andro izany no nitsaharany tamin'ny zavatra rehetra nohariny tamin'ny nanaovany azy. 4 Izao no tantaran'ny lanitra sy ny tany, rehefa voahary izy, rehefa vitan'ny Tompo Andriamanitra ny tany sy ny lanitra.

5 Teo ambonin'ny tany tsy mbola nisy hazo madinika eny an-tsaha, ary ny anana eny an-tsaha tsy mbola nisy nitsimoka, satria Iaveh Andriamanitra tsy mbola nandatsaka ranonorana amin'ny tany; ary ny olona hamboly ny tany koa tsy mbola nisy.

6 Nefa nisy entona niakatra avy amin'ny tany, sy nanondraka ny tany rehetra. 7 Vovo-tany no nanaovan'ny Tompo Andriamanitra ny olombelona, dia nofofoniny fofon'aina mahavelona ny vavorony, ka tonga zava-manana aina ny olona.

8 Ary Iaveh Andriamanitra nanao saha tany Edena, tany atsinanana, ka napetrany tao ny olona izay noforoniny. 9 Ary nampanirin'ny Tompo Andriamanitra tamin'ny tany izao hazo rehetra mahate-hijery sady fihinana isan-karazany izao sy ny hazon'aina tao afovoan'ny saha, ary ny hazon'ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy. 10 Nisy ony anankiray nivoaka ao Edena, hanondraka ny saha, ka avy eo izy dia nisampana efatra. 11 Fisòna no anaran'ny voalohany; io no mandeha manodidina ny tany Hevilaty rehetra, izay misy ny volamena. 12 Ary tsara ny volamena amin'izany tany izany. Any koa no misy ny bdelioma sy ny vato oniksa. 13 Geona no anaran'ny ony faharoa; io no manodidina ny tany Kosy rehetra. 14 Tigra no anaran'ny ony fahatelo; io no mandeha ao atsinanan'i Asora. Ary Eofrata no anaran'ny ony fahefatra. 15 Dia nalain'ny Tompo Andriamanitra ralehilahy, ka napetrany tao amin'ny sahan'i Edena, mba hiasa sy hiandry azy.

16 Ary Iaveh Andriamanitra nanome izao didy izao an-dralehilahy: Azonao ihinanana avokoa ny hazo rehetra eto amin'ny saha. 17 Nefa aza ihinananao ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa ho faty mihitsy hianao amin'ny andro hihinananao. 18 Ary hoy Iaveh Andriamanitra: Tsy tsara raha irery ny lehilahy; fa hanaovako mpanampy azy mitovy aminy izy. 19 Ary Iaveh Andriamanitra, izay efa namorona tamin'ny tany ny biby rehetra eny an-tsaha sy ny vorona rehetra eny amin'ny habakabaka dia nampiavy azy hankeo amin-dralehilahy mba hahitany izay hanononany azy avy; hitondran'ny zava-manana aina rehetra ny anarana homen-dralehilahy azy avy. 20 Dia nomen-dralehilahy anarana avokoa ny biby fiompy rehetra, mbamin'ny vorona eny amin'ny habakabaka sy ny biby eny an-tsaha, nefa tsy hitany izay ho mpanampy an-dralehilahy mitovy aminy. 21 Ka nataon'ny Tompo Andriamanitra renoky ny torimaso ralehilahy, dia natory; ary nalainy ny taolan-tehezany anankiray fa nofo no nakombony ho solony 22 Ny taolan-tehezana nalain'ny Tompo Andriamanitra tamin-dralehilahy dia namoronany vehivavy iray, ka nentiny teo amin-dralehilahy. 23 Ary hoy ralehilahy: Amin'izao ity no taolana avy amin'ny taolako, sy nofo avy amin'ny nofoko. Hantsoina hoe vehivavy izy, satria nalaina avy tamin'ny lehilahy. 24 Noho izany handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin'ny vadiny; ary ho nofo iray ihany izy ireo. 25 Samy nitanjaka izy roa, dia ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahamenatra azy izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1299