Ny Jenezy
Jenezy toko 2, 4b-9.15-17.
<4Izao no tantaran'ny lanitra sy ny tany, rehefa voahary izy, rehefa vitan'ny Tompo Andriamanitra ny tany sy ny lanitra.
5Teo ambonin'ny tany tsy mbola nisy hazo madinika eny an-tsaha, ary ny anana eny an-tsaha tsy mbola nisy nitsimoka, satria Iaveh Andriamanitra tsy mbola nandatsaka ranonorana amin'ny tany; ary ny olona hamboly ny tany koa tsy mbola nisy. 6Nefa nisy entona niakatra avy amin'ny tany, sy nanondraka ny tany rehetra.
7Vovo-tany no nanaovan'ny Tompo Andriamanitra ny olombelona, dia nofofoniny fofon'aina mahavelona ny vavorony, ka tonga zava-manana aina ny olona. 8Ary Iaveh Andriamanitra nanao saha tany Edena, tany atsinanana, ka napetrany tao ny olona izay noforoniny. 9Ary nampanirin'ny Tompo Andriamanitra tamin'ny tany izao hazo rehetra mahate-hijery sady fihinana isan-karazany izao sy ny hazon'aina tao afovoan'ny saha, ary ny hazon'ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy.
15Dia nalain'ny Tompo Andriamanitra ralehilahy, ka napetrany tao amin'ny sahan'i Edena, mba hiasa sy hiandry azy. 16Ary Iaveh Andriamanitra nanome izao didy izao an-dralehilahy: Azonao ihinanana avokoa ny hazo rehetra eto amin'ny saha. 17Nefa aza ihinananao ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa ho faty mihitsy hianao amin'ny andro hihinananao. >