Ny Jenezy
Jenezy toko 20
Ny nitoeran'i Abrahama tao Jerara - Abimeleka.
1Nifindra niala teo Abrahama, dia nankany amin'ny faritany atsimo, ka nonina teo anelanelan'i Kadesa sy Sora, ary nitoetra kelikely tao Jerara izy. 2Sarà vadiny nolazain'i Abrahama hoe: anabaviko io. Naniraka olona haka an'i Sarà Abimeleka mpanjakan'i Jerara. 3Tonga tamin'i Abimeleka tamin'ny nofy anefa Andriamanitra nony alina, ka nanao taminy hoe: Indro ho faty hianao, noho ny amin'ny vehivavy nalainao, fa vadin'olona izy.
4Mbola tsy nikasika an-dravehivavy anefa Abimeleka ka namaly hoe: Tompo ô, hovonoinao va ny olona na dia tsy manan-tsiny aza? 5Moa tsy nolazainy tamiko hoe: Anabaviko io? Ary ravehivavy koa nilaza tamiko hoe: Anadahiko izy. Ary fo mahitsy sy tànana madio no nanaovako izany. 6Dia hoy Andriamanitra taminy tamin'ny nofy: Izaho koa mahalala fa fo mahitsy no nanaovanao izany; izany no niarovako anao tsy hanota amiko. Ka tsy navelako hikasika azy hianao. 7Koa ankehitriny avereno ny vadin'io lehilahy io, fa mpaminany izy, ka hivavaka ho anao, dia ho velona hianao. Fa raha tsy averinao io fantaro fa ho faty mihitsy hianao dia hianao mbamin'izay rehetra ambany fahefanao.
8Vao maraina dia nantsoin'i Abimeleka avokoa ny mpanompony ary nolazainy taminy izany rehetra izany; ka raiki-tahotra mafy ireo olona ireo. 9Dia nantsoin'i Abimeleka koa Abrahama ka hoy izy taminy: Inona izao nataonao taminay izao? Inona no tsy mety nataoko taminao no dia nampiditra heloka be vava tamiko sy tamin'ny fanjakako hianao? Zavatra tsy fanao mihitsy izao nataonao tamiko izao. 10Dia hoy koa Abimeleka tamin'i Abrahama: Fa nihevitra inona hianao, no dia nanao izany? 11Ary izao no navalin'i Abrahama: Hoy aho anakampo: Tsy misy tahotra an'Andriamanitra kely akory angamba amin'ity tany ity, ka hovonoin'ny olona aho, noho ny amin'ny vadiko. 12Sady anabaviko ihany tokoa izy, saingy zanak'i dada, fa tsy zanak'ineny, ka dia novadiko. 13Nony nampivezivezen'Andriamanitra lavitra ny tranon'i kaky aho, dia hoy aho tamin'i Sarà: Izao no fitia angatahiko ataonao amiko: Any amin'izay tany rehetra hahatongavantsika any aho lazao hoe: Anadahiko io.
14Dia naka omby sy ondry sy ankizilahy amin'ankizivavy Abimeleka ka nomeny an'i Abrahama, ary Sarà vadiny naveriny taminy koa. 15Hoy Abimeleka: Indro eo anoloanao ny taniko, ka mitoera amin'izay tianao. 16Ary hoy koa izy tamin'i Sarà: Nomeko volafotsy arivo sikla ny anadahinao, izany no fanampena-maso ho anao, amin'izay rehetra eo aminao sy amin'ny olona rehetra, ka dia afa-tsiny hianao izao.
17Ary nifona tamin'Andriamanitra Abrahama dia nositranin'Andriamanitra Abimeleka sy ny vadiny amam-panompovaviny, ka niteraka ireo. 18Fa efa nataon'ny Tompo momba ny kibon'ny ankohonan'i Abimeleka rehetra noho ny amin'i Sarà vadin'i Abrahama. >