Ny Jenezy

Toko faha-22

1 Taorian'izany, nizaha toetra an'i Abrahama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: Ry Abrahama ô! Ary hoy izy: Inty aho.

2 Dia hoy Andriamanitra: Ento ny zanakao, ilay lahitokanao, ilay tianao, dia Isaaka, ka mankanesa any amin'ny tany Moria, ary rehefa mby any, atero izy ho sorona dorana eo ambonin'ny anankiray amin'ny tendrombohitra hatoroko anao. 3 Nifoha maraina koa Abrahama, nanisy lasely ny ampondrany, naka roalahy tamin'ny mpanompony hiaraka aminy, sy Isaaka zanany, ary namaky ny hazo hataina amin'ny sorona dorana, dia niainga nankany amin'ny tany efa nolazain'Andriamanitra azy. 4 Nony tamin'ny andro fahatelo, nanopy ny masony Abrahama ka mbola lavitra ihany izy dia nahatazana ilay fitoerana,

5 dia nilaza tamin'ireto mpanompony Abrahama nanao hoe: Mijanòna eto amin'ny ampondra hianareo, fa izaho sy ny zaza dia mikasa ho ery hivavaka, vao hiverina eto aminareo indray. 6 Dia nalain'i Abrahama ny hazo hataina amin'ny sorona dorana, ka natataony an'Isaaka zanany, ary ny afo sy ny antsy kosa nentiny teny an-tanany, dia niara-nandeha izy mianaka. Fa hoy Isaaka tamin'i Abrahama rainy: 7 Dada ô! Ka hoy ny navaliny: Inty aho, anaka. Dia hoy Isaaka: Ny afo sy ny kitay ireto dia efa eto, fa izay zanak'ondry atao sorona dorana kosa no aiza? 8 Hoy ny navalin'i Abrahama: Hataon'Andriamanitra izay hahitana ny zanak'ondry hatao sorona dorana, anaka. Dia niara-nandeha izy mianaka. 9 Nony tonga teo amin'ny fitoerana natoron'Andriamanitra azy izy, dia naorin'i Abrahama teo ny otely; nalahany ny kitay hazo, ary nafatony Isaaka zanany, ka napetrany tambonin'ny otely eo ambonin'ny kitay.

10 Dia naninjitra ny tànany Abrahama ka nandray ny antsy hamonoana ny zanany. 11 Tamin'izay niantso tany an-danitra ny Anjelin'ny Tompo nanao hoe: Ry Abrahama! ry Abrahama ô! ka hoy ny navaliny: Inty aho. 12 Dia hoy ny anjely: Aza manainga ny tànanao hamely ny zaza, ary aza manino-maninona azy akory, fa efa hitako izao fa matahotra an'Andriamanitra hianao, sady tsy nandà hianao fa nahafoy ny zanakao, ilay lahitokanao ho ahy. 13 Ary nanopy maso Abrahama, ka nahita ondralahy anankiray teo ivohony, voasingazotry ny kirihitr'ala tamin'ny tandrony; dia lasa Abrahama naka ilay ondralahy, ka io no nateriny ho sorona dorana ho solon'ny zanany. 14 Ary nataon'i Abrahama hoe Iaveh-Iereh ny anaran'io fitoerana io. Ary avy amin'izany ilay fitenenan'ny olona mandraka androany hoe: Ho hita ihany izany any an-tendrombohitry ny Tompo. 15 Ary ny anjelin'ny Tompo niantso an'i Abrahama fanindroany tany an-danitra, ka nanao hoe:

16 Efa nianiana tamin'ny tenako aho, hoy Iaveh, fa noho hianao nanao izany sy tsy nandà fa nahafoy ny zanakao, ilay lahitokanao, ho ahy, 17 dia hanisy soa anao aho, hahamaro ny taranakao tahaka ny kintana eny an-danitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina, ary ny taranakao hahazo ny vavahadin'ny fahavalony. 18 Amin'ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin'ny tany, satria nanaiky ny teniko hianao. 19 Dia niverina nankeny amin'ny mpanompony Abrahama, ka niainga izy ireo dia niara-nandeha nankany Bersabea. Ary nonina tao Bersabea Abrahama.

20 Taty aorian'izany, nisy nampandre vaovao tamin'i Abrahama dia izao: Efa nitera-dahy tamin'i Nakora rahalahinao koa Melkà,

21 dia Hosa lahimatoany, Boza lahiaivo, Kamoela rain'i Arama, 22 Kaseda, Azao, Feldasa, Jedlafa ary Batoela. 23 Batoela no rain-dRebekà. Izy valo lahy ireo no naterak'i Melkà tamin'i Nakora rahalahin'i Abrahama. 24 Ilay vaditsindranony atao hoe Ramà koa dia niteraka an'i Tabea sy Gahama, ary Toasy sy Maakà.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0389