Ny Jenezy

Toko faha-26

1 Nisy mosary indray tamin'ny tany; hafa fa tsy ilay mosary fony fahavelon'i Abrahama. Ka lasa Isaaka nankany Jerara amin'i Abimeleka, mpanjakan'ny Filistina.

2 Ary Iaveh niseho taminy, ka nanao hoe: Aza midina any Ejipta, fa mitoera amin'ny tany izay holazaiko aminao. 3 Dia eto amin'ity tany ity mitoetra; fa homba anao aho, sy hanisy soa anao; homeko anao sy ny taranakao ireto tany rehetra ireto, fa hotanterahiko ny fianianana nataoko tamin'i Abrahama rainao. 4 Hampitomboiko tahaka ny kintana eny an-danitra ny taranakao; homeko ny taranakao ireto tany rehetra ireto; ary amin'ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin'ny tany, 5 satria efa nihaino ny feoko Abrahama ary nitandrina ny teniko sy ny didiko amam-pitsipiko sy ny lalàko. 6 Dia nitoetra tao Jerara Isaaka. 7 Nanontanian'ny olona tompon-tany ny amin'ny vadiny izy, ka namaly hoe: Anabaviko io, satria natahotra ny hilaza hoe vadiko izy; fandrao vonoin'ny olona noho ny amin-dRebekà aho, hoy izy, fa tsara tarehy izy.

8 Nony ela no nitoerany tao Jerara, sendra nitazana teo am-baravarankely kosa Abimeleka, mpanjakan'ny Filistina. Ka indro Isaaka hitany nisangy tamin-dRebekà vadiny. 9 Dia niantso an'Isaaka izy, ka nanao hoe: Hita fa vadinao mihitsy izy. Ka ahoana no nilazaonao hoe: Anabaviko io. Ary hoy Isaaka taminy: Satria, hoy aho anakampo, sao dia maty aho noho ny aminy. 10 Ka hoy Abimeleka: Ahoana no nanaovanao izany taminay? Fa nety ho nisy nandeha tamin'ny vadinao ny olona ka ho nampiditra fahotana taminay hianao. 11 Dia nomen'i Abimeleka teny ny vahoakany rehetra, nataony hoe: Izay mikasika io lehilahy io na ny vadiny dia vonoina ho faty. 12 Ary Isaaka namafy tamin'izany, ka nahavokatra avo zato heny izy tamin'io taona io. 13 Nambinin'ny Tompo ka tonga mpanankarena ralehilahy; ary nandroso nandroso ihany izy nampitombo ny hareny, mandra-pahatongany ho manana harena tsy hita noanoa. 14 Nananany andiany maro ny biby fiompy na lehibe na kely; ary nananany betsaka koa ny mpanompo; ka velom-pialonana azy ny Filistina. 15 Nototofan'ny Filistina nofenoiny tany avokoa ny lavaka fantsakàna nohadin'ny mpanompon-drainy, fony fahavelon'i Abrahama rainy. 16 Ary Abimeleka nanao tamin'Isaaka hoe: Mandehàna miala aty aminay hianao, fa efa mahery lavitra noho izahay. 17 Dia nandeha Isaaka ka niorin-day teo an-dohasahan'i Jerara sy nonina teo. 18 Ary ny lavaka fantsakàna voahady fony fahavelon'i Abrahama rainy izay nototofan'ny Filistina nony maty Abrahama dia nohadin'Isaaka indray, ka nasiany anarana araka ny anarana nomen-drainy azy ihany.

19 Mbola nihady teo amin'ny lohasaha koa ny mpanompon'Isaaka, ka nahita loharano velona teo. 20 Fa niadin'ny mpiandry ondry tao Jerara ny mpiandry ondrin'Isaaka nataony hoe: Anay ny rano. Ka nataon'Isaaka hoe Esaka ny anaran'ny lavaka fantsakàna, satria niadin-dry zareo izy. 21 Ary nihady lavaka fantsakàna hafa indray ny mpanompon'Isaaka nefa mbola niadina ihany koa io, ka nataony hoe Sitnà no anarany. 22 Dia niala teo izy ka nihady lavaka fantsakàna hafa indray, izay vao tsy niadina intsony, ka nataony hoe Rekobota ny anarany: Satria, hoy izy, efa nomen'ny Tompo toera-malalaka isika, ka hiadana amin'ny tany. 23 Avy eo izy dia niakatra ho any Bersabea.

24 Ary niseho taminy Iaveh ny alin'izay ka nanao hoe: Izaho no Andriamanitr'i Abrahama, rainao, aza matahotra fa momba anao aho; ka hanisy soa anao ka hahamaro ny taranakao, noho ny amin'i Abrahama mpanompoko. 25 Dia nanangana otely teo Isaaka, ka niantso ny anaran'ny Tompo. Ary niorin-day teo izy, ka nihady lavaka fantsakàna teo ny mpanompony. 26 Ary nanatona azy avy any Jerara Abimeleka, nomban'i Okozota sakaizany, sy Fikola, filohan'ny tafiny.

27 Fa hoy Isaaka tamin'izy ireo: Ahoana no anatonanareo ahy nefa sady mankahala ahy hianareo no nandroaka ahy hiala tany aminareo? 28 Ary hoy iretsy: Efa hitanay miharihary fa momba anao Iaveh, ka hoy izahay: Aoka samy hanao fianianana isika, dia izahay sy hianao; ka hanao fanekem-pihavanana aminao izahay. 29 Aoka hianiana hianao fa tsy hanisy ratsy anay, araka ny tsy nikasihanay anao akory, na nanaovanay na inona na inona taminao afa-tsy ny soa ihany, fa efa nampandehaninay soa aman-tsara hianao. Ary hianao izao no ilay hasoavin'ny Tompo. 30 Dia nanao fanasana ho azy ireo Isaaka ka nihinana sy nisotro izy. 31 Ary nifoha vao maraina koa izy, dia samy nanao fianianana izy roa tonta, izay izy ireo vao nalefan'Isaaka; ka dia lasa soa aman-tsara niala taminy. 32 Tonga tao amin'Isaaka androtr'izay ihany ny mpanompony, nilaza ny momba ny lavaka fantsakàna izay nohadiny tamin'izany ka nanao taminy hoe: Efa nahita rano izahay.

33 Dia nataony hoe Sibea ny anaran'ny fantsakàna. Izany no nanaovana ny anaran'ny tanàna hoe Bersabea mandraka androany. 34 Rahefa efa-polo taona Esao dia nanambady an'i Jodita, zanak'i Beerì, Heteana, sy Basemata, zanak'i Elona, Heteana.

35 Nahasorisorena mafy an'Isaaka sy Rebekà izy ireny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0378