Ny Jenezy

Toko faha-28

1 Dia nantsoin'Isaaka Jakoba, ka notsofiny rano sy nomeny teny hoe: Aza maka vady amin'ny zanakavavin'i Kanaana.

2 Fa miaingà hianao, mankanesa any Pandan-Arama, any amin'i Batoela, rain-dreninao, ka any maka vady, amin'ireo zakavavin'i Labana, anadahin-dreninao. 3 Hohasoavin'Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra anie hianao, ka hampitomboiny sy hohamaroiny, ho tonga firenena maro. 4 Homeny anao anie ny fanasoavana an'i Abrahama, dia ho anao sy ny taranakao, mba hanananao ny tany itoeranao, izay efa nomen'Andriamanitra an'i Abrahama. 5 Dia nalefan'Isaaka Jakoba, ka nandeha nankany Padan-Arama, amin'i Labana, zanak'i Batoela, Arameana, anadahin-dRebekà, renin'i Jakoba sy Esao. 6 Hitan'i Esao fa nitso-drano an'i Jakoba Isaaka sy naniraka azy haka vady any Padan-Arama, sady nanome teny azy teo an-pitsofan-drano azy, nanao hoe:

7 Aza maka vady amin'ny zanakavavin'i Kanaana, ary nanaiky ny tenin-dray aman-dreniny Jakoba ka lasa nankany Padan-Arama. 8 Hitan'i Esao fa tsy tian'Isaaka rainy ny zakavavin'i Kanaana, 9 ka lasa izy nankany amin'Ismaely, naka an'i Maheleta, zanakavavin'Ismaely, zanak'i Abrahama, sy anabavin'i Nabaïota, ho vadiny, fanampin'ireo efa nananany. 10 Dia niala tany Bersabea Jakoba nankany Harana.

11 Nony tonga tao amin'ny fitoerana anankiray izy, dia nandry teo, fa efa maty masoandro. Naka vato anankiray tao izy, nataony ondana, dia nandry teo, tamin'izany fitoerana izany. 12 Ary nanonofy izy, ka indro, nisy tohatra anankiray niorina tamin'ny tany tafapaka amin'ny lanitra ny lohany; ary nisy anjelin'Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy. 13 Ary niseho tery ambony Iaveh ka nanao hoe: Izaho no Iaveh Andriamanitr'i Abrahama, rainao, sy Andriamanitr'Isaaka; io tany andrianao io, dia homeko anao sy ny taranakao. 14 Ho tahaka ny vovoky ny tany ny taranakao; hitatra any andrefana sy any atsinanana hianao, ary any avaratra sy any atsimo; ary aminao sy amin'ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin'ny tany. 15 Indro aho momba anao, ka hiaro anao any amin'izay halehanao rehetra, sy hampody anao indray amin'ity tany ity. Fa tsy handao anao aho, mandra-pahatanterako izay voalazako taminao. 16 Nahatsiaro tamin'ny torimasony Jakoba, ka nanao hoe: Eto amin'ity toerana ity tokoa Iaveh, fa izaho tsy nahalala izany.

17 Dia raiki-tahotra izy, ka nanohy hoe: Endrey mahatahotra ity fitoerana ity! Eto tokoa ny tranon'Andriamanitra, eto no vavahadin'ny lanitra! 18 Nifoha maraina koa izy, dia nalainy ilay vato nataony ondana, naoriny nataony tsangam-bato ka norotsahany diloilo ny tampony. 19 Nataony hoe Betela no anaran'io fitoerana io. Loza anefa no anaran'ny tanàna tany aloha. 20 Ary nanao voady Jakoba ka hoy izy: Raha momba ahy tokoa Andriamanitra ka miaro ahy amin'izao dia alehako izao, raha manome ahy hanin-ko-hanina sy lamba hitafiako; 21 ka tafaverina soa aman-tsara any an-tranon'ikaky aho, dia Iaveh no ho Andriamanitro. 22 Ho tranon'Andriamanitra ity vato naoriko ho tsangam-bato ity, ary haloako ho anao ny am-pahafolon'izay rehetra homenao ahy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1402