Ny Jenezy

Toko faha-29

1 Dia nanohy ny diany Jakoba, ary nandeha ho any amin'ny tanin'ny zanaky ny Tatsinanana.

2 Nitazana izy ka indro lavaka fantsakana anankiray teny an-tsaha, ary indreo nisy ondry telo dia, nandry teo anilany, fa teo amin'izany lavaka fantsakàna izany no fampisotroan-drano ny biby fiompy, ary lehibe ny vato teo ambonin'ny vava lavaka. 3 Tao no niangonan'ny biby fiompy rehetra. Akodia aloha ny vato avy eo ambonin'ny vava lavaka fantsakàna, ka ampisotroina ny biby fiompy, dia averina amin'ny fitoerany eo am-bava lavaka fantsakàna indray ny vato.

4 Ary hoy Jakoba tamin'ireo mpiandry ondry: Ry rahalahy, avy aiza moa hianaore? Hoy ny navaliny azy: Avy any Haràna izahay.

5 Dia hoy izy taminy: Mba fantatrareo va Labana zanak'i Nakora? Ary hoy ny navaliny: Fantatray izy. 6 Hoy izy taminy: Tsara ihany va izy? Hoy ny navaliny: Tsara ihany izy ary inty tamy Rasela zanany vavy, mitondra ny ondriny. 7 Hoy izy: He! mbola antoandro be ny andro, mbola tsy fotoana famoriana ny biby fiompy, ka ampisotroy ny ondry dia mandehana andraso indray izy. 8 Hoy ny navalin'ireo: Tsy azonay atao izany raha tsy efa tafangona ny andiam-biby fiompy rehetra, sy efa voakodia hiala amin'ny vava lavaka fantsakàna ny vato, vao mampisotro ny ondry izahay. 9 Mbola niresaka tamin'ireo teo Jakoba, no tonga Rasela nitondra ny ondrin-drainy, fa mpiandry ondry izy. 10 Vao hitan'i Jakoba Rasela, zanak'i Labana, anadahin-dreniny, sy ny ondrin'i Labana anadahin-dreniny, dia nanatona izy nanakodia ny vato nanarona ny vava lavaka fantsakàna sy nampisotro ny ondrin'i Labana, anadahin-dreniny; 11 ary Jakoba nanoroka an-dRasela, dia nanandratra ny feony ka nitomany. 12 Nambaran'i Jakoba an-dRasela fa rahalahin'ny rainy sy zana-dRebekà izy; ka nihazakazaka Rasela nanambara izany tamin-drainy. 13 Vao nandre ny filazàny an'i Jakoba zanak'anabaviny Labana dia nihazakazaka nitsena azy, ka namihina azy, nanoroka azy, nitondra azy ho any an-tranony. Dia notantarain'i Jakoba tamin'i Labana izany zavatra rehetra izany, 14 ka hoy Labana taminy: Eny, taolako sy nofoko hianao. Ary nitoetra teo aminy iray volana maninjitra Jakoba.

15 Ary hoy Labana tamin'i Jakoba: Noho hianao rahalahiko va no tokony hanompoanao ahy maina? Ka lazao ahy izay karamanao? 16 Ary nanan-janaka roa vavy Labana; ny zokiny natao hoe Lià, ary ny zandriny natao hoe Rasela. 17 Lià dia narary maso, fa Rasela sady tsara bika no tsara tarehy. 18 Ary Jakoba tia an-dRasela ka nanao hoe: Hanompo anao fito taona aho, mba hahazoako an-dRasela zanakao vaviaivo. 19 Dia hoy Labana: Aleo omena anao izy toy izay omena hafa; ka mitoera àry eto amiko. 20 Dia nanompo fito taona Jakoba, mba hahazoany an-dRasela, ary toa andro vitsy foana teo imasony izany, noho ny fitiavany azy. 21 Ary hoy Jakoba tamin'i Labana: Omeo ahy ny vadiko fa tapitra ny fetr'androko dia hankaminy aho.

22 Dia novorin'i Labana ny olona rehetra tamin'io toerana io, ka nanao fanasana izy. 23 Nony hariva ny andro, dia Lià, zanany vavy, no nalainy, nentiny tao amin'i Jakoba, ka niraisan'i Jakoba. 24 Ary Zelfa ankizivaviny natolony hanompo an'i Lià zanany vavy. 25 Nony tonga ny maraina, indro fa Lià io, ka hoy Jakoba tamin'i Labana: Inona ity nataonao tamiko? Moa tsy ny hahazoako an-dRasela va no nanompoako teto aminao? Nahoana no dia nofitahinao aho?

26 Ary hoy no navalin'i Labana: Tsy fanao aty ny mamoaka ny zandriny alohan'ny zokiny. 27 Ka tanteraho ny herinandron'ity anankiray ity, fa homenay anao koa ny anankiray noho ny fanompoana izay mbola hataonao aty amiko mandritra ny fito taona hafa. 28 Nataon'i Jakoba izany ary notanterahiny ny herinandron'i Lià, dia nomen'i Labana ho vadiny Rasela, zanany vavy. 29 Ary Balà ankizivaviny natolony hanompo an-dRasela zanany vavy. 30 Ary nankamin'i Rasela koa Jakoba, sady tia azy mihoatra an'i Lià. Ary nanompo tao amin'i Labana fito taona indray izy. 31 Hitan'ny Tompo fa nankahalaina Lià, ka nampanana anaka azy izy, fa Rasela kosa momba.

32 Dia nanana anaka Lià, ka tera-dahy, nomeny anarana hoe Robena, fa hoy izy: Nitsinjo ny fahoriako Iaveh ka ho tian'ny vadiko aho ankehitriny. 33 Nanana anaka indray izy dia tera-dahy, ka nanao hoe: Ren'ny Tompo fa nankahalaina aho, ka nomeny an'ity koa, dia nataony hoe Simeona ny anarany. 34 Nanana anaka indray koa izy, dia tera-dahy, ka nanao hoe: Izao vao hiraiki-po amiko tokoa ny vadiko, fa niteraka telo mirahalahy ho azy aho. Izany no nanaovany ny anaran'io hoe: Levì. 35 Nanana anaka indray koa izy, dia tera-dahy ka nanao hoe: Ankehitriny hidera an'ny Tompo aho. Izany no nanaovany ny anaran'io hoe Jodà. Dia nitsaha-jaza izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2629