Ny Jenezy
Jenezy toko 3, 7-15
<7Nisokatra ny mason'izy mivady, ary fantany fa nitanjaka izy; ka nanjaitra ravin'aviavy izy ireo nataony sikina.
8Tamin'izay dia ren'izy ireo ny feon'ny Tompo Andriamanitra nandalo tao amin'ny saha rahefa nangatsiatsiaka ny andro; ka niery an'ny Tompo Andriamanitra tao anaty hazon'ny saha ralehilahy sy ny vadiny.
9Fa Iaveh Andriamanitra niantso an-dralehilahy nilaza taminy hoe: Aiza moa hianao?
10Hoy ny navaliny: Nandre ny feonao tao anaty saha aho, ka natahotra, fa mitanjaka, ka dia niery aho.
11Ary hoy Iaveh Andriamanitra: Iza no nahafantaranao fa mitanjaka hianao? Moa nihinana tamin'ny hazo norarako tsy hihinananao va hianao?
12Hoy ny navalin-dralehilahy: Ny vehivavy izay napetrakao eto amiko no nanome ahy tamin'ilay hazo, dia nihinana aho.
13Hoy Iaveh Andriamanitra tamin-dravehivavy: Ahoana no nanaovanao izany? Hoy ny navalin-dravehivavy: Ny bibilava no namitaka ahy, ka dia nihinana aho.
14Hoy Iaveh Andriamanitra tamin'ny bibilava: Noho hianao nanao izany, dia voaozona hianao amin'ny biby fiompy rehetra sy ny biby rehetra eny an-tsaha: hikisaka amin'ny kibonao hianao ary vovo-tany no hohaninao amin'ny andro rehetra hiainanao.
15Ary hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy, ny taranakao sy ny taranany; izy hanorotoro ny lohanao, hianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony. >