Ny Jenezy

Toko faha-30

1 Nony hitan-dRasela fa tsy mba niteraka tamin'i Jakoba izy, dia nialona ny rahavaviny izy sady nanao tamin'i Jakoba hoe: Mba omeo zaza aho, fa raha tsy izany maty aho.

2 Fa nirehitra tamin-dRasela ny fahatezeran'i Jakoba, ka hoy izy: Izaho va no solon'Andriamanitra nahamomba anao? 3 Ary hoy ravehivavy: Indro Balà, ankizivaviko, mandehana aminy mba hiterahany ao am-pofoako, sy hananako taranaka aminy koa. 4 Dia nomeny ho vadiny Balà ankizivaviny, ka niray tamin'io Jakoba. 5 Ary nanana anaka Balà, dia tera-dahy tamin'i Jakoba. 6 Ka hoy Rasela: Nomen'Andriamanitra ny rariny aho, ary nohenoiny ny feoko, ka nomeny zazalahy aho. Izany no nanaovany ny anarany hoe Dana. 7 Ary nanana anaka indray Balà, ankizivavin-dRasela, dia nitera-dahy fanindroany tamin'i Jakoba, 8 Ka hoy Rasela: Nifaninana tamin'ny rahavaviko teo amin'Andriamanitra aho ary nahery. Dia nataony hoe: Neftalì ny anarany. 9 Rahefa hitan'i Lià fa nitsaha-jaza izy, dia nalainy Zelfa ankizivaviny ka nomeny ho vadin'i Jakoba.

10 Ary nitera-dahy tamin'i Jakoba Zelfa ankizivavin'i Lià. 11 Ka hoy Lià: Manan-jara re aho; dia nataony hoe Gada ny anarany. 12 Fa nitera-dahy fanindroany tamin'i Jakoba indray Zelfa, ankizivavin'i Lià. 13 Ka hoy Lià: Fahasambarana ho ahy izao; fa hataon'ny zazavavy hoe: sambatra aho. Dia nataony hoe Asera ny anarany. 14 Tamin'ny fotoana fijinjam-barim-bazaha, nivoaka Robena, ka nahita mandragora tany an-tsaha, dia nentiny tany amin'i Lià reniny. Ary hoy Rasela tamin'i Lià: Masìna hianao, mba omeo kely amin'ny mandragoran-janakao aho.

15 Fa hoy ny navaliny azy: Tsy ampy ve ny nangalanao ny vadiko, ka haka ny mandragoran-janako koa hianao? Dia hoy Rasela: Aoka àry ho any aminao izy anio alina, ho valin'ny mandragoran-janakao. 16 Nony hariva inty tonga avy any an-tsaha Jakoba, ka nivoaka nitsena azy Lià, nanao hoe: Ato amiko no halehanao fa efa nohofako ny mandragoran-janako hianao. Dia nandry taminy izy ny alin'izay. 17 Ary nihaino an'i Lià Andriamanitra ka nanana anaka izy, dia nitera-dahy fanindiminy tamin'i Jakoba; 18 ka hoy Lià: Nomen'Andriamanitra ny karamako aho tamin'ny nanomezako ny ankizivaviko ho an'ny vadiko. Dia nataony hoe Isakara ny anarany. 19 Mbola nanana anaka koa Lià sy nitera-dahy fanineniny tamin'i Jakoba, 20 ka nanao hoe: Nomen'Andriamanitra anjara soa aho; amin'izao, dia hitoetra amiko ny vadiko, fa niteraka enina mirahalahy ho azy aho. Dia nataony hoe Zabolòna ny anarany. 21 Nanaraka izany dia nitera-bavy izy, ka nataony hoe Dinà ny anarany. 22 Ary Andriamanitra nahatsiaro an-dRasela, ka nihaino azy ka nampanana anaka azy.

23 Nanana anaka izy sady nitera-dahy ka nanao hoe: Nesorin'Andriamanitra tamiko ny fahafaham-barakako. 24 Dia nataony hoe Josefa ny anarany, fa hoy izy: Hanampy zazalahy iray ho ahy koa anie Iaveh.

25 Nony efa niteraka an'i Josefa Rasela, dia hoy Jakoba tamin'i Labana: Alefaso aho handeha, hody any amiko sy any amin'ny taniko.

26 Omeo ahy ireo vadiko nanompoako anao, mbamin'ireo zanako dia handeha aho; fa fantatrao izay fanompoako nataoko taminao izay. 27 Fa hoy Labana taminy: Raha mba nahita fitia teo imasonao ihany aho re, dia hitako fa hianao no nanambinan'ny Tompo ahy. 28 Lazao amiko izay ho karamanao fa homeko tokoa. 29 Hoy Jakoba taminy: Fantatrao ny nanompoako anao sy ny tonga toetry ny biby fiompinao, nony mby tamiko. 30 Fa kely ny fanananao talohan'ny nahatongavako: ary efa nitombo be dia be izy izao, ka nambinin'ny Tompo hianao, tamin'ny nalehako. Ary ankehitriny, rahoviana kosa no mba hihariako ho an'ny ankohonako? 31 Dia hoy Labana: Inona àry no homeko anao? Ka hoy Jakoba: Tsy hanome ahy na inona na inona hinao; fa raha ekenao izao teniko izao, dia handrasako sy hotandremako indray ny biby fiompinao. 32 Handeha hamaky ny biby fiompinao rehetra aho anio: ka havahako ny sada sy ny mara amin'ny osy, dia ireo no karamako. 33 Ny fahamarinako no ho vavolombeloko rahampitso, rahefa tonga handinika ny karamako hianao. Izay rehetra tsy mara sy tsy sada eo amin'ny osy, ary tsy mainty eo amin'ny ondry dia ho halatra eo am-pelatanako. 34 Ka hoy Labana: Aoka àry, dia ho araka izany voalazanao izany. 35 Androtrizay ihany dia navahany ny osilahy sadìka sy mara, ny osivavy sadìka sy mara, izay rehetra misy fotsy, ary izay mainty rehetra tamin'ny zanak'ondry; ka ireny no natolony ho eo an-tànan'ny zanany lahy. 36 Dia nasiany elanelany làlan-kateloana izy sy Jakoba. Ary ny biby fiompin'i Labana sisa, nandrasan'i Jakoba. 37 Naka tsora-kazo maitso, tamin'ny hazo peuplier sy amandier ary platane, Jakoba, nataony vaofy vandana, hisehoan'ny fotsy amin'ny tsora-kazo;

38 dia napetrany teny amin'ny tatatra, teny amin'ny fisotroan-drano fisotron'ny ondry, ny tsora-kazo voavaofy, nataony talaky mason'ny ondry; fa nitady hikambana ireny nony tonga hisotro, 39 ka nikambana teo anoloan'ny tsora-kazo ny ondry, dia teraka sadìka sy mara ary sada. 40 Novahan'i Jakoba ny zanak'ondry, ary ny biby fiompy dia nataony nanatrika ny sadìka sy ny mainty rehetra amin'ny biby fiompy ananan'i Labana. Izany no nahazoany andiam-biby fiompy ho an'ny tenany, ka tsy nakambany tamin'ny biby fiompin'i Labana. 41 Nony injay ny ondry matanjaka no nitady hikambana, dia nataon'i Jakoba tao anatin'ny fisotroan-drano talaky mason'ny ondry ny tsora-kazo, mba hikambananany eo anilan'ny tsora-kazo; 42 fa raha osaosa kosa ny ondry dia tsy mba nataony tao ireny; ka dia ny zanak'ondry osaosa no an'i Labana, fa ny matanjaka kosa an'i Jakoba. 43 Dia tonga mpanankarena fatratra ralehilahy, fa nananany betsaka ny biby fiompy, ny mpanompo lahy sy vavy, ary ny rameva aman'ampondra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1246