Ny Jenezy

Toko faha-33

1 Ary natopin'i Jakoba ny masony, ka indro tamy Esao omban'olona efa-jato lahy. Dia nozarazarainy ny zaza ho amin'i Lià sy ho amin'i Rasela ary ho amin'ny ankizivavy roa.

2 Ny ankizivavy sy ny zanany no nanarakaraka; Rasela sy Josefa no vody làlana; 3 ary ny tenany kosa nandeha teo alohan'ireo, ka niankohoka tamin'ny tany impito izy mandra-pahatongany teo anilan'i Esao, rahalahiny. 4 Dia nihazakazaka nitsena azy Esao ka namihina azy nisakambina ny vozony, nanoroka azy; ary samy nitomany izy ireo. 5 Nony nanopy ny masony Esao, ka nahita ireto zaza amam-behivavy dia nanao hoe: Iza avy ireto miaraka aminao? Ary hoy Jakoba: Ireo no zaza nomen'Andriamanitra ny mpanomponao.

6 Nanatona ny ankizivavy, dia izy sy ny zanany, ka niankohoka; 7 nanatona koa Lià sy ny zanany, ka niankohoka; farany, nanantona Josefa sy Rasela ka niankohoka. 8 Ary hoy Esao: Kasainao hatao inona avy ireny antokony rehetra nifanena tamiko ireny? Dia hoy Jakoba: Ny mba hahitako fitia eo imason'ny tompoko. 9 Fa hoy Esao: Efa manam-be aho, ry rahalahiko, ka tano ho anao ihany ny anao. 10 Ary hoy Jakoba: Tsia, fa miangavy aminao, raha mba nahita fitia teo imasonao ihany aho, raiso avy amin'ny tànako ny fanomezako; fa izany nahitako ny tavanao hoatra ny mahita ny tavan'Andriamanitra, ary efa mba tsara koa ny nandraisanao ahy. 11 Koa raiso ny fanatitro izay nentina teny aminao; fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra, ka tsy orin'inon'inona aho. Dia notereny mafy teo Esao, ka nandray. 12 Ary hoy Esao: Ndao àry arosoy ny diantsika fa izaho no hiroso eo alohanao.

13 Hoy ny navalin'i Jakoba: Fantatry ny tompoko, fa ny ankizy mbola malemilemy; sady betsaka ny ondry aman'omby vavy mbola mitaiza entiko koa; raha korodonina indray andro monja ireo, dia ho levona ny biby fiompy rehetra. 14 Ka aoka ny tompoko hialoha ny mpanompony; fa izaho kosa hanaraka miadana, araka ny dian'ny biby fiompy izay mandeha eo alohako, sy ny dian'ny ankizy, mandra-pahatongako any amin'ny tompoko any Seira. 15 Dia hoy Esao: Avelao àry hamelako hiaraka aminao ahay ny sasany amin'ny olona miaraka amiko. 16 Dia niverina anankany Seira androtr'iny ihany Esao. 17 Jakoba kosa nankao Sokota, dia nanao trano ho azy sy nanao trano tomboka ho an'ny biby fiompiny koa. Izany no nanaovana ny anaran'io tany io hoe Sokota.

18 Dia tafaverina avy any Padan-Arama Jakoba ka tonga soa aman-tsara tao Sikema, amin'ny tany Kanaana, ary nitoby teo anoloan'ny tanàna.

19 Novidiny vola zato kesità tamin'ny zanak'i Hemora, rain'i Sikema, ny lanin-tany nanorenany lay. 20 Ary nanangana otely teo izy, ka nomeny anarana hoe: El-Elohe-Israely.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2766