Ny Jenezy
Jenezy toko 35
Ny niverenan'i Jakoba tany Betela - Ny nahafatesan'Isaaka.
1Ary hoy Andriamanitra tamin'i Jakoba: Andeha hianao miakatra an'i Betela ka monèna any, manangàna otely any, ho an'ilay Andriamanitra niseho taminao, fony hianao nandositra teo anoloan'i Esao, rahalahinao. 2Dia hoy Jakoba tamin'ny fianakaviany, sy tamin'izay rehetra nomba azy: Ario ny andriamani-kafa izay eo aminareo; mandiova tena hianareo, ary soloy ny fitafianareo. 3Fa hiainga isika hiakatra ho any Betela. Hanangana otely any aho, ho an'ilay Andriamanitra izay nihaino ahy tamin'ny andron'ny fahoriako, sy nomba ahy tamin'ny làlana nalehako. 4Dia natolotr'izy ireo an'i Jakoba ny andriamani-kafa rehetra teo an-tànany, sy ny kavina teny an-tsofiny, ka nalevin'i Jakoba teo am-pototry ny terebinta izay ao Sikema. 5Dia lasa izy ireo; ary azon'ny tahotra mafy avy amin'Andriamanitra ny tanàna, eny amin'ny manodidina eny, ka tsy nisy nanenjika ny zanak'i Jakoba. 6Ary Jakoba sy ny olona rehetra nomba azy tonga tany Loza any amin'ny tany Kanaana, dia Betela izany. 7Dia nanorina otely teo izy, ka nataony hoe El-Betela ny anaran'io tany io, satria teo no nisehoan'Andriamanitra taminy, fony izy nandositra teo anoloan'ny rahalahiny.
8Ary maty Deborà, mpitaiza an-dRebekà, ka naleviny teo ambanin'i Betela am-pototry ny oaka anankiray izay nomena anarana hoe Oakan-dranomaso.
9Niseho tamin'i Jakoba indray koa Andriamanitra nony tafaverina avy any Padan-Arama izy, sady nitso-drano azy. 10Hoy Andriamanitra taminy: Jakoba no anaranao, nefa tsy hatao Jakoba intsony hianao, fa Israely no ho anaranao. Dia nataony hoe Israely no anarany. 11Ary hoy Andriamanitra taminy: Izaho no Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra. Maroa fara sy mitomboa; firenena sy fikambanam-pirenena no ho avy aminao, ary hisy mpanjaka amin'izay haloaky ny kibonao. 12Ny tany nomeko an'i Abrahama sy Isaaka, dia homeko anao, ary homeko ny taranakao mandimby anao izany tany izany. 13Dia niakatra Andriamanitra niala taminy teo amin'ilay fitoerana niresahany taminy. 14Ary Jakoba nanorina tsangam-bato teo amin'ilay fitoerana niresahany taminy, ka nandraraka fanatitra araraka teo amboniny, sy nandrotsaka diloilo teo. 15Nataony hoe Betela ny anaran'ny tany niresahan'Andriamanitra taminy.
16Dia niala teo Betela izy; ary nony mbola lavidavitra ihany vao ho tonga tao Efratà, dia teraka Rasela sady sarotiny erý. 17Ka hoy ny mpampivelona taminy, nandritra ny fanaintainana nahazo azy teo am-piterahana: Aza matahotra fa indro hahazo zazalahy indray koa hianao. 18Nony efa hiala ny ainy, fa efa ho faty izy, dia nataony hoe Benonì ny anarany, fa rainy kosa nanao azy hoe Benjamina. 19Dia maty Rasela, ka nalevina teo amin'ny làlana mankany Efratà dia Betleema izany. 20Nanorina tsangam-bato teo ambony fasany Jakoba, dia ilay tsangam-baton'i Fasan-dRasela, izay mbola eo mandrak'androany.
21Niainga indray Israely, dia niorin-day tao ambadik'i Magdala-Edera. 22Raha mbola nipetraka teo amin'izany tany izany Israely dia avy Robena ka nandry tamin'i Balà, vaditsindranon-drainy; ary nandre izany Israely. Roa ambin'ny folo no isan'ny zanakalahin'i Jakoba.
23Zanak'i Lià: Robena, lahimatoan'i Jakoba, Simeona, Levì, Jodà, Isakara ary Zabolona. 24Zana-dRasela: Josefa sy Benjamina. 25Zanak'i Balà, ankizivavin-dRasela: Dana sy Neftalia. 26Zanak'i Zelfah, ankizivavin'i Lià: Gada sy Asera. Ireo no zanakalahin'i Jakoba, naterany tany Padan-Arama.
27Ary Jakoba tonga tany amin'Isaaka rainy, tany Mambre, any Kiriat-Arabe; dia Hebròna izany, izay nitoeran'i Abrahama sy Isaaka.
28Valo-polo amby zato taona no andro niainan'Isaaka. 29Dia niala aina Isaaka, ka maty, ary nakambana tamin'ny razany; tratrantitra sy lava andro niainana izy. Niara-nandevina azy Esao sy Jakoba, zanany. >