Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Jenezy

Jenezy toko 36
Esao na Edoma; ny vadiny sy ny taranany.

       1Izao no tantaran'i Esao, izay Edoma ihany. Naka vady tamin'ny zanakavavin'i Kanaana Esao: 2Adà, zanakavavin'i Elona, Heteana, Oolibamà, zanakavavin'i Anà, zanakavavin'i Sebeona, Heveana; 3ary Basemata, zanakavavin'Ismaely, anabavin'i Nabaiota, 4Ka ny naterak'i Adà, tamin'i Esao dia Elifaza; ny naterak'i Basemata dia Rahoely; 5ary ny naterak'i Oolibamà dia Jehosy sy Ihelona ary Kore. Ireo no zanakalahin'i Esao naterany tany amin'ny tany Kanaana.
       6Ary nentin'i Esao ny vadiny, ny zanany lahy, ny zanany vavy; ny olona rehetra teo an-tranony, ny biby fiompiny, ny bibiny rehetra, mbamin'ny fananany rehetra nohariny tany Kanaana, ka lasa izy nankany amin'ny tany anankiray lavitra an'i Jakoba rahalahiny. 7Fa efa samy be loatra ny haren'izy ireo ka tsy nahazo niara-nonina intsony izy fa tsy omby azy ireo intsony ny tany nonenany, noho ny biby fiompiny. 8Dia tany an-tendrombohitra Seira Esao no nonina. Esao dia Edoma ihany.
       9Izao no taranak'i Esao, rain'i Edoma tany an-tendrombohitra Seira.
       10Ny anaran'ny zanakalahin'i Esao, dia izao: Elifaza, zanak'i Adà, vadin'i Esao; Rahoely, zanak'i Basemata, vadin'i Esao. 11Ny zanakalahin'i Elifaza dia Temàna, Omara, Sefao, Gatama ary Seneza. 12Tamnà, vaditsindranon'i Elifaza, zanak'i Esao, niteraka an'i Amaleka tamin'i Elifaza. Ireo no zanakalahin'i Adà, vadin'i Esao. 13Izao kosa no zanakalahin-dRahoely: Nahata, Zara, Sammà, ary Mezà. Ireo no zanakalahin'i Basemata, vadin'i Esao. 14Ary izao no zanakalahin'i Oolibamà, zanakavavin'i Anà, zanakavavin'i Sebeona, vadin'i Esao; niteraka an'i Jehosy sy Ihelona ary Kore tamin'i Esao izy.
       15Izao no loham-pirenena amin'ny zanak'i Esao: Zanakalahin'i Elifaza: Temana, loham-pirenena; Omara, loham-pirenena; Sefao, loham-pirenena; Seneza, loham-pirenena. 16Kore, loham-pirenena; Gathama, loham-pirenena; Amaleka, loham-pirenena. Ireo no loham-pirenena avy amin'i Elifaza amin'i Edoma. Zanak'i Adà ireo. 17Zanakalahin-dRahoely, zanak'i Esao: Nahata, loham-pirenena, Zarà, loham-pirenena; Sammà, loham-pirenena, ary Mezà, loham-pirenena. Ireo no loham-pirenena avy amin-dRahoely, amin'ny tanin'i Edoma. Zanak'i Basemata, vadin'i Esao, ireo. 18Zanakalahin'i Oolibamà, vadin'i Esao: Jehosy, loham-pirenena, Ielona, loham-pirenena; ary Kore, loham-pirenena. Ireo no loham-pirenena avy amin'i Oolibamà, zanakavavin'i Anà, sy vadin'i Esao. 19Ireo no zanakalahin'i Esao, ireo no loham-pireneny; izany no Edoma.
       20Izao kosa no zanakalahin'i Seira, Horeana, izay efa nonina teo amin'ny tany rahateo; Laotana, Sobala, Sebeona, Anà, Disona, Esera ary Disàna. 21Ireo no loham-pirenena amin'ny Horeana, zanakalahin'i Seira, tamin'ny tanin'i Edoma. 22Ny zanakalahin'i Laotana dia: Hori sy Hemana, ary Tammà no anabavin'i Laotana. 23Izao no zanakalahin'i Sobala: Alvana, Manahata, Ebala, Sefao, ary Onama. 24Izao no zanakalahin'i Sebeona: Ajà sy Anà. Io Anà io no nahita ny loharano mafana tany an'efitra, raha niandry ny ampondran'i Sebeona rainy izy. 25Izao no zanak'i Anà: Disona sy Oolibamà, zanakavavin'i Anà. 26Izao no zanakalahin'i Disona: Hamdàna, Esebana, Jetrama ary Karàna. 27Izao no zanakalahin'i Esera: Balana, Zavana, ary Akana. 28Izao no zanakalahin'i Disàna: Hosy sy Arama.
       29Izao no loham-pirenena amin'ny Horeana: Laotana loham-pirenena, Sobala, loham-pirenena, Sebeona, Anà, loham-pirenena; 30Disona, loham-pirenena, Esera, loham-pirenena, Disana, loham-pirenena. Ireo no loham-pirenena Horeana izay samy loham-pirenena any amin'ny tanin'i Seira.
       31Izao no mpanjaka efa nanjaka tany amin'ny tanin'i Edoma, talohan'ny nisian'ny mpanjaka nanjaka tamin'ny zanak'Israely. 32Belà, zanak'i Beora, nanjaka tany Edoma; ary ny anaran'ny tanànany dia atao hoe: Denaba. 33Dia maty Belà ary Jobaba, zanak'i Zoara, avy any Boarà, no nanjaka nandimby azy. 34Maty Jobaba, dia Hosama, avy amin'ny tanin'ny Temanita, no nanjaka nandimby azy. 35Maty Hosama, ary nanjaka nandimby azy Hadada, zanak'i Nadada, ilay nandresy an'i Madiana, tany amin'ny tanin'i Moaba; ary Avita no anaran'ny tanànany. 36Maty Hadada, ary Semlà, avy any Masrekà, no nanjaka namdimby azy. 37Maty Semlà, ary Saola avy any Rohobota, amin'ny Ony, no nanjaka nandimby azy. 38Maty Saola, ary Balanàna zanak'i Akora, no nanjaka nandimby azy. 39Maty Balanàna, zanak'i Akora, dia nanjaka nandimby azy Hadara, ka ny anaran'ny tanànany dia Faho ary ny anaran'ny vadiny dia Meetabela, zanakavavin'i Matreda, zanakavavin'i Mezaaba.
       40Izao no anaran'ny loham-pirenena amin'ny taranak'i Esao, araka ny fokony sy ny faritaniny ary ny anarany avy: Tammà, loham-pirenena; Alvà, loham-pirenena; Jetela, loham-pirenena; 41Oolibamà, loham-pirenena; Ela, loham-pirenena; Finona, loham-pirenena, 42Seneza, loham-pirenena; Temàna, loham-pirenena; Mabsara, loham-pirenena. 43Magdiela, loham-pirenena; Hirama, loham-pirenena. Ireo no loham-pirenena amin'i Edoma, araka ny fonenany, any amin'ny tany onenany avy. Izany no Esao, rain'i Edoma. >