Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Jenezy

Jenezy toko 4, 1-15.25.
Kaina sy Abela - Taranak'i Kaina - Ny nahaterahan'i Seta.

       1Ary Adama nahalala an'i Eva vadiny, ka nanana anaka izy, dia niteraka an'i Kaina, sy nanao hoe: Efa nampisy olona anankiray aho tamin'ny fanampian'ny Tompo. 2Dia niteraka an'i Abela rahalahiny koa izy. Abela dia mpiandry ondry ary Kaina dia mpiasa tany.
       3Nony afaka elaela dia nanatitra vokatry ny tany Kaina ho fanatitra ho an'ny Tompo. 4Ary Abela koa mba nanatitra ny voalohan-terak'ondriny, mbamin'ny taviny. Ary Iaveh nitsinjo an'i Abela sy ny fanatiny, 5fa tsy nijery an'i Kaina sy ny fanatiny. Dia tezitra mafy tamin'izany Kaina, ary kivy endrika izy. 6Ary hoy Iaveh tamin'i Kaina: Nahoana no tezitra hianao, ary nahoana no kivy endrika? 7Raha tsara ny ataonao, tsy hankasitrahana va hianao? Fa raha tsy tsara kosa ny nataonao, moa tsy mamitsaka eo am-baravaranao va ny ota? Mankaminao ny faniriany, fa tsy maintsy manapaka azy kosa hianao.
       8Hoy Kaina tamin'i Abela rahalahiny: Andeha isika ho any an-tsaha. Ary nony mby tany an-tsaha izy ireo, namely an'i Abela rahalahiny Kaina ka nahafaty azy. 9Dia hoy Iaveh tamin'i Kaina: Aiza Abela rahalahinao? Fa hoy ny navaliny: Tsy fantatro. Moa mpiambina ny rahalahiko va aho? 10Hoy Iaveh: Inona no nataonao? fa mitaraina hatraty amiko ny feon'ny ran-drahalahinao avy amin'ny tany. 11Amin'izao dia voaozon'ny tany hianao, fa nivava izy hitelina ny ran-drahalahinao nalatsaky ny tànanao. 12Rehefa hiasa ny tany hianao dia tsy hanome vokatra intsony izy, ary hianao ho mpanjenjena sy mpirenireny any ambonin'ny tany. 13Dia hoy Kaina tamin'ny Tompo: Lehibe loatra ny saziko ka tsy zakako efaina. 14Indro roahinao hiala amin'ity tany ity aho ankehitriny ary ho takona ny tavanao aho, lavitra anao; ary hanjenjena sy hirenireny, eny ambonin'ny tany aho, ary na iza na iza hahita ahy hamono ahy. 15Hoy Iaveh taminy: Izao àry: Raha misy hamono an'i Kaina dia valiana faty impito heny Kaina. Ary nasian'ny Tompo famantarana tamin'i Kaina mba tsy hisy hamono azy izay mifanena aminy.
       25Ary Adama nahalala ny vadiny indray ka niteraka lahy iray izy, nataony hoe Seta, fa hoy izy: Nomen'Andriamanitra ny fara aho ho solon'i Abela izay novonoin'i Kaina. >