Ny Jenezy

Toko faha-42

1 Nony fantatr'i Jakoba fa nisy vary tany Ejipta, dia hoy izy tamin'ireo zanany lahy: Nahoana ireto hianareo no mifampijery foana eo?

2 Dia hoy izy: Indro reko fa hoe misy vary any Ejipta, koa andeha midina any hianareo, hividy ho antsika, mba ho velona isika fa tsy ho faty. 3 Lasa nidina hividy vary any Ejipta ny rahalahin'i Josefa folo lahy. 4 Fa Benjamina rahalahin'i Josefa tsy mba nampandehanin'i Jakoba niaraka amin'ireo rahalahiny, fa hoy ny eritreriny: Sao dia idiran-doza any izy. 5 Koa tonga hividy vary ireo zanak'Israely, ary nisy olon-kafa koa niara-tonga taminy fa tratry ny mosary ny tany Kanaana. 6 Josefa no mpanapaka ny tany ary izy no nivaro-bary tamin'ny tompon-tany rehetra. Nony tonga ny rahalahin'i Josefa dia niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany.

7 Vao nahita ireo rahalahiny Josefa dia nahalala azy; nefa nody olon-kafa taminy izy, ka niteny mafy taminy, nanao hoe: Avy aiza hianareo? Ary hoy ny navalin'ireo: Avy amin'ny tany Kanaana izahay, mba hividy hanina. 8 Koa Josefa nahalala ireo rahalahiny, fa ireo no tsy nahalala azy. 9 Tsaroan'i Josefa tamin'izay ny nanofisany azy ireo, ka hoy izy taminy: Mpisafo hianareo; hizaha ny toerana tsy mimanda amin'ny tany no nahatongavanareo.

10 Fa hoy ny navaliny azy: Tsia tompokolahy, fa hividy hanina no nahatongavan'ny mpanomponao. 11 Iray ray avokoa izahay ireto, ary olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo akory ny mpanomponao. 12 Dia hoy izy taminy: Tsy izany fa izao ihany: Hizaha ny toerana tsy mimanda amin'ny tany no nahatongavanareo. 13 Ary hoy ny navaliny: Roa ambin'ny folo mirahalahy izahay mpanomponao ary zanaky ny lehilahy iray ihany any amin'ny Kanaana; fa izao kosa ny faralahy dia any amin-drainay, ary ny anankiray tsy velona intsony. 14 Fa hoy Josefa taminy: Ilay voalazako taminareo teo ihany no izy: mpisafo hianareo. 15 Ka hotsapaina ny amin'izany hianareo. Raha velona koa Faraona tsy hiala aty hianareo, raha tsy tonga ilay zandrinareo faralahy. 16 Ny iray aminareo alefao haka ilay rahalahinareo, fa hianareo sisa kosa mijanòna ao an-tranomaizina; izany no hanamarinana ny teninareo raha ao aminareo ny fahamarinana. Fa raha tsy izany, dia mpisafo tokoa hianareo, raha velona koa Faraona. 17 Dia nasainy hatao an-tranomaizina hateloana izy ireo. 18 Nony tamin'ny andro fahatelo, dia hoy Josefa tamin'izy ireo: Izao no ataovy, dia ho velona hianareo, fa matahotra an'Andriamanitra aho:

19 Raha olo-marina tokoa hianareo, aoka ny anankiray aminareo, izay rahalahinareo, hijanona mifatotra ao an-tranomaizina misy anareo, ary hianareo kosa handeha hitondra vary hanafaka hanoanana ny fianakavianareo. 20 Ka ento mankaty amiko ny zandrinareo faralahy; dia ho hita fa marina ny teninareo, ka tsy ho faty hianareo. Dia nataony izany. 21 Ary nifampilaza izy nanao hoe: Voakapoka tokoa isika izao, noho ny amin'ny rahalahintsika; fa nahita ny fahorian'ny fanahiny isika, tamin'ilay izy nitalaho ny famindram-pontsika, nefa tsy nihaino azy isika ka izany no nahatongavan'izao fahoriana izay manjò antsika izao. 22 Fa niteny tamin'izy ireo Robena ka nanao hoe: Tsy efa nilazako va re hianareo fa hoe: Aza manota amin'ny zaza? Nefa tsy nohenoinareo akory izany; ka indro arahina amintsika izao ny ràny. 23 Tsy fantatr'izy ireo ho nahalala ny teniny Josefa, satria mpandika teny no niresahany taminy. 24 Ka nihataka niala teo amin'izy ireo izy dia niteny taminy, sy naka an'i Simeona tamin'izy ireo ary nampamototra azy teo imasony. 25 Rahefa izany, dia nasain'i Josefa hofenoina vary ny lasakany, sy hatao ao anaty lasakany avy indray ny volany, ary homena vatsy izy ho azy eny an-dàlana. Dia natao taminy avokoa izany. 26 Rahefa voataingina tamin'ny ampondra ny vary, dia niainga izy.

27 Nony mby teo amin'ny toerana handriany, nanokatra ny lasakany ny anankiray tamin'izy ireo, hanomezany vilona ny ampondrany, ary hitany teo am-bava lasakany ny volany.

28 Ka hoy izy tamin'ireo rahalahiny: Nisy namerina ny volako fa ity izy ato anaty lasakako. Kivy tery ny fon'izy ireo, ka sady nangovitra izy no nifampilaza hoe: Fa nataon'Andriamanitra ahoana re izato isika. 29 Niverina tany amin'i Jakoba rainy, tany amin'ny tany Kanaana, izy ireo, dia notantarainy taminy avokoa ny nahazo azy, ka hoy izy:

30 Mafy ny teny nataon-dralehilahy, tompon'ny tany, taminay, fa nataony ho mpisafo tany izahay. 31 Fa hoy izahay taminy hoe: Olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo akory. 32 Roa ambin'ny folo mirahalahy izahay no iray ray; ny iray tsy velona intsony, ary ny faralahy any amin-drainy any amin'ny tany Kanaana izao. 33 Nefa hoy ralehilahy tompon'ny tany, taminay: Izao ihany no hahafantarako fa olo-marina hianareo: avelao aty amiko ny anankiray aminareo, izay rahalahinareo: ary ento izay hanafahana hanoanana ny fianakavianareo, dia mandehàna; 34 ka ento mankaty amiko ilay zandrinareo faralahy. Dia ho fantatro fa tsy mpisafo hianareo, fa olo-marina; ka amin'izay haveriko aminareo ny rahalahinareo, ary ho afaka hanao varotra amin'ny tany hianareo. 35 Dia samy nandraraka ny tao anaty lasakany izy ireo, ka indro ny fonosam-bolany samy teo anaty lasakany avy. Nahita ny fonosam-bolany izy sy ny rainy, ka samy raiki-tahotra.

36 Hoy Jakoba rainy taminy: Foananareo anaka aho, fa Josefa tsy eto intsony, Simeona koa tsy eto, Benjamina indray halainareo; ary izaho ihany no itambesaran'izany rehetra izany. 37 Dia hoy Robena tamin-drainy: Vonoy ny zanako roalahy, raha tsy tafaveriko aty aminao Benjamina fa atolory eto an-tànako izy, dia izaho no hitondra azy hody aty aminao indray. 38 Fa hoy izy: Tsy hiara-midina aminareo ny zanako. Ny rahalahiny efa maty, izy irery no sisa. Ka raha hidiran-doza any amin'ilay làlan-kalehanareo any izy, dia hampidininareo any amin'ny fonenan'ny maty, amin'alahelo, ny voloko fotsy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0369