Ny Jenezy

Toko faha-44

1 Dia nomen'i Josefa teny ilay mpikarakara ny tranony, nataony hoe: Fenoy hanina ny lasakan'ireo lehilahy ireo, araka izay zakany ho entina, ka ny volany samy ataovy eo am-bava-lasakany avy.

2 Ny kopiko, ilay kopy vola fotsy, ataovy ao am-bava-lasakan'ilay zandriny indrindra, miaraka amin'ny vola vidin'ny variny koa. Dia nataon ílay mpikarakara izay nasain'i Josefa nataony. 3 Nony maraina vao nazava ny andro, dia nalefany handeha ny olona sy ny ampondrany.

4 Vao tafavoaka ny tanàna, mbola tsy lasa lavitra akory izy, dia hoy Josefa tamin'ilay mpikarakarany: Miaingà enjeho ireny olona ireny, ka rahefa mahatratra azy hianao dia lazao aminy hoe: Nahoana hianareo no namaly ratsy ny soa? 5 Tsy iny kopy iny va no fisotroan'ny tompoko, ka entiny maminany? Ratsy izany nataonareo izany. 6 Nony tratran'ny mpikarakara izy ireo dia nilazany an'izany teny izany, ka izao no navaliny azy: 7 Nahoana re, Tompokolahy, no dia manao izany hianao? Sanatria amin'ny mpanomponao mihitsy izay hanao izany zavatra izany. 8 Indro fa ny vola hitanay teo am-bava-lasakanay dia nentinay taminao avy amin'ny tany Kanaana, ka dia hataonay ahoana no fangalatra vola fotsy na volamena ao an-tranon'ny tomponao? 9 Izay anankiray amin'ny mpanomponao hahitana izany kopy izany dia aoka hovonoina; ary na ny tenanay aza dia aoka ho andevon'itompokolahy koa. 10 Ka hoy izy: Aoka àry ho araka ny teninareo. Izay hahitana ny kopy ho andevoko, fa hianareo sisa kosa dia afaka. 11 Koa samy nampidina faingana ny lasakany tamin'ny tany izy ireo, dia samy nanokatra ny lasakany. 12 Ary nikaroka ny mpikarakara nanomboka tamin'ny zokiny indrindra, ka hita tao amin'ny lasakan'i Benjamina ilay kopy. 13 Notriarin'izy ireo ny fitafiany; natainginy tamin'ny ampondra ny entany, dia niverina nankany an-tànana izy.

14 Jodà sy ireo rahalahiny dia tonga tao an-tranon'i Josefa, fa mbola tao ihany izy, ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany izy ireo. 15 Dia hoy Josefa taminy: Ahoana izao zavatra nataonareo izao? Tsy fantatrareo va fa ny lehilahy toa ahy izao dia hahavinany? 16 Ary hoy ny navalin'i Jodà: Inona indray moa no azonay avaly ny tompoko? Hataonay ahoana no fiteny? Hataonay ahoana no fiala tsiny? Efa hitan'Andriamanitra ny faharatsian'ny mpanomponao. Koa dia indreto izahay ho andevon'ny tompoko, na izahay na izay nahitana ny kopy.

17 Fa hoy Josefa: Sanatria ahy ny hanao izany. Izay olona nahitana ny kopiko no ho andevoko, fa hianareo, miakara soa aman-tsara ho any amin-drainareo. 18 Ary tamin'izay Jodà nanatona an'i Josefa ka nanao hoe: Mihanta aminao aho, tompokolahy, mba hahazo alàlana ny mpanomponao hiteny indraim-bava eto anatrehan'ny tompoko, ka aoka tsy hirehitra amin'ny mpanomponao ny fahatezeranao, fa sahala amin'i Faraona hianao.

19 Ny tompolahiko nanontany ny mpanompony hoe: Manan-dray na rahalahy koa va hianareo? 20 Ary izao no navalinay ny tompoko: Manan-dray efa antitra izahay sy zandry farahaly, zanaky ny fahanterany; nanan-drahalahy io zaza io fa efa maty, dia izy irery no sisa tamin'izy iray reny, ka tian-drainy izy. 21 Ary hianao nilaza tamin'ny mpanomponao hoe: Ento midina aty amiko izy mba ho hitan'ny masoko. 22 Dia namaly ny tompoko izahay nanao hoe: Tsy mahazo misaraka amin-drainy ilay zaza; fa raha ilaozan'izay ny rainy dia ho faty tokoa. 23 Hoy hianao tamin'ny mpanomponao: Raha tsy miara-midina aminareo ny zandrinareo, tsy hahita ny tavako intsony hianareo. 24 Ka rahefa tafakatra tany amin'ikaky mpanomponao izahay, dia nambaranay azy ny tenin'ny tompoko. 25 Ary nony avy izay nilazan'ikaky taminay hoe: Mandehàna indray mividiana hanina kely ho antsika; 26 dia izao no navalinay: Tsy mahazo midina izahay; fa raha miaraka aminay ny zandrinay faralahy vao hidina izahay; satria tsy mahazo mahita tava an-dralehilahy akory izahay, raha tsy miaraka aminay ny zandrinay. 27 Ka hoy ikaky mpanomponao taminay: Fantatrareo fa roa lahy no nateraky ny vadiko tamiko; 28 ny iray efa lasa tafasaraka tamiko, ka hoy aho hoe: Tsy maintsy ho voaviraviram-biby izy, satria tsy hitako intsony mandrak'androany. 29 Ary ity iray, raha alainareo koa, ka mahita loza any, dia hampidininareo any amin'ny fonenan'ny maty amin'alahelo, ny voloko fotsy. 30 Koa ankehitriny raha hiverina any amin'ny mpanomponao aho, any amin'ikaky, nefa tsy hiaraka aminay ny zaza, nefa nifaningotra anina amin'ny zaza izy; 31 raha vao hitany fa tsy eo ny zaza dia ho faty izy; izahay mpanomponao izany, no hampidina amin'alahelo ny volofotsin-drainay, mpanomponao, any amin'ny fonenan'ny maty. 32 Fa ny mpanomponao no efa niantoka ny zaza tamin'ikaky, nanao hoe: Raha tsy tafaveriko aty aminao izy, dia ho meloka amin'ny raiko mandrakizay aho. 33 Koa mifona aminao aho, mba avelao re ny mpanomponao hisolo ny zaza ho andevon'ny tompoko; fa aoka ny zaza hiara-miakatra amin'ireo rahalahiny. 34 Hataoko ahoana no fiakatra any amin'ny raiko, raha tsy miaraka amiko ny zaza? Aza hitako anie izany alahelo hanjo an'ikaky izany!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1118