Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Jenezy

Jenezy toko 46
Jakoba sy ny ankohonany niala tany Kanaana, dia tonga niorim-ponenana tany Ejipta.

       1Dia niainga Israely nitondra izay rehetra nananany. Nony tonga teo Bersabea izy, dia nanolotra sorona tamin'ny Andriamanitr'Isaaka rainy. 2Ary Andriamanitra niteny tamin'Israely tamin'ny fahitana nony alina, nanao hoe: Ry Jakoba! Ry Jakoba! Ka hoy ny navalin'Israely: Inty aho. 3Dia hoy Andriamanitra: Izaho no Andriamanitra mahery, dia ny Andriamanitry ny rainao. Aza matahotra ny hidina any Ejipta, fa hataoko tonga firenena lehibe hianao any. 4Izaho hiara-midina aminao any Ejipta. Izaho ihany koa no hitondra anao hiakatra indray tokoa avy any, ary ny tànan'i Josefa no hanirina ny masonao.
       5Dia niainga Jakoba ka niala tao Bersabea; ary ny zanak'Israely nametraka an'i Jakoba rainy, mbamin'ny vadiny aman-janany, teo ambonin'ny sarety nalefan'i Faraona hitondrana azy. 6Nentiny koa ny biby fiompiny sy ny fananany nohariny tany amin'ny tany Kanaana. Dia nankany Ejipta Jakoba mbamin'ny fianakaviany rehetra. 7Nentiny nankany Ejipta niaraka taminy ny zanany aman-jafiny lahy, sy ny zanany aman-jafiny vavy, mbamin'ny ankohonany rehetra.
       8Izao no anaran'ny zanakalahin'Israely tonga tany Ejipta. Jakoba sy ny zanany lahy:
       9Robena, lahimatoan'i Jakoba. Zana-dRobena: Henoka, Falo, Hersona ary Karmì. 10Zanak'i Simeona: Jamoely, Jamina, Ahoda, Jashina, Sohara ary Saola, zanak'ilay vehivavy Kananeana. 11Zanak'i Levì: Jersona, Kaata ary Merarì. 12Zanak'i Jodà: Hera, Onàna, Selà, Faresa ary Zarà; fa Hera sy Onàna maty teny Kanaana. Ny zanak'i Faresa dia Hesrona sy Hamola. 13Zanak'Isakara: Tola, Foa, Joba, ary Semrona. 14Zanak'i Zabolona: Sareda, Elona, ary Jahelela. 15Ireo no zanakalahin'i Lià, naterany tamin'i Jakoba tany Padana-Arama, ary Dinà no zanany vavy. Telo amby telopolo no isan'ny zanany lahy rehetra mbamin'ny zanany vavy.
       16Zanak'i Gada: Sefiona, Hagì, Sonì, Esbòna, Herì, Arodì ary Arelì. 17Zanak'i Asera: Jamne, Jesoaà, Jesoaì, Berià, ary Sarà anabavin'ireo. Ny zanak'i Beria dia Hebera sy Melkiela. 18Ireo no zanakalahin'i Zelfah, ankizivavy nomen'i Labàna an'i Lià, zanany vavy, ireo no naterany tamin'i Jakoba. Enina ambin'ny folo izy.
       19Zana-dRasela vadin'i Jakoba: Josefa sy Benjamina. Ny zanak'i Josefa tany amin'ny tany Ejipta, 20izay naterak'i Aseneta zanakavavin'i Potifara, mpisorona ao Ona, dia Manase sy Efraima. 21Zanak'i Benjamina: Belà, Bokora, Asbela, Jerà, Naamàna, Eshi, Rosa, Mofima, Ofima, ary Areda. 22Ireo no zanakalahin-dRasela naterany tamin'i Jakoba. Efatra ambin'ny folo izy rehetra.
       23Zanak'i Dana: Hosima. 24Zanak'i Neftalì: Jasiela, Gonì, Jesera ary Salema. 25Ireo no zanakalahin'i Balà, ilay nomen'i Labana an-dRasela zanany vavy, ireo no naterany tamin'i Jakoba. Fito izy rehetra.
       26Ny isan'izy rehetra niaraka tamin'i Jakoba nankany Ejipta, afa-tsy ny vadin-janany lahy, fa ny naloaky ny kibony ihany, dia enina amby enim-polo. 27Ny zanak'i Josefa izay naterany tany Ejipta dia roa lahy. Ary ny tontalin'ny ankohonan'i Jakoba rehetra tonga tany Ejipta dia fito-polo.
       28Dia nalefan'i Jakoba Jodà, hialoha azy ho any amin'i Josefa, hanomana ny hahatongavany any Gesena. Rahefa tonga tany Gesena Jakoba sy ny ankohonany, 29dia nampamboatra ny kalesiny Josefa ka nitaingina teo hitsena an'Israely rainy any Gesena. Niseho taminy izy, dia niantoraka ka namihina ny vozony, sy nitomany ela teo amin'ny vozony. 30Ary hoy Israely tamin'i Josefa: Tsy mampaninona ahy intsony ny ho faty amin'izao, fa efa nahita tava anao aho, ary mbola velona ihany hianao.
       31Ary hoy Josefa tamin'ireo rahalahiny sy ny ankohonan-drainy: Handeha hampandre an'i Faraona aho, ary izao no holazaiko aminy: Tonga aty amiko ny rahalahiko sy ny ankohonan'ikaky, izay tany amin'ny tany Kanaana. 32Olona mpiandry ondry izy ireo, fa biby fiompy no fananany, ary efa nentiny avokoa ny ondry sy ny ombiny ary ny fananany rehetra. 33Koa raha antsoin'i Faraona hianareo, sy anontaniany hoe: Inona no raharahanareo? 34Dia valio hoe: Biby fiompy no fanananay, izahay mpanomponao, hatramin'ny fahazazanay ka mandrak'ankehitriny; tahaka ny razanay koa. Fa izany no hahazoanareo monina amin'ny tany Gesena, satria fahavetavetana amin'ny Ejipsiana ny mpiandry ondry rehetra. >