Ny Jenezy
Jenezy toko 48
Jakoba manangana ny zanak'i Josefa roa lahy ho isan-janany sy mitsodrano azy.
1Toarian'izany nisy tonga nilaza tamin'i Josefa hoe: Indro marary rainao. Nentiny niaraka taminy Manase sy Efraima zanany mirahalahy. 2Dia nilazana Jakoba natao hoe: Indro tamy Josefa zanakao, ho atý aminao. Ka naka hery Israely niarina teo ambony farafarany. 3Ary hoy Jakoba tamin'i Josefa: 4Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra dia efa niseho tamiko tany Loza, any amin'ny tany Kanaana ary nitso-drano ahy, nanao hoe: Hahamaro anaka anao aho, hampitombo anao aho, hahatonga anao ho firenena maro aho, ary homeko ny taranakao mandimby anao ity tany ity, hananany azy mandrakizay. 5Koa ankehitriny, ny zanakao roa lahy izay naterakao tatý Ejipta, talohan'ny nahatongavako atý aminao teto Ejipta, dia ho ahy, ho ahy, tahaka an-dRobena sy Simeona koa Efraima sy Manase, 6fa ny zanakao izay naterakao taorian'ireo dia ho anao; ary amin'ny anaran'ireo rahalahiny ihany no hiantsoana azy raha ny amin'ny anjara lovany. 7Ary izaho fony niverina avy any Padana dia maty teo anatrehako teny an-dàlana Rasela tany amin'ny tany Kanaana, efa mby lavitra akaiky an'i Efratà, ka dia naleviko teo, amin'ny làlana mankany Efratà, dia Betleema izany.
8Nony nahita iretsy zanak'i Josefa Israely dia nanontany hoe: Iza moa ireto? 9Ka hoy Josefa tamin-drainy: Ireo no zanako nomen'Andriamanitra ahy tatý. Ary hoy izy: Mba ampandrosoy kely ho eto anilako izy, hotsofiko rano. 10Fa efa nanjavona ny mason'Israely noho ny fahanterana, ka tsy nahita. Dia nampandrosoin'i Josefa nankeo anilany ireo ka sady nanoroka no namihina azy Israely. 11Ary hoy Israely tamin'i Josefa hoe: Tsy nanampò hahita tava anao intsony aho, kanjo indro ataon'Andriamanitra mahita ny taranakao aza. 12Nesorin'i Josefa hiala teo anelanelan'ny lohali-drainy aloha izy mirahalahy, dia niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany izy; 13dia noraisin'i Josefa izy mirahalahy, Efraima tamin'ny an-kavanany, ho eo ankavian'Israely; ary Manase tamin'ny an-kaviany, ho eo ankavanan'Israely, dia nampandrosoiny izy ireo. 14Natsotran'Israely ny tànany havanana, ka napetrany tamin'ny lohan'i Efraima izay zandriny; ary ny tànany havia tamin'ny lohan'i Manase; niniany natao toy izany ny tànany, fa Manase no zokiny. 15Dia nitso-drano an'i Josefa izy, ka nanao hoe: Enga anie ka ilay Andriamanitra izay teo anatrehany no nandehanan'i Abrahama sy Isaaka razako, ilay Andriamanitra izay namelona ahy hatrizay niainako ka mandrak'ankehitriny; 16ary ilay anjely namonjy ahy ho afaka tamin'ny loza rehetra hitso-drano an'ireto zaza ireto. Aoka hantsoina amin'ny anarako, sy amin'ny anaran'i Abrahama sy Isaaka razako izy; ary hitombo ho maro dia maro, eo amin'ny tany.
17Nony hitan'i Josefa fa napetra-drainy tamin'ny lohan'i Efraima ny tànany havanana, dia tsy sitrany izany, ka nalainy ny tanan-drainy hesoriny eo ambonin'ny lohan'i Efraima hatao eo amin'ny an'i Manase. 18Ary hoy Josefa tamin-drainy: Tsy izao no izy, ry ikaky, fa ity no lahimatoa ka apetraho eo amin'ny lohany ny tànanao havanana. 19Tsy nety anefa rainy fa hoy izy: Fantatro ihany anaka, fantatro ihany. Ho tonga firenena koa izy, ho tonga lehibe koa izy, kanefa ho lehibe noho izy ny zandriny, ary ho tonga firenena maro ny taranany. 20Dia nitso-drano azy ireo izy, tamin'izany andro izany, ka nanao hoe: Aminao no hitsofan'Israely rano, hoe: Hataon'Andriamanitra tahaka an'i Efraima sy Manase anie hianao. Toy izany no nanaovany an'i Efraima ho alohan'i Manase.
21Ary hoy Israely tamin'i Josefa: Indro aho efa ho faty. Kanefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo ho any amin'ny tanin-drazanareo indray. 22Ary omeko ho tombon-dahinao amin'ireo rahalahinao ny zaratany anankiray, izay nalaiko tamin'ny sabatro sy ny tsipikako, teo an-tànan'Amoreana. >