Ny Jenezy

Toko faha-49

1 Ary Jakoba namory ny zanany lahy, ka nanao taminy hoe: Mivoria hianareo, fa hambarako aminareo izay ho tonga aminareo any am-parany any:

2 Mivoria, ry zanakalahin'i Jakoba, ka mihainoa: Mihainoa an'Israely rainareo.

3 Robena ô, hianao lahimatoako. Heriko sy voalohan-teraky ny tanjako, ka manan-tombom-boninahitra, manan-tombom-pahefana,

4 nandroadroatra toy ny rano hianao, ka tsy hanana ny fiamboniana! Fa niakatra tamin'ny fandrian-drainao hianao, Ka nandoto ny fandriako tamin'ny niakaranao tao.

5 Simeona sy Levì dia mpirahalahy, Fiadiana enti-manao an-kery ny sabany.

6 Aza miditra amin'ny fivoriany fakan-kevitra ny fanahiko, Fa nanao vonoan'olona tamin'ny fahatezerany izy, ary nahatraingo ombalahy tamin'ny fisafoahany.

7 Ho voaozona anie ny fahatezerany, fa nasiaka izany; ary koa ny fahavinirany, fa loza izany. Hizarazara azy amin'i Jakoba aho, ary hampihahaka azy amin'Israely.

8 Ry Jodà, hianao hoderain'ny rahalahinao; ny tànanao ho eo amin'ny vozon'ny fahavalonao; ny zanaky ny rainao hiankohoka eo anatrehanao.

9 Liona tanora Jodà: Niakatra avy nandripaka hianao, anaka; Nanongalika izy, dia nanao fandrin-diona, Fandrin-diom-bavy, zovy no hanaitra azy?

10 Tsy hiala amin'i Jodà ny tehim-panjakana, Tsy hiala eo anelanelan'ny tongony ny tehina fanapahana, Mandra-pihavin'i Silao: Izy no hotoavin'ny firenena.

11 Mamatotra ny zanak'ampondrany amin'ny voaloboka izy ary ny zanak'ampondravaviny amin'ny tahom-boaloboka. Sadàny amin'ny divay ny fitafiany, ary amin'ny ran'ny voaloboka ny kapaotiny.

12 Mena ny masony azon'ny divay, Ary fotsy ny nifiny azon'ny ronono.

13 Zabolona monina amoron-dranomasina, Dia eo amoron'ny fitodian-tsambo, Mifanolotra amin'ny Sidona ny sisin-taniny.

14 Isakara dia ampondra tomady, Mandry eo anatin'ny valany;

15 Hitany fa tsara ny fialan-tsasatra, Sady mahafinaritra ny tany, Dia nahilany hitondra entana ny sorony, Ka tonga mpanompo mandoa hetra izy.

16 Dana dia mitsara ny olony, Tahaka ny hafa rehetra amin'ny fokon'Israely.

17 Bibilava eo an-dàlana Dana, Menarana eo an-tsakeli-dàlana izy; Kakeriny ny kitrokelin-tsoavaly, Mba hitatavoka mitsilany ny mpitaingina azy,

18 Ny famonjenao no antenaiko, ry Iaveh!

19 Gada dia poritin'andian'olona mitam-piadiana; Nefa mba poritiny amin'ny ombalahin-tongony koa indray ireny.

20 Asera no ihavian'ny hanina matsiro, Izy no mamonona ny hanim-py ho an'ny mpanjaka.

21 Neftalì dia serfavavy mikarenjy; Mamoaka teny mahafinaritra izy.

22 Josefa no solofon-kazo mahavokatra, Solofon-kazo mahavokatra amoron-doharano izy; Misandratra tafahoatra ny tamboho ny rantsany.

23 Mihaika azy ny mpandefa zana-tsipìka, Mandefa zana-tsipìka aminy sy mamely azy,

24 Mateza hery anefa ny tsipìkany, Tonga mailaka ny sandry aman-tànany, Avy amin'ny tànan'ilay maherin'i Jakoba, Ilay Mpiandry sy Vatolampin'Israely.

25 Avy any amin'Andriamanitry ny rainao - hitahy anao anie izy! Sy avy any amin'ilay mahefa ny zavatra rehetra - hanisy soa anao anie izy! No hahazoanao ny tso-drano avy amin'ny lanitra ambony, Ny tso-drano avy amin'ny hantsana lalina ambany, Ny tso-drano avy amin'ny nono aman-kibon-dreny,

26 Ny tso-dranon-drainao mihoatra, Ny tso-dranon'ny tendrombohitra fahagola, Sy ny hatsaran-tarehin'ny havoana mandrakizay. Ho eo an-dohan'i Josefa anie izany, Dia ho eo an-kandrin'ilay andrian'ny rahalahiny!

27 Benjamina dia amboadia mamiravira; Maraina izy homan-dremby, Hariva izy mizara babo.

28 Ireo rehetra ireo no nihavian'ny foko roa ambin'ny folon'Israely; toy izany no nolazain-drainy taminy sy nitsofany rano azy. Notsofiny rano samy araka ny tso-dranony manokana avy izy.

29 Rahefa izany, izao no hafatra napetrany tamin'izy ireo: Efa hakambana any amin'ny razako aho izao, ka aleveno any amin'ny razako, anatin'ny zohy izay ao amin'ny sahan'i Efrona, Heteana;

30 anatin'ny zohy amin'ny saha Makpelà, tandrifin'i Mambre, any amin'ny tany Kanaana: dia izay novidin'i Abrahama mbamin'ny saha, tamin'i Efrona, Heteana, hananany fasana ho azy. 31 Tao no nandevenana an'i Abrahama sy Sarà vadiny. Tao no nandevenana an'Isaaka sy Rebekà vadiny. Ary tao no nandevenako an'i Lià. 32 Tamin'ny taranak'i Heta, no nividianana ny saha mbamin'ny zohy ao aminy. 33 Nony avy nametraka ny didiny tamin'ireo zanany lahy Jakoba, navonkiny teo am-parafara ny tongony dia niala aina izy, ka voangona any amin'ny razany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1232