Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Jenezy

Jenezy toko 6, 5-8.7

       <5Hitan'ny Tompo fa be ny faharatsian'ny olona tambonin'ny tany, ary ny ratsy ihany no alehan'ny fisainana rehetra avy amin'ny fony isan'andro. 6Ka nanenina Iaveh tamin'ny nahariany ny olombelona tambonin'ny tany; ary nalahelo tao am-pony izy, 7ka hoy izy hoe: Haringako tsy ho eo ambonin'ny tany ny olombelona nohariko, hatramin'ny olombelona ka hatramin'ny biby fiompy, ny biby mikisaka sy ny voro-manidina, fa manenina aho noho ny nanaovako azy. 8Noe kosa anefa dia nahita fitia teo imason'ny Tompo. >