Ny Jenezy

Toko faha-8

1 Ary Andriamanitra nahatsiaro an'i Noe sy ny biby ary ny biby fiompy rehetra izay niaraka taminy tao an-tsambo fiara; ary Andriamanitra nandefa rivotra tamin'ny tany ary nihena ny rano;

2 nikatona ny loharanon'ny hantsana sy ny vavahadin-dranon'ny lanitra; ary nitsahatra tsy nilatsaka avy any an-danitra ny ranonorana. 3 Nisintona tsikelikely teo ambonin'ny tany ny rano nandroso nihemotra, ka nony afaka dimam-polo amby zato andro, dia nietry izy. 4 Ary tamin'ny volana fahafito, andro fahafito ambin'ny folon'ny volana, dia niantsona teo ambonin'ny tendrombohitra Ararata ny sambo fiara. 5 Nihena niandalandalana ny rano, hatramin'ny volana fahafolo, ary tamin'ny andro voalohan'ny volana fahafolo dia niseho ny tampon-tendrombohitra. 6 Nony afaka efa-polo andro, Noe dia namoha ny varavarankely nataony tamin'ny sambo fiara,

7 ka nandefa ny goaika izay lasa nivaoka nefa niverimberina teo, mandra-paharitra ny rano tambonin'ny tany. 8 Ny voromailala indray no nalefany hiala teo aminy, hahitany na efa nihena ny rano tambonin'ny tany na tsia. 9 Tsy nahita izay hipetrahan'ny faladiany anefa ny voromailala, ka niverina nankeo amin'i Noe teo amin'ny sambo fiara, fa mbola nisy rano hatraiza hatraiza tambonin'ny tany. Dia naninjitra ny tànany izy ka nandray azy sy nampiditra azy ho ao aminy, ao anatin'ny sambo fiara. 10 Mbola niandry hafitoana indray izy, vao nandefa fanindroany ny voromailala ho any ivelan'ny sambo fiara. 11 Ary niverina nankeo aminy ny voromailala nony harivariva, ary indro ravin'oliva nilenodenoka anankiray teny am-bavany, ka fantatr'i Noe fa efa tsy voasaron'ny rano intsony ny tany. 12 Mbola niandry hafitoana indray izy dia nandefa ny voromailala ary tsy niverina nankeo aminy intsony izy. 13 Tamin'ny taona faharaika amby enin-jato, tamin'ny volana voalohany, andro voalohan'ny volana, dia ritra ny rano teo ambonin'ny tany. Nesorin'i Noe ny tafon'ny sambo fiara, dia nijery izy, ka hitany fa efa maina ny vohon'ny tany. 14 Ary tamin'ny volana faharoa, andro fahafito amby roa-polon'ny volana, dia maina ny tany. 15 Ary tamin'izay dia niteny tamin'i Noe Andriamanitra nanao hoe:

16 Mivoaha amin'ny sambo fiara hianao sy ny vadinao, ny zanakao lahy sy ny vinantovavinao miaraka aminao. 17 Ento mivoaka miaraka aminao koa ny biby rehetra isan-karazany izay ao aminao, na vorona, na biby fiompy, ary ny biby rehetra mikisaka amin'ny tany: aoka hiely amin'ny tany ireny, ka ho maro anaka sy hihabetsaka eny ambonin'ny tany. 18 Dia nivoaka Noe, izy sy ny zanany sy ny vadiny sy ny vinantovaviny. 19 Ary nivoaka avy tao an-tsambo fiara ny biby rehetra, ny biby mikisaka rehetra mbamin'ny vorona rehetra, dia izao zava-mihetsiketsika rehetra eto ambonin'ny tany izao, samy araka ny karazany avy. 20 Ary Noe dia nanorina otely ho an'ny Tompo, ka naka tamin'ny biby madio rehetra mbamin'ny vorona madio rehetra, dia nanolotra sorona dorana teo ambony otely.

21 Dia nandre hanitra mahafinaritra Iaveh ka Iaveh nanao anakampo hoe: Tsy hanozona intsony ny tany aho noho ny olona; fa ratsy hatramin'ny fahatanorany ny fisainan'ny fon'ny olombelona; ary tsy mba hamono ny zavatra manan'aina rehetra toy izay nataoko izay intsony aho. 22 Amin'izao sisa izao, raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy ho tapaka ny famafazana sy ny fijinjana, ny hatsiaka sy ny hafanàna, ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny alina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0467