Bokin'i Jeremia
Jeremia toko 1
Lohateny - Fiantsoana an'i Jeremia ho mpaminany.
1Tenin'i Jeremia, zanak'i Helkiasy, iray amin'ireo mpisorona any Anatota, amin'ny tanin'i Benjamina. 2Natao taminy ny tenin'ny Tompo tamin'ny andron'i Josiasa, zanak'i Amona, mpanjakan'i Jodà, tamin'ny taona fahatelo ambin'ny folo nanjakany; 3sy tamin'ny andron'i Joakima, zanak'i Josiasa mpanjakan'i Jodà, hatramin'ny faran'ny taona faharaika ambin'ny folo, nanjakan'i Sedesiasa zanak'i Josiasa, mpanjakan'i Jodà, hatramin'ny nambaboana an'i Jerosalema, tamin'ny volana fahadimy.
4Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:
5Efa fantatro talohan'ny namoronana anao tao am-bohoka hianao,
ary raha mbola tsy naloaky ny kibon-dreninao hianao, dia efa nohamariniko;
notendreko ho mpaminany ho an'ny firenena.
6Dia hoy aho:
Indrisy, Iaveh Tompo ô, tsy mahay miteny aho fa zaza.
7Fa hoy Iaveh tamiko:
Aza manao hoe: Zaza aho,
fa handeha ho any amin'izay rehetra anirahako anao hianao,
ary hilaza izay rehetra handidiako anao.
8Aza manana izay tahotra akory hianao eo anatrehan'izy ireo,
fa momba anao hamonjy anao aho,
- teny marin'ny Tompo!
9Dia naninjitra ny tànany Iaveh, ka nanendry ny vavako, ary hoy Iaveh tamiko:
Indro ataoko eo am-bavanao ny teniko;
10ary indro aho anio manendry anao,
ho eo amin'ny firenena amam-panjakana,
hanongotra sy hanjera,
hamery sy handrava,
hamboly sy hanorina.
11Dia izao no tenin'ny Tompo natao tamiko:
Inona no hitanao, ry Jeremia?
ary hoy aho:
Mahita rantsan'ny amandie aho.
12Ka hoy Iaveh tamiko:
Nahita tsara hianao, fa mahatsiaro
ny teniko aho, hanatanterahako azy.
13Dia tonga tamiko fanindroany ny tenin'ny Tompo nanao hoe:
Inona no hitanao?
Ary hoy aho:
Mahita vilany mangotraka aho;
ary avy any amin'ny lafiny avaratra no hiaviany.
14Ka hoy Iaveh tamiko:
Avy any avaratra no hiroatan'ny loza
hanjo ny mponina rehetra amin'ny tany.
15Fa inty aho miantso ny fianakaviana rehetra amin'ny fanjakana any avaratra,
- teny marin'ny Tompo.
Ka ho avy izy, ary samy hametraka ny seza fiandrianany
eo am-pidiran'ny vavahadin'i Jerosalema,
eo anoloan'ny mandany rehetra manodidina,
ary eo anoloan'ny tanànan'i Jodà rehetra.
16Dia hamoaka ny didim-pitsarana hanameloka azy ireo aho,
noho ny haratsiany rehetra, fa nandao ahy izy ireo,
dia nanolotra emboka tamin'andriamani-kafa,
ary nivavaka tamin'ny asan-tànany. 17Fa hianao kosa: misikìna,
mitsangàna ary lazao aminy
izay rehetra handidiako anao.
Aza mangovitra eo anatrehany,
fandrao ataoko mangovitra eo anatrehany hianao.
18Indro aho anio manao anao ho tanàna mimanda,
andry vy ary manda varahana,
eo anatrehan'ny tany rehetra,
eo anatrehan'ny mpanjakan'i Jodà, sy ny mpanapaka eo aminy,
eo anatrehan'ny mpisorony, eo anatrehan'ny vahoakany.
19Hiady aminao izy ireo,
nefa tsy hahefa na inona na inona aminao,
satria momba anao aho,
hamonjy anao aho; - teny marin'ny Tompo. >