Bokin'i Jeremia
Jeremia toko 11
Nivadi-panekena - Ny mpaminany enjehin'ireo miara-monina aminy.
1Ny teny avy amin'ny Tompo natao tamin'i Jeremia toy izao:
2Mihainoa ny teny amin'izao fanekena izao, hianareo;
ary mitenena amin'ny olona any Jodà,
sy amin'ny mponina ao Jerosalema,
3ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo, Andriamantr'Israely:
Ho voaozona ny olona tsy mihaino
ny tenin'ity fanekena ity,
4izay nandidiako ny razanareo,
tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy any amin'ny tany Ejipta,
avy any amin'ny memim-by, nanaovako taminy hoe:
Henoy ny feoko ary ataovy izany zavatra izany,
araka izay rehetra andidiako anareo,
dia hianareo ho oloko,
ary izaho ho Andriamanitrareo;
5mba hanatanterahako ny fianianana,
nataoko tamin'ny razanareo,
dia ny hanomezako azy tany tondra-dronono sy tantely,
araka izao hita anio izao.
Ary izao no navaliko: Eny! Ry Iaveh ô!
6Dia hoy Iaveh tamiko:
Torio any an-tanànan'i Jodà sy eny an-dàlamben'i Jerosalema
izany teny rehetra izany ka ataovy hoe:
Henoy ny teny amin'ity fanekena ity,
ka tanteraho amin'ny asa izany.
7Fa ny razanareo efa nanariko mafy;
hatramin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy any amin'ny tany Ejipta,
ka mandraka androany;
tsy nitsahatra ny nananatra azy ireo aho nanao hoe:
Henoy ny feoko!
8Kanefa izy ireo tsy nihaino na nanongilan-tsofina;
fa samy nandeha nanaraka ny ditran'ny fo ratsiny;
ka dia notanterahako taminy ny teny rehetra amin'ity fanekena ity,
izay nandidiako azy hotandremany;
nefa tsy notandremany.
9Hoy Iaveh tamiko:
Nisy firaisan-tetika hikomy tao amin'ny olon'i Jodà,
sy amin'ny mponin'i Jerosalema.
10Fa izy ireo niverina ho amin'ny heloky ny razany,
izay nandà tsy hihaino ny teniko;
ka lasa nanaraka ireo andriamani-kafa, mba hanompo ireny.
Samy nivadika ny fanekena nataoko tamin'ny razany,
ny taranak'Israely sy ny taranak'i Jodà.
11Noho izany, izao no lazain'ny Tompo:
Indro aho hahatonga loza aminy,
tsy ho azony idifiana.
Ka na hitaraina amiko aza izy, tsy ho henoiko akory.
12Dia hiainga ny tanànan'i Jodà sy ny mponina ao Jerosalema
hiantso an'ireo andriamanitra
anaterany emboka manitra;
nefa ireo andriamanitra ireo tena tsy hahavonjy azy akory,
amin'ny andron'ny fahoriany.
13Fa araka ny isan'ny tanànanao,
no isan'ny andriamanitrao, ry Jodà;
ary araka ny isan'ny làlambe ao Jerosalema,
no isan'ny otely natsanganareo ho an'ilay sampy maha-afabaraka,
dia ireo otely anaterana emboka manitra ho an'i Baala.
14Ary hianao, aza mifona ho an'ity firenena ity,
na manandra-pitarainana amam-bavaka ho azy;
fa tsy hihaino azy akory aho, raha avy izay hitarainany amiko,
amin'ny andron'ny fahoriany.
15Inona no hataon'ny malalako ao an-tranoko?
Fihatsaram-belatsihy va?
Moa va ny voady aman-kena masina,
hahafaka anao amin'ny loza manindry anao,
no mety mirobiroby amin'ny firavoravoana hianao?
16Fototr'oliva maitso tsara, miravaka voa tsara tarehy,
no anarana nomen'ny Tompo anao.
Ary tamin'ny horakoraka be,
no nandrehetrany afo taminy,
ka tapaka ny rantsany.
17Iavehn'ny tafika izay namboly anao,
no nandidy ny loza hanjo anao.
Noho ny ratsy nataon'ny taranak'Israely
sy ny taranak'i Jodà,
izay nataony hihantsy ny hatezerako,
tamin'ny fanaterana emboka manitra ho an'i Baala.
18Nampahalalain'ny Tompo aho, ka nahalala; ...
nampahafantarinao ahy tamin'izay ny ataon'izy ireo!
19Izaho, tamin'izany, hoatra ny zanak'ondry bonaika
entin'ny olona hovonoina,
ka tsy nahalala ny tetika nataony hamelezana ahy hoe:
Fongory mbamin'ny voany ny hazo!
Esory eo amin'ny tanin'ny velona izy,
ary aoka tsy ho tsaroana intsony ny anarany!
20Mitsara ara-drariny anefa Iavehn'ny tafika;
mamantatra ny voa sy ny fo izy.
Ka hahita ny famalianao azy ireo aho,
fa hianao no efa nanankinako ny adiko.
21Ka dia izao no lazain'ny Tompo,
ny amin'ireo olona ao Anatota,
izay mitady ny ainao, sy manao hoe:
Aza maminany amin'ny anaran'ny Tompo,
raha tsy te ho fatin'ny tànanay hianao!
22Noho izany, izao no lazain'ny Tompon'ny tafika:
Indro aho hamay azy ireo,
ny zatovo, ho fatin'ny sabatra;
ny zanany lahy aman-janany vavy, ho faty mosary;
ary tsy hisy miangana aminy;
23fa hahatonga loza amin'ny olona ao Anatota aho,
amin'ny taona hamangiako azy. >