Bokin'i Jeremia

Toko faha-12

1 Marina hianao, ry Iaveh ô, ka tsy afaka hiady hevitra aminao aho; fa hany tiako horesahina aminao, dia ny amin'ny rariny: Nahoana no ambinina ny làlan'ny ratsy fanahy? Nahoana no velona amim-piadanana ny mpivadika rehetra?

2 Ambolenao izy, dia latsa-paka, mitombo, mamoa; akaiky ny vavany hianao, fa lavitra ny fony.

3 Ary hianao, ry Iaveh, mahalala ahy, mahita ahy, sady mizaha ny toetry ny foko ny aminao. Alao hoatra ny ondry entina ho vonoina ireny, ary atokany ho amin'ny andro famonoana.

4 Mandra-pahoviana no hisaonan'ny tany, sy hahalazo ny ahitra eo amin'ny saha rehetra? Noho ny haratsian'izay monina eo dia maty avokoa ny biby amam-borona, fa hoy izy ireo: Tsy hahita ny hiafarantsika izy!

5 Raha ny mandeha an-tongotra, iarahanao mihazakazaka aza, mahavoa anao; hataonao ahoana no fifaninanana amin'ny an-tsoavaly? Raha ny tany nandry fahizay no hany anananao toky, hanao ahoana hianao, raha sendra ny liona eny amoron'i Jordany?

6 Fa na ny rahalahinao amam-pianakavian-drainao aza, mamadika anao; ireny aza miantsoantso mafy avy eo aorianao; aza mino azy, na manao teny malefaka aminao aza izy.

7 Nilaozako ny tranoko, nafoiko ny lovako; izay tiako dia natolotro ho eo an-tànan'ny fahavaloko.

8 Zary toa liona an'ala ho ahy ny lovako, nanandra-peo manerona ahy izy, ka tonga halako.

9 Papango sadasada va ity lovako, ka ifandafaran'ny papango avy hatraiza hatraiza? Avia hianareo, angony ny biby rehetra eny an-tsaha, ka ento ireny hihinana!

10 Mpiandry ondry maro no nanimba ny tanim-boaloboko, nanosihosy ny taniko; nanova ny anjara mamiko ho efitra, ho tany lao.

11 Nataony rava izany, ka indro fa lao dia misaona eo anatrehako; simba avokoa ny tany, satria tsy misy mandatsaka izany am-po.

12 Ny havoana rehetra any an'efitra dia ahatongavan'ny mpandrava avokoa, fa Iaveh manan-tsabatra mandevona amin'ny tany rehetra hatraiza hatraiza; tsy misy famonjena ho an'ny nofo rehetra na iza na iza.

13 Vary no nafafiny, fa tsilo no jinjainy; nandany ny herim-pony, fa aim-bery foana izany. Menara amin'ny vokatra azonareo; avy amin'ny firehetan'ny hatezeran'ny Tompo izany.

14 Izao no lazain'ny Tompo amin'ireo ratsy fanahy rehetra mifanolotra amiko, izay mandramatra ny lova nomeko an'Israely vahoakako: Indro hongotako hiala amin'ny taniny izy ireo; ary hongotako hiala amin'izy ireo koa ny taranak'i Jodà.

15 Saingy rahefa voaongotro, dia hiantrako indray izy ireo. Ka samy ho entiko ho any amin'ny lovany, samy ho any amin'ny taniny avy.

16 Ary raha mianatra ny lalan'ny vahoakako izy, ka amin'ny anarako no hianianany hoe: Velona Iaveh! toy ny nampianarany ny vahoakako hianiana amin'ny anaran'i Baala, dia ho voaorina eo amin'ny vahoakako izy.

17 Fa raha tsy mihaino kosa, dia hongotako izany firenena izany, hongotako sy haringako izy, - teny marin'ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1154