Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Jeremia

Jeremia toko 15
Tsy hamindra fo Andriamanitra - Fitarainan'ny mpaminany noho ny fanenjehan'ny olona azy.

       1Fa izao no navalin'ny Tompo ahy:
Na Moizy sy Samoela aza no hitsangana eto anatrehako,
dia tsy hitodika ity firenena ity ny fanahiko;
roahy hiala eo anatrehan'ny tavako izy, ka aoka handeha!
       2Ary raha tahiny izy manao hoe: Ho aiza anefa izahay?
dia izao no holazainao aminy: Izao no tenin'ny Tompo:
Ny ho amin'ny fahafatesana, ho any amin'ny fahafatesana;
ny ho amin'ny sabatra, ho any amin'ny sabatra;
ny ho amin'ny mosary, ho any amin'ny mosary;
ny ho amin'ny fahababoana, ho any amin'ny fahababoana.
       3Ary loza efatra karazana no haingaiko hamely azy,
- teny marin'ny Tompo
dia ny sabatra hamono,
ny amboa hamiravira,
ny voromanidina, amam-bibin'ny tany,
hihinana sy handringana.
       4Hataoko ho zavatra maharikoriko hàlan'ny fanjakana rehetra amin'ny tany izy ireo
noho ny amin'i Manase, zanak'i Ezekiasa, mpanjakan'i Jodà,
dia noho ny nataony tany Jerosalema.
       5Iza ary no hiantra anao, ry Jerosalema?
Zovy no higogogogo noho ny manjo anao?
Zovy no hivily làlana,
hanontany ny amin'ny toetranao?
       6Efa nakifikao aho, - teny marin'ny Tompo,
ka lasa nihemotra any hianao;
ka indro kosa aho maninjitra ny tanako aminao handringana anao,
fa efa sasatry ny mamindra fo aho.
       7Hokororohako amin'ny sahafa fikororohana
eo amin'ny vava-tany izy;
hofoanako anaka, ary haringako ny vahoakako;
fa tsy mety miverina hiala amin'ny làlany izy.
       8Ho maro ny mpitondratenany, mihoatra noho ny fasika eny an-dranomasina.
Hitondra mpandringana ho ao aminy aho, ao amin'ny renin'ny mpiady tanora
amin'ny mitataovovonana.
Hataoko mirotsaka aminy tampoka
ny ahiahy mafy sy ny vadi-po.
       9Mahatsiaro reraka ny reny niteraka fito,
efa hiala aina izy;
milentika mbola antoandro ny masoandrony;
mangaihay sy safo-kenatra izy.
Izay sisa tavela aminy, hatolotro ho voan'ny sabatra
eo anoloan'ny fahavalony, - teny marin'ny Tompo.
       10Loza ho ahy, ry neny, ny niterahanao ahy,
mba ho olona filana ady amam-pifandirana amin'ny tany rehetra aho.
Tsy mba nisambotra na inona na inona aho, tsy nampisambotra na inona na inona tamiko izy,
nefa manozona ahy avokoa izy rehetra!
       11Dia hoy Iaveh: Hanamafy anao aho mba hahasoa anao;
hataoko tonga hifona aminao tokoa ny fahavalonao,
amin'ny andron'ny loza amam-pahoriana.
       12Moa ny vy va, mahatapaka ny vy tavaratra sy ny varahana?
       13Hatolotro ho babo maimaim-poana ny rakitra amam-panananao,
noho ny fahotanao rehetra, sy eo amin'ny faritaninao rehetra;
       14ary hafindrako miaraka amin'ny fahavalonao,
ho any amin'ny tany tsy fantatrao;
fa nisy afo nirehitra tamin'ny fahatezerako;
dia hirehitra eo amboninareo izy.
       15Mahalala izany hianao, ry Iaveh! Tsarovy aho, ahio aho,
ary valio izay manenjika ahy.
Aza alainao eto an-tany aho, noho ny fandeferanao azy;
fantaro fa noho ny aminao ihany no itondrako latsa.
       16Vao tonga teo anatrehako ny teninao,
dia nohaniko;
zary hafaliako amam-piravoravoan'ny foko,
satria nantsoina tamiko ny anaranao,
ry Iaveh, Andriamanitry ny tafika ô!
       17Tsy mba nipetraka teo amin'ny fivorian'ny mpihomehy aho,
mba hiaranako amin'ny firavoravoana;
fa nipetraka nanirery teo ambanin'ny tànanao aho,
satria nofenoinao hatezerana.
       18Nahoana no dia tsy misy farany ny fijaliako,
ary manaintaina ny feriko,
sady tsy mety sitrana?
Moa ho tahaka ny rano mamitaka ho ahy va hianao,
ho tahaka ny rano tsy azo itokiana?
       19Koa izao no lazain'ny Tompo:
Raha miverina amiko hianao, dia hampodiko indray;
hitsangananao eo anatrehan'ny tavako;
ary raha manavaka izay sarobidy amin'izay tsinontsinona hianao,
dia ho tahaka ny vavako;
ary izy ireo hiverina hanatona anao;
fa tsy hianao no hiverina hanatona azy.
       20Hataoko manda varahana mafy
ho an'ity vahoaka ity hianao;
hiady aminao izy, nefa tsy hahavoa anao akory;
satria homba anao aho, hamonjy,
sy hanafaka anao, - teny marin'ny Tompo.
       21Hanafaka anao amin'ny tànan'ny ratsy fanahy aho,
ary hanavotra anao amin'ny tànan'ny mpanao an-keriny. >