Bokin'i Jeremia
Jeremia toko 16
Ny tsy fanambadian'ny mpaminany sy ny anton'izany; tokony hihataka amin'ny fety amam-pisaonan'ny firenena meloka sy voaheloka izy - Ho mafy ny famaizana, nefa hombam-pamonjena miharihary.
1Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo manao hoe:
2Aoka hianao tsy haka vady,
ary tsy hanana zanakalahy na zanakavavy
amin'ity tany ity:
3Fa izao no tenin'ny Tompo:
Ny amin'ny zanakalahy aman-janakavavy,
teraka amin'ity tany ity;
ny amin'ny reny miteraka azy,
sy ny amin'ny rainy miteraka azy,
amin'ity tany ity.
4Izy ireo dia ho fatin'ny areti-mahafaty;
tsy hitomaniana na halevina,
ho tahaka ny zezika eo ambonin'ny tany.
Ho fatin'ny sabatra ama-mosary;
ary ny fatiny ho fihinan'
ny voromanidina amam-bibin'ny tany.
5Satria izao no lazain'ny Tompo:
Aza miditra amin'ny trano misy fisaonana,
aza mandroso hitomany sy higogogogo miaraka amin'izy ireo;
fa ny fiadanako dia efa nesoriko
tamin'ity firenena ity, - teny marin'ny Tompo,
nesoriko taminy ny famindram-poko amam-piantrako.
6Amin'ity tany ity, na ny lehibe na ny kely, ho faty avokoa,
nefa tsy hisy levenana na fitomaniana ho azy;
tsy hisy hiteti-tena
na hibory noho ny aminy ny olona.
7Ny olona tsy hizara aminy ny fahan-kanina amin'ny fisaonana,
ho fampiononana azy raha mana-maty;
ary tsy hampisotro azy ny kapoaka fampiononana
noho ny amin'ny ray na ny reny.
8Aza mankeny amin'ny trano fanasana hianao,
mba hiara-mipetraka aminy,
hihinana sy hisotro.
9Fa izao no lazain'ny Tompon'ny tafika,
Andriamanitr'Israely:
Indro hatsahatro amin'ity tany ity,
eo imasonareo sy amin'ny andronareo,
ny hobim-pifaliana sy ny hobim-piravoravoana,
ny hiran'ny mpampakatra, aman-kiran'ny ampakarina.
10Rahefa lazainao amin'ity vahoaka ity,
ireo zavatra rehetra ireo, dia hiteny aminao izy hanao hoe:
Ahoana Iaveh no mampandre anay mialoha
izany loza lehibe rehetra izany?
Inona ny helokay, ary inona no fahotanay,
izay nataonay tamin'ny Tompo Andriamanitray?
11Dia izao no holazainao azy:
Noho ny nahafoizan'ny razanareo ahy,
- teny marin'ny Tompo;
sy andriamani-kafa no narahin'ireny,
notompoiny, nivavahany;
fa izaho nilaozany, ny lalàko tsy notandremany.
12Hianareo indray nanao ratsy mihoatra noho ny razanareo aza;
ka indro fa samy manaraka ny haratsian'ny fo ratsinareo hianareo,
mba tsy hihaino ahy.
13Ka hariako any ivelan'ity tany ity hianareo;
ho any amin'ny tany tsy fantatrareo,
na hianareo na ny razanareo;
ary hianareo hanompo ny andriamani-kafa
andro aman'alina;
fa tsy hamindra fo aminareo aho.
14Noho izany indro avy ny andro,
- teny marin'ny Tompo,
izay tsy hanaovana intsony hoe: Velona Iaveh!
izay nitondra ny zanak'Israely niakatra
avy any amin'ny tany Ejipta;
15fa hoe kosa: Velona Iaveh, izay nitondra ny zanak'Israely hiakatra
avy any amin'ny tany avaratra,
sy avy any amin'ny tany rehetra nandroahany azy.
Fa hampodiko amin'ny tany
efa nomeko ny razany izy.
16Indro aho miantso mpanarato an-kamaroany,
- teny marin'ny Tompo, - ka hanarato azy ireo izy.
Manarak'izany, hiantso mpihaza an-kamaroany aho,
ka hihaza azy hiala any an-tendrombohitra rehetra
ary eny an-tsefatsefaky ny harambato eny.
17Fa eny amin'ny làlany rehetra ny masoko,
ka tsy miafina eo anatrehan'ny tavako izany;
ary tsy takona amin'ny fijeriko ny helony.
18Ary voalohany aloha, dia hovaliako avo sasaka
ny heloka amam-pahotany;
satria izy ireo nandoto ny taniko,
ny fatin-tsampiny sy ny fahavetavetany
no namenoany ny lovako.
19Ry Iaveh, heriko ama-mandako,
sy fialofako amin'ny andron'ny fahoriana,
ho tonga aminao ny firenena maro,
avy amin'ny faran'ny tany, ka hanao hoe:
Ny razanay tsy nahazo lova afa-tsy ny lainga,
sy zava-poana tsy azo atao na inona na inona!
20Moa mety hisy va izany hoe: olona mamorona andriamanitra ho an'ny tenany?
Tsy Andriamanitra akory anefa izany!
21Koa indro hampahafantariko azy ireo
amin'ity indray maka ity,
hampahafantariko azy ireo ny tànako sy ny heriko
dia ho fantany fa Iaveh no anarako. >