Bokin'i Jeremia

Toko faha-17

1 Ny fahotan'i Jodà dia voasoratra tamin'ny vy fanoratana sy tamin'ny fantsika diamondra, voasokitra eo amin'ny takelaky ny fony izany, sy eo amin'ny tandroky ny otelinareo.

2 Toy ny fahatsiarovany ny zanany, no fahatsiarovany ny oteliny aman'aserany, eny akaikin'ny hazo maitso sy eny amin'ny havoana manerinerina eny.

3 Ry tendrombohitro izay any an-tany lemaka, hatolotro ho babo avokoa ny fanananao, ny rakitrao, ny fitoerana avo, noho ny fahotanao, teo amin'ny faritaninao rehetra.

4 Havelanao ho tany foana sady vokatry ny hadisoanao izany, ny lovako nomeko anao; hampanompoako ny fahavalonao any amin'ny tany tsy fantatrao hianao, satria narehitrareo ny afon'ny fahatezerako, ka mirehitra ho amin'ny mandrakizay.

5 Izao no lazain'ny Tompo: Ho voaozona ny olona izay mitoky amin'olombelona, sy manao ny nofo ho sandriny, ary miala amin'ny Tompo ny fony!

6 Manahaka ny anjavidy eny an-tany lava volo izy, ary rahefa misy hasambarana tonga, tsy ifaliany; honina amin'ny tany karankaina any an'efitra, any amin'ny tany sira, tsy misy mponina!

7 Hohasoavina ny olona mitoky amin'ny Tompo, sy manantena an'ny Tompo ho tokiny!

8 Manahaka ny hazo nambolena eo amoron-drano izy, mandatsaka ny fakany mankany amin'ny rano mandeha; tsy matahotra rahefa tonga ny hainandro, sady maitso ravina mandrakariva; tsy manahy izay taona fahamainana izy, ary tsy mitsahatra ny mamoa.

9 Mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fo, sady simba: iza no hahalala azy?

10 Izaho Iaveh izay mandinika ny fo, sy mamantatra ny voa; ary ny hanaovako izany, dia mba hamaly ny olona araka ny làlany, sy araka ny vokatry ny asany.

11 Tsipoy mikotrika izay tsy atodiny, toy izany ny olona mahazo harena tsy an-drariny ; fa tsy maintsy mandao izany eny an-tenatenan'ny androny. ary ho adala foana no hiafarany

12 Seza fiandrianana be voninahitra, fiamboniana mandrakizay, fitoeran'ny tranonay masina,

13 fanantenan'Israely, Iaveh ô, ho menatra izay rehetra mahafoy anao! Hosoratana amin'ny tany izay miala amiko, satria nandao ny lohan'ny rano velona, Iaveh, izy ireo.

14 Ry Iaveh ô, sitrano aho, dia ho sitrana; vonjeo aho, dia ho voavonjy; fa hianao no fiderako!

15 Indreo ry zareo manao amiko hoe: Aiza izay tenin'ny Tompo? Aoka ho tonga izany!

16 Ary izaho tsy mba nandà tsy ho mpiandry manaraka anao; tsy mba naniry ny andron'ny loza; fantatrao izany; ny naloaky ny vavako, dia efa teo anatrehan'ny tavanao.

17 Aoka tsy ho antom-pahaverezana ho ahy hianao; hianao no aroko amin'ny andro fahoriana.

18 Ny mpanenjika ahy no aoka ho menatra; fa izaho aoka tsy ho menatra. Izy ireo no aoka hangovitra; fa izaho aoka tsy hangovitra. Ataovy tonga aminy ny andro fahoriana, ary torotoroy amin'ny fanimbana roa sosona izy.

19 Izao no nolazain'ny Tompo tamiko: Mandehana hianao mitsangana eo ambavahadin'ny zanaky ny vahoaka, izay idirany sy ivoahan'ny mpanjakan'i Jodà; sy eo amin'ny vavahady rehetra ao Jerosalema;

20 ka lazao amin'izy ireo hoe: Mihainoa ny tenin'ny Tompo, hianareo mpanjakan'i Jodà sy hianareo Jodà rehetra, mbaminareo rehetra mponina ao Jerosalema, izay miditra amin'ireto vavahady ireto. 21 Izao no lazain'ny Tompo: Tandremo ny fanahinareo; ka aza mitondra entana amin'ny andro sabata, ary aza mampiditra izany amin'ny vavahadin'i Jerosalema.

22 Aza mamoaka entana avy ao an-tranonareo, amin'ny andro sabata, ary aza manao taozavatra akory; hamasino ny andro sabata, araka ny efa nandidiako ny razanareo.

23 Nefa izy ireny tsy nihaino, na nanongilan-tsofina; fa nanamafy ny hatony, mba tsy hihaino, sy tsy handray ny fampianarana.

24 Raha mety mihaino ahy tsara hianareo, - teny marin'ny Tompo, ka tsy mampiditra entana, amin'ny vavahadin'ity tanàna ity, amin'ny andro sabata, ary mankamasina ny andro sabata, tsy manao na inona na inona amin'izany andro izany,

25 amin'izany dia hiditra amin'ny vavahadin'ity tanàna ity, ny mpanjaka sy ny mpanapaka, mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, dia hiditra izy ireo mitaingina kalesa aman-tsoavaly, izy sy ny mpanapaka momba azy, mbamin'ny olona ao Jodà sy ny mponina ao Jerosalema; ary honenana mandrakizay ity tany ity.

26 Ho avy ny olona avy amin'ny tanànan'i Jodà, sy amin'ny manodidina any Jerosalema, sy avy amin'ny tanànan'i Benjamina, amin'ny Sefelà sy amin'ny tendrombohitra ary amin'ny negeba, hitondra sorona dorana aman-tsorona, fanatitra aman'emboka manitra, hitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon'ny Tompo.

27 Fa raha tsy mihaino ahy hianareo, tsy mankamasina ny andro sabata, mitondra entana na iray ihany aza, raha miditra ny vavahadin'i Jerosalema amin'ny andro sabata, dia handrehitra afo eo ambavahadin'ny tanàna aho, handevona ireo lapa ao Jerosalema, ary tsy ho faty io afo io.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1044