Bokin'i Jeremia

Toko faha-19

1 Izao no voalazan'ny Tompo: Mandehàna mividy siny tany ho anao; ary ento hiaraka aminao,

2 ny loholona amin'ny vahoaka, sy ny loholona amin'ny mpisorona, dia mivoaha ho any amin'ny lohasahan'i Ben-Hinoma izay ao amin'ny fidiran'ny vavahadin'ny Fanefem-bilany, ka torio eo ny teny holazaiko aminao. 3 Ataovy hoe: Mihainoa ny tenin'ny Tompo hianareo, mpanjakan'i Jodà sy mponina ao Jerosalema. Izao no tenin'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Indro hoentiko ho amin'ity fitoerana ity ny loza hampangintsingintsina ny sofin'izay mandre azy: 4 satria izy ireo efa nahafoy ahy, sy nanova fenitra ity fitoerana ity, fa nanatitra emboka manitra teto, ho an'ny andriamani-kafa, izay tsy fantany akory, na izy, na ny razany, na ny mpanjakan'i Jodà; sady efa nameno ran'ny tsy manan-tsiny, an'ity tanàna ity.

5 Nanorina ireo fitoerana avo ho an'i Baala izy, handoroany ny zanany amin'ny afo ho sorona dorana ho an'i Baala. Zavatra tsy nandidiako na nolazaiko akory anefa izany; na mba niditra tao an-tsaiko velively.

6 Noho izany indro tamy ny andro, - teny marin'ny Tompo, tsy hiantsoana ity fitoerana ity intsony hoe: Tofeta na lohasahan'i Ben-Hinoma fa hoe lohasaha famonoana kosa.

7 Hofoanako amin'ity toerana ity ny fisainan'i Jodà sy Jerosalema; hataoko lavon-tsabatra eo anoloan'ny fahavalony izy, sy amin'ny tànan'ireo nitady ny ainy; ary ny fatiny homeko hohanin' ny voromanidina sy ny bibin'ny tany.

8 Ary ity tanàna ity dia ataoko zavatra figagana sy fihomehezana; ka na iza na iza handalo akaiky azy, hitolagaga sady hihomehy noho ny fahamanganana rehetra mahazo azy.

9 Hataoko mihinana ny nofon'ny zanany lahy sy ny nofon'ny zanany vavy izy; ary samy hihinana ny nofon'ny namany avy; fa latsaka an-katerana amam-pahoriana mafy izy azon'ny afitsoky ny fahavalony sy izay mitady ny ainy azy.

10 Rahefa izany, montsany eo imason'ireo olona tafaraka aminao ny siny,

11 ka lazao aminy hoe: Izao no tenin'ny Tompon'ny tafika: Homontsaniko ity firenena sy ity tanàna ity, toy ny fanamontsanana ny vilanin'ny mpanefy, izay tsy azo atambatra intsony; ka any Tofeta no handevenana noho ny tsy fisian'ny tany handevenana. 12 Izany no hataoko amin'ity firenena ity, - teny marin'ny Tompo, - sy amin'ny mponina ao aminy, rahefa hataoko tahaka an'i Tofeta ity tanàna ity.

13 Ny trano ao Jerosalema sy ny tranon'ny mpanjakan'i Jodà, ho tonga sahala amin'ity fitoeran'i Tofeta ity, dia maloto; dia ireo trano rehetra nanaterana emboka manitra teo ambony tafony, ho an'ny tafiky ny lanitra rehetra sy nanidinana fanatitra araraka ho an'andriamani-kafa.

14 Tonga avy any Tofeta, izay nanirahan'ny Tompo haminaniany Jeremia, ka dia nitsangana teo an-kianjan'ny tranon'ny Tompo ary nilaza tamin'ny vahoaka rehetra hoe:

15 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Indro hataoko mihatra amin'ity taranaka ity, sy amin'ny tanàna rehetra momba azy, ny loza rehetra nolazaiko hamelezana azy, noho izy ireo nanamafy ny hatony tsy hihainoany ny teniko.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0469