Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Jeremia

Jeremia toko 2
Ny fivadihan'Israely miolotra amin'ny tsy fivadihan'Andriamanitra - Tsara ny niandohan'Israely, ka nankasitrahan'Iaveh izy, kanjo nivadika nanompo sampy izy tatý aoriana, ka hatolotra amin'ny firenena; latsa-paka sy tsy misy hialany tsiny ny fahotany; tsy misy famelan-keloka ho azy intsony.

       1Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:
       2Mandehana, ataovy antso avo ho ren'i Jerosalema izao teny izao:

Izao no lazain'ny Tompo:
Tsaroako ny firaiketam-ponao tamiko, fony hianao mbola tanora,
ny fitiavanao, fony hianao vao fofom-bady;
dia ilay nanarahanao ahy tany an'efitra,
tany amin'ny tany tsy famafazana.
       3Fahizany Israely dia ilay zavatra voatokana ho an'ny Tompo,
dia ilay voaloham-bokany,
ka izay nihinana taminy, dia nahazo heloka,
ka nozoin-doza, - teny marin'ny Tompo.
       4Mihainoa ny tenin'ny Tompo, ry taranak'i Jakoba,
mbaminareo rehetra, fianakavian'ny taranak'Israely.
Izao no lazain'ny Tompo:
       5Inona no tsy marina, hitan'ny zanakareo tamiko,
no dia nihataka tamiko izy,
ka nanaraka ny zava-poana sy tonga zava-poana?
       6Izy ireny tsy mba nanao hoe: Aiza Iaveh,
izay nitondra antsika niakatra avy any amin'ny tany Ejipta,
nitari-dàlana antsika tany an'efitra,
tany amin'ny tany ngazana sady vaky hentana,
tany amin'ny tany karankaina sy aloky ny fahafatesana,
tany amin'ny tany tsy falehan'ny olona,
tsy onenan'olona?
       7Ary tany hoatra ny saha be hazo mamoa no nitondrako anareo,
mba hihinananareo ny vokany aman-java-tsoa eo aminy.
Kanjo nony tafiditra hianareo nolotoinareo ny taniko,
ary nataonareo ho fahavetavetana ny lovako.
       8Ny mpisorona tsy nanao hoe: Aiza Iaveh?
ny mpitan-dalàna, tsy nahalala ahy:
ny mpitondra, nivadika tamiko;
ary ny mpaminany, maminany tamin'ny anaran'i Baala,
ka nanaraka ny tsy mahasoa na inona na inona izy ireny.
       9Koa mbola hifandahatra aminareo aho - teny marin'ny Tompo,
ary hifandahatra amin'ny zanaky ny zanakareo.
       10Fa mità ary eny amin'ireo nosin'i Setima ka mijere;
maniraha ho any Sedara, ka mandiniha tsara;
dia jereo raha mba misy izay toy izao any.
       11Moa misy firenena manakalo ny andriamaniny va?
- nefa ireny aza tsy Andriamanitra akory!...
Fa ny vahoakako kosa efa nanakalo ny voninahiny,
amin'izay tsy mahasoa na inona na inona!
       12Talanjòna amin'izany, ry lanitra,
mangovita sy mangorohoroa mafy hianareo, - teny marin'ny Tompo.
       13Fa nanao ratsy roa sosona ny vahoakako:
Nafoiny aho,
izaho loharanon'ny rano velona,
ary lavaka no nohadiny ho azy,
lavaka mitriatriatra, tsy mahatan-drano.
       14Andevo va Israely? Ompikely va izy?
Ka ahoana ary no itondrana azy toy ny babo?
       15Mierona hamely azy ny liona tanora,
sy miloa-peo mafy,
ka mahatonga ny taniny ho lao.
Voadotry ny afo ny tanànany, ka tsy misy mponina intsony.
       16Ny taranak'i Nofa sy Tafnesa avy
no nanabory ny lohanao.
       17Izany no mahazo anao,
moa tsy dia noho hianao nahafoy an'ny Tompo Andriamanitrao,
tamin'ny andro nitondrany anao teny an-dàlana?
       18Ary ankehitriny, inona no ataonao any amin'ny làlana mankany Ejipta,
handeha hisotro ny ranon'i Nila?
Ary inona no ataonao eny amin'ny làlana mankany Asiria,
handeha hisotro ny rano amin'ny Ony?
       19Ny haratsianao no mamely anao,
ary ny fiodinanao no manafay anao.
Koa fantaro sy jereo, fa ratsy sady mangidy manao ahoana
ny nahafoizanao an'ny Tompo, Andriamanitrao,
sy ny tsy nanananao tahotra ahy kely akory,
- teny marin'ny Tompo Iavehn'ny tafika.
       20Fa hatramin'ny ela no efa nanapahanao ny jioganao,
sy nanitosanao ny fatoranao,
ka nanaovanao hoe: Tsy hanompo intsony aho!
Teny amin'ny havoana manerinerina rehetra,
sy teny ambanin'ny hazo maitso rehetra teny,
no nandrianao hoatra ny vehivavy janga.
       21Izaho anefa namboly anao, ho karazam-boaloboka tsara indrindra,
avy amin'ny fototra tena tsara avokoa.
Ka ahoana no dia niovanao amiko,
ho sampana ratsy avy amin'ny voaloboka hafa karazana?
       22Eny, na dia handro amin'ny sirahazo aza hianao,
ka hataonao betsaka ny siravondrona,
mbola ho voaloto eo anatrehako ihany hianao noho ny fahotanao,
- teny marin'ny Tompo.
       23Ahoana no hilazanao hoe: Tsy nandoto tena aho,
tsy nandeha nanaraka an'ireo Baala aho?
Zahao ny dian-tongotrao ao amin'ny Lohasaha,
ka mieke ny nataonao!
Ramevavavy faingan-tongotra, mifanapaka mankatsy mankary ny diany,
       24ampondravavy dia, zatra efitra:
manimbolo ny rivotra izy, noho ny firehetan'ny filany;
iza no hahasakana azy tsy hiarana amin'izay iriny?
Tsy hisasatra akory izay rehetra mitady azy,
fa mahita azy amin'ny volany.
       25Tandremo mba tsy hiala kapa ny tongotrao,
ary mba tsy ho maina ny tendanao!
Nefa hoy hianao: Tsy hisy antony tsinona!
Tsia, fa ny hafa tiako,
ka hanaraka an'ireny aho!
       26Toy ny fangaihain'ny mpangalatra azo an-tanàna
no fangaihain'ny taranak'Israely,
dia izy ireo, ny mpanjakany, ny lehibeny, ny mpisorony amam-paminaniny,
       27izay manao amin'ny hazo hoe: Hianao no raiko;
sy amin'ny vato hoe: Hianao no niteraka ahy.
Fa ny lamosiny no natodiny ahy, fa tsy mba ny tavany,
ka nony avy izay mahory azy, vao hanao hoe izy:
Mitsangàna, ka vonjeo izahay!
       28Fa aiza izay andriamanitra nataonao ho anao?
Aoka hitsangana ireny raha mahavonjy anao amin'ny andron'ny fahorianao.
Fa mifanisa amin'ny tanànanao ny isan'ny andriamanitrao, ry Jodà.
       29Ahoana no ifandaharanareo amiko?
Nefa efa niodina tamiko avokoa hianareo,
- teny marin'ny Tompo.
       30Ny nikapohako ny zanakareo, foana;
fa tsy nahazo anatra tamin'izany akory izy ireo;
ny sabatrareo nandevona ny mpaminaninareo,
hoatra ny liona mpandripaka.
       31Taranaka ahoana re hianao izany e! Diniho ny tenin'ny Tompo:
Moa tany efitra ho an'Israely va aho,
moa tany maizim-pito va?
Nahoana ny vahoakako no manao hoe: Efa afaka izahay,
ka tsy hiverina aminao intsony?
       32Manadino ny firavany va ny zazavavy,
sa manadino ny fehin-kibony ny fofom-bady?
Ny vahoakako kosa anefa nanadino ahy,
hatramin'ny andro efa tsy hita isa!
       33Akory izany fahaizanao mandamina ny làlanao
raha hitady fitia!
Noho izany na ny heloka aza,
ataonao zatra ny làlanao.
       34Hatreny amin'ny rambon-dambanao eny,
no ahitana ny ran'olo-mahantra tsy manan-tsiny;
tsy azonao manamy trano izy ireo,
nefa izany zava-drehetra izany no namonoanao azy.
       35Dia hoy hianao: Tsy manan-tsiny aho;
efa afaka tokoa ny fahatezerany tamiko.
Indro hifandahatra aminao aho,
amin'ny anaovanao hoe: Tsy nanota aho!
       36Mba maika loatra hianao hanova ny làlanao!
Hataon'i Ejipta mahazo henatra hianao,
toy ny nahazoanao henatra tamin'i Asiria.
       37Avy any hianao dia hiverina,
miloloha tànana;
satria nolavin'ny Tompo ry zareo itokianao,
ka tsy hahomby hianao miankina amin'ireo. >