Bokin'i Jeremia

Toko faha-20

1 Nandre an'i Jeremia nanonona izany faminaniana izany Fasora mpisorona zanak'i Emmera, izay mpitandrina ambony ny tranon'ny Tompo.

2 Ary nikapoka an'i Jeremia mpaminany Fasora, nampamatotra azy amin'ny boloky hazo, tao amin'ny vavahady Avon'i Benjamina izay ao aminny tranon'ny Tompo. 3 Ny ampitso dia nasain'i Fasora hotsoahana amin'ny boloky hazo Jeremia, ka hoy Jeremia taminy: Tsy Fasora intsony no iantsoan'ny Tompo anao, fa Magora-Misabiba. 4 Satria izao no lazain'ny Tompo: Indro atolotro ho amin'ny fangorohoroana, hianao sy ny sakaizanao. Izy ireo ho lavon'ny sabatry ny fahavalony, ary hianao hahita maso an'izany. Jodà rehetra koa hatolotro ho eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babilona, ka hoentiny babo any Babilona izy ireo, ary hovonoiny amin'ny sabatra. 5 Hatolotro avokoa ny harena amin'ity tanàna ity, ny vokany rehetra aman-java-tsoany rehetra, ary ny rakitra rehetra an'ny mpanjakan'i Jodà, hatolotro ho eo an-tànan'ny fahavalony; ka hobaboiny, halainy, hoentiny mankany Babilona.

6 Ary hianao, ry Fasora, mbamin'izay rehetra mitoetra ao an-tranonao, ho lasan-ko babo hianareo; ho any Babilona hianao; ka any no hahafatesanao; any no handevenana anao, dia hianao mbamin'ny sakaizanao rehetra, izay naminanianao lainga.

7 Ry Iaveh ô, notarihinao aho, ka voatarika. Nosamborinao aho, ka nahery hianao. Zavatra fihomehezana aho isan'andro; maneso ahy avokoa ny olona rehetra.

8 Fa isaky ny miteny aho, dia manao antso avo, manambara loza sy fandringanana, ka ny tenin'ny Tompo tonga fandatsana sy fihomehezana ahy isan'andro.

9 Hoy aho: Tsy hilaza ny aminy intsony aho, tsy hiteny amin'ny anarany intsony aho!... dia nisy toy ny afo nirehitra ato am-poko, voahidy ao anatin'ny taolako; nanao izay hihazonana azy aho nefa tsy nahatana azy.

10 Fa efa reko ny vava ratsin'ny olona betsaka manao hoe: Fangorohoroana avy hatraiza hatraiza! Torio izy, handeha hotorintsika izy! Ny olona rehetra tsara fihavanana amiko, manao andry maso ny diako: Raha mety ho voatarika izy dia hahombiazantsika, ka dia hamaly faty azy isika.

11 Iaveh anefa no momba ahy, toy ny lehilahy mahery; ka hitambotsitra ireo mpanenjika ahy, fa tsy haharesy. Ny tsy hahombiazany hahasafo-kenatra azy amin'ny fahafaham-baraka mandrakizay tsy hohadinoina.

12 Ry Iavehn'ny tafika, hianao izay mizaha toetra ny marina, izay mahita ny voa sy ny fo, hahita ny famalianao an'ireo aho, fa hianao no nanankinako ny adiko.

13 Mihirà ho an'ny Tompo, miderà an'ny Tompo, fa manafaka ny fanahin'ny ory, amin'ny tànan'ny ratsy fanahy izy.

14 Ho voaozona anie ny andro nahaterahako! Tsy hotahina anie ny andro niterahan'i neny ahy!

15 Ho voaozona anie ny olona nitondra teny tamin'ikaky, sy nanao hoe: Tera-dahy hianao! ka nahafeno hafaliana azy!

16 Aoka izany olona izany ho toy ny tanàna noravan'ny Tompo, ka tsy nanenenany! Aoka izy, ny maraina, handre ny fitarainan'ny olon-dresy, ary ny mitataovovonana, ny akoralavan'ny mpandresy!

17 noho izy tsy namono ahy hatrany am-bohoka, hahatonga an'i neny ho fasako, na ho voatana ao an-kibony mandrakizay aho!

18 Nahoana aho no nivoaka avy ao an-kibony, hahita fijaliana amam-pahoriana, sy handany ny androko amin'ny fahafaham-baraka!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.129