Bokin'i Jeremia

Toko faha-23

1 Loza ho an'ny mpiandry manary sy manahaka ny ondry eo amin'ny kijanako, - teny marin'ny Tompo!

2 Koa izao no lazain'ny Tompo, Andriamanitr'Israely, ny amin'ireo mpiandry miandry ny vahoakako: Ny ondriko dia nahahakareo, naronjondronjonareo; tsy niahy azy ireo hianareo. Koa indro aho kosa mba hiahy, hamelezako anareo, ny haratsian'ny nataonareo, - teny marin'ny Tompo.

3 Ary izaho dia hanangona izay sisa amin'ny ondriko, avy eny amin'ny tany rehetra nandroahako azy, dia haveriko ho eo amin'ny kijanany izy; ka hitombo sy hihamaro.

4 Ary hanangana mpiandry izay hiandry azy aho; ka tsy hanan-tahotra na vadi-po intsony izy; sady tsy hisy diso tsy eo, na dia iray aza, - teny marin'ny Tompo.

5 Indro avy ny andro, - teny marin'ny Tompo, hananganako ho an'i Davida solofo marina; hitondra tahaka ny mpanjaka, ho hendry, hanao ny hitsiny sy ny rariny amin'ny tany.

6 Amin'ny androny, Jodà hovonjena; Israely handry fahizay; ary izao no anarana hanononana azy: Iaveh-fahamarinantsika.

7 Noho izany, indro avy ny andro, - teny marin'ny Tompo, izay tsy hanaovana intsony hoe: Velona Iaveh, izay nitondra ny zanak'Israely niakatra avy any amin'ny tany Ejipta;

8 fa hoe: Velona Iaveh, izay nitondra sy nampody avy any amin'ny tany avaratra sy ny tany rehetra nandroahako azy. Dia honina eo amin'ny taniny izy ireo.

9 Ho an'ireo mpaminany: Ny foko torotoro ato anatiko; ny taolako rehetra mipararetra; izaho hoatra ny olona mamo hoatra ny olona leon-divay, eo anatrehan'ny Tompo sy eo anatrehan'ny teniny masina.

10 Fa feno fijangajangana ny tany; noho ny fanozonana dia misaona ny tany; maina ny kijàna any an'efitra. Ny idodododoan'ireo dia ny ratsy, ny heriny dia ny tsy rariny.

11 Hatramin'ny mpaminany amam-pisorona aza no olona tsy voahasina, ary hitako hatrao an-tranoko aza ny haratsiany, - teny marin'ny Tompo.

12 Koa ny làlan'izy ireo hanjary fitoerana malama ao amin'ny maizina, ho azy ireo; haronjina sy ho lavo eo izy; satria hampidi-doza aminy aho, amin'ny taona hamangiako azy, - teny marin'ny Tompo.

13 Tamin'ireo mpaminanin'i Samaria aho nahita fahadalana, fa naminany tamin'ny anaran'i Baala izy ireo, ka nampaniasia an'Israely vahoakako.

14 Tamin'ireo mpaminanin'i Jerosalema kosa anefa nahita zava-mahatsiravina aho, fa izy ireo maka vadin'olona sy mandeha araka ny lainga, mankahery ny tànan'ny ratsy fanahy, mba tsy hisy miverina avy amin'ny haratsiany izy ireo. Amiko izy rehetra, tonga tahaka an'i Sodoma; ary ny mponina ao Jerosalema tahaka an'i Gomora.

15 Noho izany, izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, ny amin'ny mpaminany: Dia efa hampihinana zava-mangidy azy ireo aho, sy hampisotro rano voaisy poizina azy! Satria avy amin'ny mpaminanin'i Jerosalema no nivoahan'ny faharatsiana ho any amin'ny tany rehetra.

16 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Aza mihaino ny tenin'ireo mpaminany maminany aminareo, mitarika anareo ho amin'ny zava-poana izy ireo; ny fahitana avy ao am-pony no ambarany, fa tsy izay aloaky ny vavan'ny Tompo.

17 Izay manamavo ahy ilazany hoe: Izao no voalazan'ny Tompo: Hiadana hianareo, ary izay rehetra manaraka ny haratsian'ny fony, ataony hoe: Tsy hisy loza hanjo anareo.

18 Fa zovy moa no nanatrika ny fisainan'ny Tompo, ka nahita sy nandre ny teniny? Iza no efa nanongilan-tsofina nihaino ny teniny, ka nandre izany?

19 Indro ny tafio-drivotry ny Tompo; ny fahatezerana efa hipoaka; mitambolombolona ny tadiony ka miantonta amin'ny lohan'ny tsy tia fivavahana.

20 Tsy hihemotra ny hatezeran'ny Tompo raha tsy efa vitany sy tanterany ny hevitry ny fony. Ho fantatrareo mazava izany, amin'ny andro farany.

21 Izaho tsy naniraka ireo mpaminany; nefa mihazakazaka izy! Izaho tsy niteny taminy, nefa naminany izy!

22 Raha nanatrika ny fisainako izy, dia ny teniko ho nambarany tamin'ny vahoakako; ka ho namerina azy hiala amin'ny làlan-dratsiny izy, sy amin'ny faharatsian'ny ataony.

23 Moa Andriamanitry ny akaiky ihany va aho, - teny marin'ny Tompo, fa tsy mba Andriamanitra amin'ny lavitra koa?

24 Misy olona mahay miery amni'ny fierana va, ka tsy ho hitako? - teny marin'ny Tompo. Ny lanitra sy ny tany, moa tsy manerana azy va aho? - teny marin'ny Tompo.

25 Reko ny lazain'ireo mpaminany ireo, izay maminany lainga amin'ny anarako, manao hoe: Nanonofy aho; nanonofy aho!

26 Mandra-pahoviana? ... Moa kendren'ireo mpaminany ireo, izay maminany lainga, ireo mpaminany ny fitaky ny fony ireo,

27 moa ampoiziny va ny tsy hahatadidiavan'ny vahoakako ahy, noho ny nofy ifampilazan'izy samy izy avy, toy ny nanadinoan'ny razany ny anarako, nosoloany an'i Baala?

28 Aoka ny mpaminany nanonofy hilaza izany nofy izany; ary izay manana ny teniko, hilaza marina ny teniko. Fa inona izay mololo raha miolotra amin'ny vary? - teny marin'ny Tompo.

29 Moa ny teniko va, tsy tahaka ny afo, - teny marin'ny Tompo, sy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy?

30 Koa ihaviako ireo mpaminany ireo, izay mifangalatra ny teniko samy ho azy avy.

31 Indro ihaviako ireo mpaminany ireo, - teny marin'ny Tompo, izay mampipelipelika ny lelany manao hoe: Teny marin'ny Tompo!

32 Indro ihaviako ireo izay maminany nofy lainga, - teny marin'ny Tompo, izay milaza izany, mampaniasia ny vahoakako, amin'ny laingany sy ny antsanga tsy aman'orana ataony. Tsy naniraka azy, na nandidy na inona na inona azy akory aho. Koa tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, - teny marin'ny Tompo.

33 Raha ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona, no manontany anao manao hoe: Inona izao no entan'ny Tompo? dia valio hoe: Hianareo no izany entana izany, ary hariako hianareo, - teny marin'ny Tompo.

34 Ary izay mpaminany, na mpisorona, na sarambaben'olona, hanao hoe: Entan'ny Tompo, dia hovangiako io olona io mbamin'ny ankohonany.

35 Izao no hifampilazanareo aminareo isany, sy amin'ny rahalahinareo avy: Ahoana no navalin'ny Tompo? ary: Ahoana, hoy Iaveh?

36 fa tsy haverinao intsony kosa ny hoe: Entan'ny Tompo! Fa ny tenin'ny olona ihany no ho entany avy; satria hianareo mamadika ny tenin'Andriamanitra velona, dia Iavehn'ny tafika, Andriamanitsika.

37 Izao no holazainareo amin'ny mpaminany: Ahoana no navalin'ny Tompo taminao? Ahoana hoy Iaveh?

38 Fa raha ataonao hoe: Entan'ny Tompo, dia izao kosa no lazain'ny Tompo: Noho hianareo nilaza ny teny hoe: Entan'ny Tompo, rahefa naniraka tany aminareo anefa aho hilaza aminareo hoe: Aza manao hoe: Entan'ny Tompo intsony;

39 noho izany, izaho kosa dia tena hanadino anareo mihitsy, sy hanary anareo tsy ho eo anatrehan'ny tavako, dia hianareo mbamin'ny tanàna nomeko anareo sy ny razanareo;

40 ary hataoko tonga aminareo ny fahafaham-baraka mandrakizay, ny henatra mandrakizay, izay tsy hohadinoina na oviana na oviana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.093