Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Jeremia

Jeremia toko 25
Fanamelohan'Andriamanitra an'i Jodà - Fanamelohana ny firenena.

       1Teny tonga tamin'i Jeremia, momba ny vahoaka rehetra any Jodà, tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joakima, zanak'i Josiasa, mpanjakan'i Jodà, taona voalohany nanjakan'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona. 2Teny notononin'i Jeremia momba ny vahoaka rehetra any Jodà, mbamin'ny mponina rehetra any Jerosalema nataony hoe: 3Hatramin'ny taona fahatelo ambin'ny folo nanjakan'i Josiasa, zanak'i Amona, mpanjakan'i Jodà, ka mandrak'androany, dia efa telo amby roapolo taona izay, no nahatongavan'ny tenin'ny Tompo tamiko, sy nitenenako taminareo, ka niteny taminareo hatramin'ny maraina aho; kanefa tsy nihaino hianareo. 4Nirahin'ny Tompo taminareo avokoa, ny mpaminany mpanompony, sady nirahany hatramin'ny maraina; kanefa tsy nihaino hianareo, na nanongilan-tsofina hihaino akory. Hoy izy: 5Samia hianareo miverina miala amin'ny làlan-dratsinareo sy amin'ny haratsian'ny asanareo avy, dia honina amin'ny tany nomen'ny Tompo anareo sy ny razanareo, amin'ny taona mifandimby hianareo. 6Aza mandeha manaraka andriamani-kafa, mba hanompo azy sy hivavaka aminy; ary aza mampahatezitra ahy amin'ny asan-tànanareo, dia tsy hampidi-doza aminareo akory aho. 7Tsy nihaino ahy anefa hianareo, - teny marin'ny Tompo - ho fampahatezerana ahy tamin'ny asan-tànanareo, ary ho loza ho anareo. 8Noho izany, izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Noho hianareo tsy nihaino ny teniko, 9dia indro ampanalaiko ny foko rehetra any avaratra, - teny marin'ny Tompo, - hoentiko amin'i Nabokodonozora mpanjakan'i Babilona, mpanompoko; ary hataoko tonga izy ireo hamely an'ity tany ity mbamin'ny mponina eo aminy sy ny firenena rehetra amin'ny manodidina, ka hataoko anatema izy, hataoko tany lao, zavatra fandatsa, ary rava mandrakizay. 10Hampijanona eo afovoany aho, ny hobim-pifaliana, ny feo firavoravoana, ny hiran'ny mpampakatra, ny hiran'ny ampakarina, ny feom-bato fikosoham-bary, ary ny fahazavan'ny jiro. 11Ity tany rehetra ity ho tany lao, ho efitra, ary ireto firenena rehetra ireto, hanompo ny mpanjakan'i Babilona, mandritra ny fitopolo taona.
       12Rahefa tapitra izany fitopolo taona izany, dia hampamoahiko ny amin'ny fahotany kosa ny mpanjakan'i Babilona sy izany firenena izany, - teny marin'ny Tompo, - ary koa ny tanin'ny Kaldeana, ary hataoko tany lao mandrakizay izany. 13Hataoko mihatra amin'izany tany izany avokoa ny teny voalazako hamelezana azy, dia izay rehetra voasoratra amin'ity boky ity, izay hovinanin'i Jeremia hamelezana ny firenena rehetra. 14Fa hampanompoin'ny firenena maro amam-panjaka lehibe kosa indray izy ireo, ka dia hovaliako araka ny nataony sy ny asan'ny tànany avy.
       15Fa izao no nolazain'ny Tompo, Andriamanitr'Israely tamiko: Raiso ity kapoaky ny divaim-pahatezerako ety an-tànako ity, ka ampisotroy ny firenena rehetra hanirahako anao. 16Hisotro amin'izany izy ireo, dia handraingiraingy sy ho very saina eo anoloan'ny sabatra halefako ho eo afovoan'izy ireo. 17Noraisiko ny kapoaka teny an-tànan'ny Tompo, nampisotroiko ny firenena rehetra nanirahan'ny Tompo ahy, dia Jerosalema mbamin'ny tanànan'i Jodà, 18ny mpanjakany, ny lehibeny, mba hanao azy ho tany manirery, ho tany rava, ho zavatra fandatsa, fanozonana, araka izao hita anio izao. 19Faraona mpanjakan'i Ejipta, ny mpanompony, ny mpanapaka mbamin'ny vahoakany rehetra, 20ny vahoaka mifangaro rehetra; ny mpanjaka rehetra amin'ny tany Otsa, ny mpanjaka rehetra amin'ny tanin'ny Filistina, Askalona, Gazà, Akarona, mbamin'ny sisa any Azota; 21Edoma, Moaba, mbamin'ny taranak'i Ammona; 22ny mpanjaka rehetra any Tira, ny mpanjaka rehetra any Sidona, mbamin'ny mpanjakan'ny nosy any an-dafin'ny ranomasina; 23Dedàna, Temà, Boza, mbamin'ireo rehetra miharatra fihirifana; 24ny mpanjaka rehetra any Arabia, ny mpanjaka rehetra amin'ireo firenena mifangaro monina any an'efitra; 25ny mpanjaka rehetra any Zambrì, ny mpanjaka rehetra any Elama, mbamin'ny mpanjaka rehetra any Media; 26ny mpanjaka rehetra any avaratra, na ny akaiky na ny lavitra, na ity na itsy mbamin'ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao, etý ambonin'ny tany; ary ny mpanjakan'i Sesàka no hisotro manaraka ireo. 27Lazao amin'izy ireo hoe: Izao no tenin'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Misotroa hianareo, mimamoa, mandoava, ary mianjerà tsy hiarina intsony, eo anoloan'ny sabatra halefako ho eo afovoanareo. 28Ary raha mandà tsy handray ny kapoaka eny an-tànanao hosotroiny izy ireo, lazao aminy hoe: Izao no tenin'ny Tompo: Hisotro hianareo! 29Fa jereo ange ny tanàna iantsoana ny anarako ho fiarovana azy no nampiharako voalohany ny loza; ka hianareo indray ve no ho afaka? Tsy ho afaka hianareo, fa hantsoiko hamely ny mponina rehetra amin'ny tany, ny sabatra, - teny marin'ny Tompo. 30Ary hianao haminany izany zavatra rehetra izany amin'izy ireo, ka hilaza aminy hoe:

Mitrena any ambony Iaveh
nampikotrokotroka ny feony izy any amin'ny fonenany masina,
mitrena mafy mamely ny taniny;
akoran'ny mpioty voaloboka no alefany,
manohitra ny mponina rehetra amin'ny tany.
       31Re hatrany am-paran'ny tany, ny horakoraka;
satria Iaveh mampamoaka ny firenena rehetra,
mifandahatra amin'ny nofo rehetra eo amin'ny fitsarana,
manolotra ny ratsy fanahy amin'ny sabatra,
- teny marin'ny Tompo.
       32Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika:
Indro ny loza hitety ny firenen-tsamihafa.
Misy tafio-drivotra mahery, hiposaka avy any am-paran'ny tany.
       33Ka amin'izany andro izany, hisy izay novonoin'ny Tompo,
hatramin'ny faran'ny tany iray, ka hatramin'ny farany iray koa;
tsy hitomaniana na hangonina na halevina ireny,
fa ho toy ny zezika eo ambonin'ny tany.
       34Midradradradrà, hianareo mpiandry ondry, ary mitaraìna,
mihosinkosena amin'ny vovoka, hianareo lehiben'ny ondry,
fa tapitra amin'ny famonoana ny andronareo;
hamely anareo aho, ka hianjera toy ny fanaka sarobidy hianareo.
       35Ny mpiandry ondry tsy hanan-kandosirana;
ny lehiben'ny ondry tsy hanan-kialofana.
       36Re ny fitarainan'ny mpiandry ondry,
ary ny fidradradradran'ny lehiben'ny ondry,
fa nosimban'ny Tompo ny tany fiandrasana azy.
       37Ny any an-tsaha tsy misy tabataba dia rava
avy amin'ny firehetan'ny hatezeran'ny Tompo!
       38Mandao ny fiereny toy ny liona mandao ny lobolobony izy;
ny tanin'izy ireo efa hovana ho efitra,
eo anoloan'ny hatezeran'ny mpandrava,
eo anoloan'ny firehetan'ny hatezeran'ny Tompo. >