Bokin'i Jeremia

Toko faha-26

1 Tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Jodàkima, zanak'i Josiasa, mpanjakan'i Jodà, no nahatongavan'izao teny izao, avy amin'ny Tompo, ho amin'i Jeremia.

2 Izao no lazain'ny Tompo: Mitsangàna hianao eo an-kianjan'ny tranon'ny Tompo, ka lazao amin'izay avy amin'ny tanànan'i Jodà rehetra izay tonga hivavaka ao an-tranon'ny Tompo, ny teny rehetra nasaiko hambaranao aminy; aza misy amelana na dia teny iray aza.

3 Angamba hihaino ihany izy, ka samy hiverina hiala amin'ny làlan-dratsiny avy; dia hanenenako ny loza nokasaiko hamelezana azy, noho ny haratsian'ny ataony. 4 Lazao aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Raha tsy manaiky ahy hianareo ka tsy manaraka ny lalàna nataoko eo anoloanareo; 5 tsy mihaino ny tenin'ny mpaminany mpanompoko, irahiko ho any aminareo, sady nirahiko hatramin'ny vao maraina, kanefa tsy nohenoinareo, 6 dia hataoko tahaka an'i Silao ity trano ity, ary hataoko fanozonana amin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany, ity tanàna ity. 7 Ren'ny mpisorona amam-paminany mbamin'ny vahoaka rehetra ny nilazan'i Jeremia ireo teny ireo, tao an-tranon'ny Tompo.

8 Nony tapitra voalazan'i Jeremia avokoa izay nasain'ny Tompo nolazaina amin'ny vahoaka rehetra, dia nosamborin'ny mpisorona amam-paminany mbamin'ny vahoaka rehetra izy, sady nataony hoe: Ho faty hianao! 9 Ahoana no aminanianao amin'ny anaran'ny Tompo hoe: Ho tahaka an'i Silao ity trano ity, ary ho lao tsy misy mponina ity tanàna ity? - Dia nitangoronan'ny olona rehetra tao an-tranon'ny Tompo Jeremia. 10 Nony nandre izany zavatra izany ny loholon'i Jodà, dia niakatra avy any an-tranon'ny mpanjaka izy, nankao an-tranon'ny Tompo, ka nipetraka teo anoloan'ny vavahady Vaovao amin'ny tranon'ny Tompo. 11 Dia hoy ny mpisorona amam-paminany tamin'ireo loholona sy ny vahoaka rehetra: Mendrika hovonoina ity lehilahy ity, fa naminany loza hanjo ity tanàna ity, araka ny efa ren'ny sofinareo. 12 Fa niteny tamin'ny loholona rehetra sy ny vahoaka rehetra Jeremia nanao hoe: Iaveh no naniraka ahy haminany ny zavatra rehetra efa renareo, hamelezana ity trano ity.

13 Koa ankehitriny, ahitsio ny lalànareo sy ny ataonareo; ary mihainoa ny feon'ny Tompo Andriamanitrareo, dia hanenenan'ny Tompo ny loza nolazainy hamelezana anareo. 14 Ary ny amiko, dia inty aho, eto an-tànanareo, ka ataovy amiko izay ataonareo ho mety sy marina. 15 Fantaro anefa, fa raha mamono ahy hianareo, dia handatsaka ra tsy manan-tsiny aminareo sy amin'ity tany ity, ary amin'ny mponina eo aminy, satria Iaveh marina tokoa, no naniraka ahy ho atý aminareo hilaza ireo teny rehetra ireo ho ren'ny sofinareo. 16 Dia hoy ny loholona mbamin'ny vahoaka rehetra, tamin'ireo mpisorona sy ireo mpaminany: Tsy mendrika hovonoina ity lehilahy ity, satria tamin'ny anaran'ny Tompo Andriamanitsika no nitenenany tamintsika. 17 Ary ny sasany tamin'ny loholona amin'ny tany, nitsangana nilaza tamin'ny olona rehetra vory teo, nanao hoe: Tamin'ny andron'i Ezekiasa mpanjakan'i Jodà, 18 Mikea avy any Moresheta dia naminany, ka nilaza tamin'ny vahoakan'i Joda rehetra hoe: Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Hasaina toy ny tanimboly Siona; hanjary antontan-java-drava Jerosalema ary havoana mijoalajoala ny tendrombohitra misy ny tempoly. 19 Ka moa namono azy va Ezekiasa sy Jodà rehetra? Tsy natahotra an'ny Tompo ahay va izy ireo? Tsy nifona tamin'ny Tompo va izy? Dia nanenenan'ny Tompo ny loza nolazainy hamelezana azy ireo. Ary isika kosa ve, hanao heloka be vava, hampidi-doza amin'ny fanahintsika?

20 Nisy lehilahy anankiray koa, naminany tamin'ny anaran'ny Tompo, dia Oria, zanak'i Semeia, avy any Kariatiarima; izay novinanin'i Jeremia indrindra no novinaniny, hanjo an'ity tanàna ity, sy ity tany ity. 21 Nandre ny teniny Joakima mpanjaka, mbamin'ny lehilahy maheriny rehetra sy ny mpanapaka rehetra, ka nitady hamono azy ny mpanjaka. Nahare izany Oria, ka natahotra, dia nandositra tany Ejipta. 22 Fa naniraka olona ho any Ejipta, Joakima mpanjaka, dia Elnatana, zanak'i Akobora, ary olon-kafa koa niaraka taminy, ho any Ejipta. 23 Ka nalain'ireo hiala tany Ejipta, Oria, dia nentiny teo amin'i Joakima mpanjaka, ary io kosa namono azy tamin'ny sabatra, dia nanipy ny fatiny, teo amin'ny fasan'ny ankapobem-bahoaka. 24 Fa ny tànan'i Ahikama zanak'i Safana kosa dia nanohana an'i Jeremia. Ka tsy natolotry ny vahoaka hovonoin-ko faty izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0875