Bokin'i Jeremia
Jeremia toko 27
Adin'i Jeremia sy ireo mpisorona amam-paminany sandoka - Famantaran'ny jioga - Fanirahana ho amin'ireo mpanjaka manodidina, hanekeny an'i Nabokodonozora - Filazana torak'izany tamin'i Sedesiasa koa sy tamin'ny mpisorona mbamin'ny vahoaka.
1Tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Joakima, zanak'i Josiasa, mpanjakan'i Jodà, dia izao no teny natao avy amin'ny Tompo tamin'i Jeremia.
2Izao no nolazain'ny Tompo tamiko: Manaova fatorana sy jioga hianao, ka ataovy eo ambony vozonao. 3Dia ampanatero izany ho any amin'ny mpanjakan'i Edoma, ny mpanjakan'i Moaba, ny mpanjakan'ny taranak'i Ammona, ny mpanjakan'i Tira, ary ny mpanjakan'i Sidona, amin'ny alàlan'ireo iraka izay tonga taty Jerosalema ho any amin'i Sedesiasa, mpanjakan'i Jodà: 4Ka omeo teny hafatra ho an'ny tompony izy ireo ataovy hoe: Izao no holazainareo amin'ny tomponareo: 5Izaho no nanao tamin'ny heriko aman-tsandriko nahinjitra ny tany sy ny olona mbamin'ny biby eto ambonin'ny tany, ary manome azy ho an'izay tiako. 6Koa ankehitriny, efa natolotro eo an-tànan'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona, mpanompoko, ireto tany rehetra ireto; nomeko azy mbamin'ny biby any an-tsaha aza, hanompo azy. 7Hotompoin'ny firenena rehetra izy sy ny zanany aman-janaky ny zanany, mandra-pahatongan'ny fotoan'ny taniny indray kosa, ka hampanompoan'ny firenena maro amam-panjakana lehibe izy.
8Izay firenena amam-panjakana tsy mety manaiky azy, dia Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona, sy tsy hanao ny vozony ho eo ambanin'ny jiogan'ny mpanjakan'i Babilona, io firenena io dia hovangiako amin'ny sabatra, amin'ny mosary, amin'ny pesta, - teny marin'ny Tompo, - mandra-pandringako azy amin'ny tànany. 9Ary hianareo, aza mihaino ireo mpaminaninareo, na ny mpimasinareo, na ny nofinareo, na ny fambaranareo, na ny mpanao fankatoavanareo, izay milaza aminareo hoe: Tsy hampanekena ny mpanjakan'i Babilona hianareo. 10Fa lainga no vinanin'ireo aminareo, mba hitondrana anareo ho lavitra ny taninareo, sy handroahako anareo ka haharingana anareo. 11Fa izay firenena hampiditra ny vozony ho ambany jiogan'ny mpanjakan'i Babilona sy hanompo azy, dia havelako handry fahizay eo amin'ny taniny, - teny marin'ny Tompo, - ka hiasa azy, sy honina eo aminy. 12Ary Sedsiasa mpanjakan'i Jodà koa, efa nilazako izany teny rehetra izany, nataoko hoe: ampidiro ho ambany jiogan'ny mpanjakan'i Babilona ny vozonareo, ka tompoy izy sy ny vahoakany, dia ho velona hianareo. 13Nahoana hianareo, dia hianao sy ny vahoakanao, no ho fatin'ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta, araka ny voalazan'ny Tompo hanjo ny firenena tsy mety manompo ny mpanjakan'i Babilona? 14Aza mihaino ny tenin'ny mpaminaninareo, izay manao aminareo hoe: Tsy hampanekena ny mpanjakan'i Babilona hianareo; fa lainga no vinaniny aminareo. 15Tsy naniraka azy ireo aho, - teny marin'ny Tompo, - fa maminany lainga amin'ny anarako izy, mba handroahako anareo, sy haharingana anareo, dia hianareo mbamin'ireo mpaminany maminany anareo.
16Ary ny mpisorona mbamin'io vahoaka rehetra io dia nitenenako toy izao: Izao no tenin'ny Tompo: Aza mihaino ny tenin'ireo mpaminaninareo, izay maminany aminareo manao hoe: Indro fa vetivety foana, dia hampodina avy any Babilona ny fanaky ny tranon'ny Tompo, fa lainga no vinaniny aminareo. 17Aza mihaino ireo hianareo, fa maneke ny mpanjakan'i Babilona, dia ho velona hianareo. Nahoana no dia hatao tonga lao ity tanàna ity? 18Raha mpaminany izy ireo ka ao aminy tokoa ny tenin'ny Tompo, aoka izy hifona amin'ny Tompon'ny tafika mba tsy ho lasa any Babilona ny fanaka sisa tavela ao an-tranon'ny Tompo sy ao an-tranon'ny mpanjakan'i Jodà ary ao Jerosalema. 19Satria izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, ny amin'ireo andry, ranomasina, fototra mbamin'ny fanaka sisa tafajanona amin'ity tanàna ity, 20izay tsy nalain'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona, fony izy nitondra ho babo, avy any Jersoalema, ho any Babilona, an'i Jekoniasa, zanak'i Joakima, mpanjakan'i Jodà, mbamin'ny lehiben'ny Jodà sy Jerosalema rehetra. 21Fa izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely, ny amin'ireo fanaka sisa ao an-tranon'ny Tompo, sy ao an-tranon'ny mpanjakan'i Jodà ary ao Jerosalema: 22Hoentina any Babilona koa ireo, sady hitoetra any, mandra-pihavin'ny andro hamangiako azy, - teny marin'ny Tompo, - ka dia hampiakatra azy sy hampody azy amin'ity fitoerana ity indray aho. >