Bokin'i Jeremia

Toko faha-28

1 Tamin'izany taona izany ihany, dia tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Sedesiasa, mpanjakan'i Jodà, tamin'ny taona fahefatra, volana fahadimy: niteny tamiko teo an-tranon'ny Tompo, teo anatrehan'ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra Hananiasa, mpaminany, zanak'i Azora, avy any Gabaona, nanao hoe:

2 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Efa notapahako ny jiogan'ny mpanjakan'i Babilona. 3 Roa taona sisa, dia haveriko amin'ity fitoerana ity ny fanaka rehetra tao an-tranon'ny Tompo, nalain'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona, avy amin'ity fitoerana ity, ka nentiny ho any Babilona. 4 Ary hampodiko amin'ity fitoerana ity Jekoniasa, zanak'i Joakima, mpanjakan'i Jodà, mbamin'ny babo rehetra amin'i Jodà lasa tany Babilona, - teny marin'ny Tompo, - fa hotapahako ny jiogan'ny mpanjakan'i Babilona. 5 Ary Jeremia mpaminany namaly an'i Hananiasa, mpaminany, teo anatrehan'ny mpisorona sy teo anatrehan'ny vahoaka rehetra, izay tao an-tranon'ny Tompo;

6 ka hoy Jeremia mpaminany: Amena! Hataon'ny Tompo anie izany! Ho tanterahan'ny Tompo anie ny teny vao avy novinaninao, amin'ny famerenany avy any Babilona ny fanaky ny tranon'ny Tompo mbamin'ny babo rehetra, ho amin'ity fitoerana ity indray. 7 Kanefa kosa henoy izao teny holazaiko eto ho ren'ny sofinao sy ny sofin'ny vahoaka rehetra izao: 8 Ireo mpaminany teo alohanao sy talohako, hatramin'ny andro ela, dia efa naminany ady sy loza ary pesta, ho amin'ny tany maro amam-panjakana lehibe. 9 Ary izay mpaminany maminany fiadanana kosa, dia ny fahatanterahan'ny tenin'izany mpaminany izany no hahafantarana azy ho mpaminany tena nirahin'ny Tompo marina tokoa. 10 Tamin'izay, nalain'i Hananiasa mpaminany ny jioga teny am-bozon'i Jeremia mpaminany, ka notapahany.

11 Sady hoy Hananiasa, teo anatrehan'ny vahoaka rehetra: Izao no jiogan'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona, hiala eny am-bozon'ny firenena rehetra, raha afaka roa taona. Dia lasa niala Jeremia mpaminany. 12 Nony efa notapahan'i Hananiasa mpaminany ny jioga teny am-bozon'i Jeremia mpaminany, dia tonga tamin'i Jeremia, ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:

13 Mandehana hianao, milazà amin'i Hananiasa hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Jioga hazo no notapahanao, fa jioga vy kosa no nataonao hasolo azy. 14 Satria izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Asiako jioga vy ny vozon'ireo firenena rehetra ireo, mba hanekeny an'i Nabokodonozora, ka dia hanaiky azy izy ireo efa nomeko azy mbamin'ny biby any an-tsaha. 15 Dia hoy Jeremia mpaminany tamin'i Hananiasa mpaminany: Henoy, ry Hananiasa: Tsy nirahan'ny Tompo hianao, ka nataonao izay itokian'ity vahoaka ity amin'ny lainga.

16 Koa izao no lazain'ny Tompo: Indro esoriko tsy ho eto ambonin'ny tany hianao, ka amin'ity taona ity ihany, dia ho faty hianao, satria fiodinana amin'ny Tompo no notorinao. 17 Dia maty tamin'izany taona izany ihany, tamin'ny volana fahafito, Hananiasa mpaminany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1071