Bokin'i Jeremia

Toko faha-29

1 Izao no teny voasoratra ao amin'ny taratasy nampitondrain'i Jeremia mpaminany, avy any Jerosalema, ho any amin'ireo sisan'ny loholona voababo, ho an'ny mpisorona amam-paminany mbamin'ny vahoaka rehetra, nentin'i Nabokodonozora avy any Jerosalema ho any Babilona;

2 nony efa niala tany Jerosalema Jekoniasa mpanjaka, ny renin'ny mpanjaka, ny eonoka, ny mpanapaka amin'i Jodà sy Jerosalema, ny mpandrafitra amam-panefy vy; 3 taratasy nampitondrainy tamin'ny alàlan'i Elasa, zanak'i Safana, sy Gamariasa, zanak'i Helkiasa, izay nirahin'i Sedesiasa, mpanjakan'i Jodà, ho any Babilona, amin'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona, ka hoy ny taratasy hoe: 4 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely, amin'ny babo rehetra nasesiko avy any Jerosalema ho any Babilona.

5 Aoka hianareo hanorina trano, ka hitoetra aminy; hamboly zaridaina, ka hihinana ny vokany; 6 hanambady ka hiteraka zazalahy aman-jazavavy; haka vady ho an'ny zanakalahinareo, sy hampanambady ny zanakavavinareo, mba hiterahany zazalahy aman-jazavavy; ka hihamaro amin'ity tany ity hianareo, fa tsy hihavitsy. 7 Mikatsaha soa ho an'ny tanàna nitondrako anareo ho babo, fa soa ho anareo ny soa ho azy. 8 Fa izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Aza mety hofitahan'ny mpaminaninareo, izay eo aminareo, na ny mpanao fankatoavanareo; ary aza mihaino ny nofy alainareo ho nofy.

9 Satria tsy marina no aminaniany aminareo, amin'ny anarako; tsy naniraka azy ireo aho, - teny marin'ny Tompo. 10 Fa izao no lazain'ny Tompo: Rahefa tapitra ny fitopolo taona, ho an'i Babilona, no hamangiako anareo sy hanatanterahako ny teniko tsara noho ny aminareo; ka hamerina anareo amin'ity fitoerana ity aho. 11 Fa izaho dia mahalala ny hevitro ny aminareo, - teny marin'ny Tompo, - dia hevitra hampiadanana fa tsy hampahoriana, mba hanome anareo andro any ho any sy fanantenana. 12 Hiantso ahy hianareo, dia ho avy sy hivavaka amiko hianareo, ary hihaino anareo aho. 13 Hitady ahy hianareo, dia hahita ahy, satria hitady ahy amin'ny fonareo tokoa hianareo; 14 ka hety ho hitanareo aho, - teny marin'ny Tompo, - hampodiko ny babo aminareo, ary hangoniko avy any amin'ny firenena rehetra hainareo sy avy any amin'ny fitoerana rehetra nadroahako anareo, - teny marin'ny Tompo, - dia haveriko amin'ity fitoerana nanesorako anareo ity indray. 15 Kanefa, hoy hianareo, dia efa nanangana mpaminany ho anay eto Babilona, Iaveh.

16 Izao no lazain'ny Tompo, ny amin'ny mpanjaka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, ny vahoaka rehetra monina amin'ity tanàna ity, sy ireo rahalahinareo tsy mba lasa nandeha niaraka taminareo ho any amin'ny tany fahababoana. 17 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Efa halefako hamely an'ireo ny sabatra, ny mosary, ary ny pesta; hataoko toy ny aviavy ratsy tsy azo hanina, noho ny haratsiany loatra, izy. 18 Henjehiko amin'ny sabatra sy ny mosary mbamin'ny pesta ary hataoko ho fampitahorana any amin'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany ho fanozona, figagana, fihomehezana, fanala-baraka eo amin'ny firenena rehetra nandroahako azy; 19 satria izy ireo tsy nihaino ny teniko, - teny marin'ny Tompo, - nefa naniraka ny mpaminany mpanompoko tamin'izy ireo aho, naniraka azy hatramin'ny vao maraina, nefa tsy nohenoinareo, - teny marin'ny Tompo. 20 Koa mihainoa ny tenin'ny Tompo, hianareo rehetra, babo nalefako avy aty Jerosalema ho any Babilona!

21 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely, ny amin'i Akaba zanak'i Koliasa, sy Sedesiasa zanak'i Maasiasa, izay maminany lainga aminareo amin'ny anarako: Indro izy hatolotro eo an-tanan'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona, ka hovonoiny eo imasonareo. 22 Izy ireo dia hangalana fomba fanozonana, eo amin'ny babo, avy any Jodà, izay ao Babilona, toy izao: Aoka hianao hataon'ny Tompo tahaka an'i Sedesiasa sy Akaba, izay nendasin'ny mpanjakan'i Babilona, tamin'ny afo. 23 Satria namoafady tamin'Israely izy ireo, nijangajanga tamin'ny vadin'ny namany, sy naminany lainga tamin'ny anarako, izay tsy nandidiako azy, ary mahalala izany, aho, sy vavolombelona aho, - teny marin'ny Tompo. 24 Ary Semeiasa, Nehelamita, dia ilazao hoe:

25 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Hianao nandefa taratasy tamin'ny anaranao, ho any amin'ny vahoaka rehetra any Jerosalema, sy Sofonia mpisorona, zanak'i Maasiasa, mbamin'ny mpisorona rehetra, nilaza hoe: 26 Natsangan'ny Tompo ho mpisorona, hisolo an'i Joiadà mpisorona hianao; mba hisy mpitandrina ao an-tranon'ny Tompo momba izay olona rehetra rehetra manao azy ho nahazo tsindrimandry sy ho mpaminany mba hitananao azy amin'ny boloky na gadra. 27 Ary ankehitriny, ahoana no tsy nisakananao an'i Jeremia, avy any Anatota, izay maminany aminareo? 28 Fa noho izany, dia nahavatra nampilaza taminay tany Babilona izy, nanao hoe: Mbola haharitra ela izao, ka manaova trano ary mitoera ao aminy; mambole amin'ny zaridaina ary mihinàna ny vokany. 29 Novakin'i Sofonia mpisorona teo anatrehan'i Jeremia mpaminany izany taratasy izany. 30 Dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'ny Tompo, manao hoe: 31 Mandefasa iraka, hilaza amin'ny voababo rehetra, hanao hoe: Izao no lazain'ny Tompo, ny amin'i Semeiasa, Nehelamita: Noho Semeiasa naminany taminareo, nefa tsy nirahako, ary lainga no nataony hitokianareo; 32 noho izany, dia izao no lazain'ny Tompo: Hamangy an'i Semeiasa Nehelamita mbamin'ny taranany aho; tsy hisy amin'ny fianakaviany honina eo amin'ny fireneny; sady tsy mba hahita ny soa hataoko amin'ny vahoakako izy, - teny marin'ny Tompo, - satria nitory fiodinana amin'ny Tompo izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0362