Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Jeremia

Jeremia toko 3
Ny fanenenana no ahazoana famelana.

       1Teny fanao ny hoe: Raha misy lehilahy misao-bady,
ary rahefa nilaozany io,
dia tonga vadin'olon-kafa ravehivavy;
moa hiverina aminy indray va ralehilahy io?
Tsy ho tena voaloto mihitsy va izany tany izany?
Ary hianao, dia efa nijangajanga tamin-tsakaiza maro, - teny marin'ny Tompo,
ka hiverina amiko indray va hianao?
       2Andrandrao amin'ny havoana ny masonao, ka jereo:
Taiza no tsy nandotoana anao?...
Nipetraka eny an-dalambe eny hianao mba ho azy ireo,
mova tsy ny Arabo any an'efitra!
Ary ny fijangajanganao sy ny haratsiam-panahinao,
dia efa nandotoanao ny tany;
       3ka voasakana ny oram-pararano,
tsy nisy ny oran-dohataona.
Nefa handrim-behivavy janga ny anao,
ka tsy nety nahalala menatra hianao.
       4Ary ankehitriny kosa izao manko no lazainao amiko:
Ry Raiko ô, hianao ilay sakaizan'ny fahatanorako.
Ho tezitra mandrakariva va izy,
hitahiry fahatezerana mandrakizay va izy?
       5Izany no lazainao,
nefa mbola manao ratsy ihany hianao, sady mahatanteraka izany.
       6Izao no lazain'ny Tompo tamiko, tamin'ny andro nanjakan'i Josiasa mpanjaka:
Hitanao va ny nataon'Israely mpiodina?
Lasa nankany amin'ny tendrombohitra avo rehetra izy,
sy teny ambany hazo maitso rehetra teny ka nitolo-tena tamin'ny hafa tany!
       7Dia hoy aho: hiverina amiko izy, rahefa avy nanao izany rehetra izany!
Kanjo tsy niverina izy.
Joda, mpivadika, rahavaviny, dia nahita izany koa.
       8Ary hitako fa izany fitolorany tena amin'ny hafa izany,
no nisaorako an'Israely mpiodina,
sy nanomezako azy taratasy fisaorana:
nefa tsy natahotra akory Jodà, mpivadika, rahavaviny,
fa lasa nitolo-tena tamin'ny hafa mban'izy koa aza.
       9Ny fahavetavetany mahoraka no nandotoany ny tany,
ary nitolo-tena hiraiki-po tamin'ny vato aman-kazo izy.
       10Ary na izany rehetra izany koa aza Jodà mpivadika, rahavaviny,
tsy niverina tamiko, tamin'ny fony rehetra,
fa tamim-pitaka fotsiny, - teny marin'ny Tompo.
       11Ary hoy Iaveh tamiko:
Israely ilay mpiodina no niseho ho marina ihany,
raha miolotra amin'i Jodà ilay mpivadika.
       12Koa mandehana, ary ireto teny ireto ataovy amin'ny feo avo,
amin'ny lafiny avaratra ka lazao hoe:
Miverena, ry Israely mpiodina, - teny marin'ny Tompo.
Tsy sitrako ny hanenja-tava aminareo,
fa mamindra fo aho - teny marin'ny Tompo
ka tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay.
       13Mieke anefa ny hadisoanao,
satria niodina tamin'ny Tompo Andriamanitrao hianao,
ka nandehandeha foana tany amin'ny tany hafa,
teny ambany hazo maitsonao teny,
fa tsy nihaino ny feoko hianareo, - teny marin'ny Tompo.
       14Miverena, ry zaza mpiodina, - teny marin'ny Tompo,
fa izaho no Tomponareo;
ary halaiko hianareo, ny iray ao amin'ny tanàna iray,
ary ny roa amin'ny fianakaviana iray;
ka hoentiko any Siona.
       15Dia homeko mpiandry araka ny foko hianareo,
izay hamahana anareo amim-pahalalana sy fahendrena.
       16Ary rahefa mitombo
sy mihamaro amin'ny tany hianareo,
amin'izany andro izany, - teny marin'ny Tompo,
amin'izay tsy hisy intsony ny hilaza hoe:
Ny fiaran'ny faneken'ny Tompo!
tsy ho mby ao an-tsaina akory izany,
tsy hisy hahatsiaro na ho manina an'izany intsony,
na hanao anankiray hafa indray.
       17Amin'izany andro izany Jerosalema hantsoina hoe:
ny seza fiandrianan'ny Tompo!
Ary ny firenena rehetra hivory
ao Jerosalema,
amin'ny anaran'ny Tompo,
fa tsy hanaraka
ny ditran'ny fony ratsy intsony izy.
       18Amin'izany andro izany, hiara-mandeha
ny taranak'i Jodà sy ny taranak'Israely,
ka hiara-tonga avy any amin'ny tany avaratra,
ho ao amin'ny tany nomeko ho lovan'ny razanareo.
       19Ary izaho nanao hoe:
Ahoana no hametrahako anao, eo amin'ireo zanako,
sy homeko tanim-pahafinaretana hianao,
dia izay soa indrindra eo amin'ny firenena, mba ho lovanao?
Ary hoy aho: Hiantso ahy hoe Raiko, hianao,
sady tsy hitsahatra ny hanaraka ahy.
       20Kanefa kosa, toy ny ivadihan'ny vehivavy amin'ny sakaizany
no niodinanareo tamiko,
ry taranak'Israely, - teny marin'ny Tompo.
       21Misy feo mihahohaho any amin'ny fitoerana avo,
dia fitomanian'ny zanak'Israely mifona;
fa nanimba ny làlany izy ireo,
nanadino an'ny Tompo Andriamaniny. -
       22Miverena, ry zaza mpiodina,
fa hositraniko ny fiodinanareo. -
Indreto izahay manatona anao,
fa hianao no Iaveh Andriamanitray.
       23Eny, zava-poana teny amin'ny havoana
teny an-tendrombohitra ny horakoraka mankalaza ny sampy.
Fa amin'ny Tompo Andriamanitsika ihany
no misy ny famonjena an'Israely.
       24Efa levon'ny fahavetavetan'ny sampy ny fahatanorantsika,
ny vokatry ny fisasaran'ny razantsika,
ny ondry aman-ombiny,
ny zanany lahy aman-janany vavy.
       25Aoka isika handry eo amin'ny fahafaham-barakantsika,
sy horakofan'ny henatr'isika;
fa samy efa nanota tamin'ny Tompo Andriamanitsika,
na isika na ny razantsika,
hatramin'ny fahatanorantsika ka mandrak'androany;
sady tsy nihaino
ny feon'ny Tompo Andriamanitsika. >