Bokin'i Jeremia
Jeremia toko 31
Ny fodiana ho any Jerosalema - Ny vahoaka vaovao.
1Amin'izany andro izany, - teny marin'ny Tompo,
Izaho ho Andriamanitry
ny fianakaviana rehetra amin'Israely,
ary izy ireo ho oloko.
2Izao no lazain'ny Tompo:
Nahita fitia tany an'efitra ny vahoaka afaka tamin'ny sabatra;
ta-hanome fitsaharana an'Israely aho.
3Niseho tamiko tany lavitra tany Iaveh.
Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao;
izany no nampaharetako ny famindram-po aminao.
4Izaho hanorina anao indray, dia ho voaorina indray hianao,
ry virjinin'Israely;
hiramarama amin'ny ampongatapakao indray,
ary hamindra amin'ny dihy fifaliana.
5Hamboly ny tanim-boalobokao indray hianao
any an-tendrombohitr'i Samaria:
izay mamboly, hamboly ka hioty.
6Fa efa avy ny andro, hiantsoan'ny mpiambina
any amin'ny tendrombohitr'i Efraima hoe:
Mitsangàna hianareo, ka andeha isika hiakatra any Siona,
ho any amin'ny Tompo Andriamanitsika!
7Fa izao no lazain'ny Tompo:
Mihobia an-kafaliana, ny amin'i Jakoba,
manaova firavoravoana, noho ny amin'ilay lohan'ny firenena;
ataovy re ny feonareo, mihirà hira fiderana, ka lazao hoe:
Ry Iaveh, vonjeo ny olonao,
dia ny sisa amin'Israely!
8Indro aho mamerina azy
avy any amin'ny tany avaratra;
manangona azy avy any amin'ny faran'ny tany.
Ho eo amin'izy ireo ny jamba sy ny mandringa,
ny manan'anaka sy ny efa mihetsi-jaza;
hanao dia be izy ireo no hiverina atý.
9Hiverina amin-dranomaso izy;
ary eo amin'ny fifonany no hitondrako azy miverina;
eny amin'ny rano velona, no hitarihako azy,
amin'ny làlana marin-tampona tsy hahatafintohina azy;
satria efa ray ho an'Israely aho,
ary lahimatoako Efraima.
10Hianareo, firenena, mihainoa ny tenin'ny Tompo,
ary torionareo izany, any amin'ireo nosy lavitra;
ataovy hoe: Ilay nampiely an'Israely, dia hanangona azy indray;
ary hiandry azy toy ny fiandrin'ny mpiandry ondry ny ondry;
11Satria Iaveh, efa nanavotra an'i Jakoba,
sy nanafaka azy tamin'ny tànan'ny mahery noho izy.
12Ho avy izy, omban-kobim-pifaliana ho eo amin'ny havoan'i Siona.
Hitanjozotra ho eo amin'ny zava-tsoan'ny Tompo izy ireo,
ho amin'ny vary, ny divay vaovao, ny diloilo,
ho amin'ny ondry aman'omby;
ho toy ny saha vonton-drano ny fanahiny,
ka hitsahatra tsy halazo intsony.
13Amin'izany, hifaly amin'ny dihy ny zazavavy,
mbamin'ny zazalahy, sy ny anti-panahy koa.
Hampodiko ho fifaliana ny fisaonany,
halako alahelo, hampifaliko izy ireo manaraka ny fijaliany.
14Hovokisako ny matavy ny fanahin'ny mpisorona;
ary hivoky ny zava-tsoako ny oloko;
- teny marin'ny Tompo.
15Izao no lazain'ny Tompo:
Nisy feo re tany Rama,
dia fidradradradrana sy fitomaniana mangidy;
fa nitomany ny zanany Rasely
ka mandà tsy hampiononina izy,
ny amin'ny zanany, satria tsy velona intsony ireo.
16Izao no lazain'ny Tompo:
Sakano ny feonao tsy hitaraina
ary ny masonao tsy hitomany;
fa hahazo valisoa ny asanao, - teny marin'ny Tompo.
Hody avy any an-tanim-pahavalo izy ireo.
17Misy fanantenana ho amin'ny fara andronao, - teny marin'ny Tompo,
ary dia hiverina ho amin'ny faritaniny indray ny zanakao.
18Reko ny fitarainan'i Efraima hoe:
Nofaizinao aho, ka voafay,
toy ny vantotr'ombalahy tsy voafolaka;
avereno aho, dia hiverina,
satria hianao no Iaveh Andriamanitro;
19Fa nony efa nivily aho, dia nanenina;
ary nony efa nahalala aho, dia nisafo sirana
sady menatra sy nangaihay,
satria mitondra ny fahafaham-barakan'ny fahatanorako aho.
20Moa zanaka malala loatra ho ahy va Efraima,
zanaka mahazo tombom-pitia?
fa isaky ny miteny mamely azy aho,
dia mba mahatsiaro azy ihany indray;
ka mangotika ny atiko noho ny aminy.
Eny hamindra fo aminy aho. - Teny marin'ny Tompo.
21Manangàna famantaran-dalana, manorena famolaina ho anao,
tandremo ny làlam-be,
ny làlana efa nalehanao.
Miverena, ry virjinin'Israely,
miverena aty amin'ny tanànanareo indray.
Mandra-pahoviana no hiriariavanao,
ry zanaka vavy mpiodina?
22Fa nahary zava-baovao amin'ny tany Iaveh:
vehivavy hanodidina lehilahy.
23Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika,
Andriamanitr'Israely:
Izao teny izao koa no holazaina
any amin'ny tanin'i Jodà, sy amin'ny tanànany,
raha avy izay hampodiako ireo lasan-ko babo tamin'izy ireo:
Hohasoavin'ny Tompo anie hianao, ry firenen'ny fahamarinana,
ry tendrombohitry ny fahamasinana!
24Honina ao avokoa Jodà sy ny tanànany rehetra,
ny mpiasa tany mbamin-dry zareo mitarika ny biby fiompy.
25Fa ny fanahy mangetaheta, hampisotroiko,
ary ny fanahy reraka, hovokisako.
26Tamin'izay, dia nahatsiaro aho, ka hitako
fa mamy ny torimaso azoko.
27Indro, avy ny andro, - teny marin'ny Tompo,
hamafazako eo amin'ny taranak'Israely aman-taranak'i Jodà,
masombolin'olombelona sy masombolim-biby.
Ka izao no hitranga: toy ny niambenako azy ireo:
hongotana, hazera, harodana,
horavana ary hampahoriana,
28no hiambenako azy kosa,
haorina sy hambolena, - teny marin'ny Tompo.
29Amin'izany andro izany, tsy hisy intsony hanao hoe:
Ny ray no nihinam-boaloboka marikivy,
ka ny zanany no madilo nify.
30Fa samy ho fatin'ny helony avy ny olon-drehetra:
izay mihinam-boaloboka marikivy, na iza na iza,
dia izy ihany no hadilo nify koa.
31Indro avy ny andro, - teny marin'ny Tompo,
hanaovako fanekena vaovao
amin'ny taranak'Israely sy ny taranak'i Jodà:
32ka tsy fanekena toy ny nataoko tamin'ny razany,
tamin'ny andro nitantanako azy,
nitondrako azy nivoaka avy any amin'ny tany Ejipta,
fanekena nivadihan'izy ireo,
na dia vadiny aza aho.
33Fa izao no fanekena
hataoko amin'ny taranak'Israely,
rahefa afaka izany andro izany, - teny marin'ny Tompo:
Hataoko ao anatiny ny lalàko,
dia sady hosoratako ao am-pony;
ka ho Andriamanitr'izy ireo aho,
ary izy ireo ho oloko.
34Tsy hisy olona hampianatra ny namany intsony,
na olona hampianatra ny rahalahiny,
hanao hoe: Mahalalà an'ny Tompo!
Fa hahalala ahy avokoa izy rehetra, - teny marin'ny Tompo.
Satria tsy hotsarovako intsony ny fahotany.
35Izao no lazain'ny Tompo,
izay manome ny masoandro hanazava amin'ny antoandro;
sy mametra lalàna harahan'ny volana aman-kintana hanazava amin'ny alina;
mampanonja ny ranomasina, ka mirohondrohona ny onjany;
- Iavehn'ny tafika no anarany: -
36Raha mitsahatra izany lalàna izany, na oviana na oviana,
eo anatrehako, - teny marin'ny Tompo,
dia hitsahatra amin'izany koa ny taranak'Israely,
tsy ho firenena mandrakizay eo anatrehako.
37Izao no lazain'ny Tompo:
Raha azo refesina ny lanitra ambony,
ka azo takarina ny fanorenan'ny tany ambany,
dia hakifiko koa ny taranak'Israely rehetra,
noho izay rehetra efa nataony, - teny marin'ny Tompo.
38Indro avy ny andro, - teny marin'ny Tompo,
hanorenana indray ity tanàna ity, ho an'ny Tompo,
hatramin'ny tilikambon'i Hananeela ka hatramin'ny vavahadin'ny Zorony.
39Ny tady famolaina hohenjanina mahitsy,
eo amin'ny havoan'i Gareba,
ka hasangodina ho any Goa.
40Ny lohasaham-paty aman-davenona rehetra,
mbamin'ny saha rehetra hatramin'ny lohasahan-driaka Sedrona,
ka hatramin'ny zorom-bavahadin-tSoavaly mitodika atsinanana
dia ho fitoerana masina ho an'ny Tompo,
ary tsy hongotana na horavana intsony izy mandrakizay. >