Bokin'i Jeremia
Jeremia toko 31, 31-34.
<31Indro avy ny andro, - teny marin'ny Tompo,
hanaovako fanekena vaovao
amin'ny taranak'Israely sy ny taranak'i Jodà:
32ka tsy fanekena toy ny nataoko tamin'ny razany,
tamin'ny andro nitantanako azy,
nitondrako azy nivoaka avy any amin'ny tany Ejipta,
fanekena nivadihan'izy ireo,
na dia vadiny aza aho.
33Fa izao no fanekena
hataoko amin'ny taranak'Israely,
rahefa afaka izany andro izany, - teny marin'ny Tompo:
Hataoko ao anatiny ny lalàko,
dia sady hosoratako ao am-pony;
ka ho Andriamanitr'izy ireo aho,
ary izy ireo ho oloko.
34Tsy hisy olona hampianatra ny namany intsony,
na olona hampianatra ny rahalahiny,
hanao hoe: Mahalalà an'ny Tompo!
Fa hahalala ahy avokoa izy rehetra, - teny marin'ny Tompo.
Satria tsy hotsarovako intsony ny fahotany. >