Bokin'i Jeremia
Jeremia toko 33
Fanamafisana ny teny fampanantenana - Famonjena - Fanavaozana ny tany amam-pirenena, ny fanjakana amam-pisoronana, ny soa nampanantenaina an'i Davida sy levì, ary ny firenena manontolo.
1Tonga fanindroany tamin'i Jeremia indray ny tenin'ny Tompo, raha mbola voafahy teo amin'ny kianjan'ny fiambenana izy, nanao hoe:
2Izao no tenin'ny Tompo izay manao izany,
dia Iaveh izay misaina izany mba hanatanterahany azy,
- Iaveh no anarany:
3Antsoy aho dia hamaly anao,
haneho zava-dehibe aminao, zava-tsy takatry ny saina, izay tsy fantatrao.
4Fa izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely,
ny amin'ireo trano eto amin'ity tanàna ity,
mbamin'ireo tranon'ny mpanjakan'i Jodà
izay nazera hanatrehana ny milina fiadiana sy ny sabatra;
5ary koa ny amin'ireo ndeha hiady amin'ny Kaldeana,
mba hameno ireo trano ireo amin'ny fatin'olona,
izay hovonoiko noho ny fahatezerako amam-pahavinirako,
ary noho ny amin'ny haratsian'izy ireo
ka hanafenako ny tavako amin'ity tanàna ity:
6Indro asiako bandy ny feriny,
sy tsaboiko izy, mba ho sitrana;
ary hanehoako ny fiadanana sy fandriam-pahalemana be dia be izy ireo.
7Hampodiko ny babo tamin'i Jodà sy ny babo tamin'Israely,
ka haoriko ho tahaka ny taloha indray.
8Hodioviko izy ho afaka amin'ny haratsiany rehetra
izay nanotany tamiko.
Havelako izy amin'ny helony rehetra
izay nanevatevany ahy,
izay niodinany tamiko.
9Ary ny anaran'ity tanàna ity ho ahy
dia ho anaram-pifaliana sy fiderana amam-boninahitra,
any amin'ny firenen-drehetra ambonin'ny tany,
izay handre ny soa rehetra hataoko aminy;
ho raiki-tahotra sy hangovitra ireny,
mahita ny fiadanana amam-panambinana rehetra
homeko azy ireo.
10Izao no lazain'ny Tompo:
Eto amin'ity tany ity, izay lazainareo hoe:
Efitra tsy misy olona na biby;
eo amin'ny tanànan'i Jodà, mbamin'ny araben'i Jerosalema,
izay efa lao monina tsy misy olona,
na mponina, na biby,
11dia ho re indray ny feo fifaliana amam-peo firavoravoana,
ny hiran'ny mpampakatra aman-kiran'ny ampakarina,
ny feon'ireo manao hoe: miderà an'ny Tompon'ny tafika,
fa tsara Iaveh, ary maharitra mandrakizay ny famindram-pony;
ny feon'ireo tonga hanatitra sorona fisaorana ao an-tranon'ny Tompo.
Fa hampodiko indray ireo babo avy amin'ity tany ity,
mba ho tahaka ny tamin'ny voalohany indray izy ireo.
12Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika:
Eto amin'ity fitoerana ity, izay efitra tsy misy olona na biby,
sy eo amin'ny tanànany rehetra dia hisy fialofana
ho an'ny mpiandry biby, hampandriany eo ny biby fiompiny.
13Eo amin'ny tanànan'ny tendrombohitra sy eo amin'ny tanànan'ny Sefelah
sy eo amin'ny tanànan'ny negeba,
eo amin'ny tanin'i Benjamina sy eo amin'ny manodidina an'i Jerosalema,
ary eo amin'ny tanànan'i Jodà,
dia mbola hizoran'ny biby fiompy
eo ambanin'ny tànan'izay manisa azy, hoy Iaveh.
14Indro avy ny andro, - teny marin'ny Tompo,
hanatanterahako ny teny soa nolazaiko
momba ny taranak'Israely aman-taranak'i Jodà.
15Amin'izany andro izany, sy amin'izany fotoana izany,
hampitsimoka solofo marina ho an'i Davida aho,
izay hitsara araka ny hitsiny sy ny rariny amin'ny tany.
16Amin'izany andro izany Jodà, hovonjena;
ary Jerosalema, handry fahizay,
ka hantsoina hoe: Iaveh-fahamarinantsika.
17Fa izao no lazain'ny Tompo:
Davida tsy ho diso zanakalahy na oviana na oviana
hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny taranak'Israely.
18Ireo levita mpisorona koa,
tsy ho diso lehilahy na oviana na oviana eo anatrehako,
hanolotra sorona dorana, hampanentona ny fanatitra,
ary hanao ny sorona isan'andro isan'andro.
19Ary ny tenin'ny Tompo dia natao tamin'i Jeremia, toy izao:
20Izao no lazain'ny Tompo:
Raha mahafoana ny fanekeko amin'ny andro,
sy ny fanekeko amin'ny alina, hianareo,
ka efa tsy amin'ny fotoanany intsony, ny andro sy ny alina;
21amin'izany, dia ho foana ny fanekeko tamin'i Davida mpanompoko,
ka tsy hanan-janakalahy hanjaka eo amin'ny seza fiandrianany izy,
sy ny fanekeko amin'ireo lefitra mpirosona, manao ny fanompoana ahy.
22Toy ny tafiky ny lanitra, tsy azo isaina,
sy toy ny fasika any amin'ny ranomasina tsy azo afatra,
no hampitomboako ny taranak'i Davida mpanompoko,
sy ireo levita manao ny fanompoana ahy.
23Ary ny tenin'ny Tompo dia natao tamin'i Jeremia, toy izao:
24Tsy hitanao va ny lazain'ity vahoaka ity ataony hoe:
Efa narian'ny Tompo ny fianakaviana roa nofidiny!
Manamavo ny vahoakako izy izany
ka ataony ho tsy firenena intsony aza ity eo anatrehan'izy ireo.
25Izao no lazain'ny Tompo:
Raha tahiny aho tsy nanao fanekena amin'ny andro sy ny alina
sy tsy nandahatra ny lalàna arahan'ny lanitra sy ny tany,
26dia amin'izay aho vao hanary ny taranak'i Jakoba sy Davida mpanompoko,
ka ho tsy amin'ny taranany intsony no hangalako filohany
ho an'ny taranak'i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba!
Fa hampodiko ireo lasan-ko babo ary hangoraka azy ireo aho. >