Bokin'i Jeremia

Toko faha-34

1 Teny avy amin'ny Tompo, tonga tamin'i Jeremia, fony Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona mbamin'ny tafiny rehetra, ny fanjakana rehetra amin'ny tany nanoa azy ho mpanapaka, ary ny firenena rehetra, niady tamin'i Jerosalema mbamin'ny tanàna rehetra momba azy, teny nanao hoe:

2 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Mandehana hianao milaza amin'i Sedesiasa, mpanjakan'i Jodà, ka ataovy hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Indro hatolotro ny mpanjakan'i Babilona ity tanàna ity ka hodorany. 3 Ary hianao tsy ho afa-mandositra ny tànany, fa ho voasambotra marina tokoa hianao sy ho voatolotra eo an-tànany; ny masonao, hahita ny mason'ny mpanjakan'i Babilona, izy hiteny mifanatrika aminao, ary hianao handeha ho any Babilona. 4 Henoy anefa ny tenin'ny Tompo, ry Sedesiasa, mpanjakan'i Jodà! Izao no lazain'ny Tompo ny aminao: Tsy ho fatin-tsabatra hianao, 5 fa ho faty amim-piadanana, ary toy ny nandoroan'ny olona zava-manitra ho an'ireo razanao, izay mpanjaka talohanao, no handoroany izany ho anao koa; sady hitomany anao ny olona, hanao hoe: Indrisy! ry tompo! satria izaho efa nilaza izany, - teny marin'ny Tompo. 6 Dia nolazain'i Jeremia mpaminany, tamin'i Sedesiasa mpanjakan'i Jodà tao Jerosalema, izany teny rehetra izany. 7 Tamin'izany ny tafiky ny mpanjakan'i Babilona niady tamin'i Jerosalema sy tamin'ny tanànan'i Jodà rehetra izay mbola nahatohitra ihany, tamin'i Lakisa sy tamin'i Azeka, fa ireo no hany sisa tamin'ny tanànan'i Jodà, tamin'ny tanàna mimanda. 8 Teny avy amin'ny Tompo natao tamin'i Jeremia taorian'ny nanaovan'i Sedesiasa mpanjaka fanekena tamin'ny vahoaka rehetra tao Jerosalema, 9 hitory fahafana ho azy ireo mba handefasan'izy ireo ny ankizilahiny aman'ankizivaviny avy, dia ny lehilahy na vehivavy Hebrio, ka tsy hisy olona hitàna ny Jody rahalahiny ao amin'ny fanompoana intsony. 10 Samy nanaiky avokoa ny mpanapaka sy ny vahoaka niditra tamin'izany fanekena izany, ny handefa ny ankizilahiny aman'ankizivaviny ho afaka ka tsy hitana azy ao amin'ny fanompoana intsony, sady nanaiky izy ireo no nandefa tokoa. 11 Kanjo niova hevitra izy tatý aoriana fa naverina indray ny mpanompo na lahy na vavy izay efa nalefany ho afaka, ka notereny hilatsaka ho ankizilahy sy ho ankizivavy indray. 12 Koa tonga tamin'i Jeremia ny teny avy amin'ny Tompo nanao hoe: 13 Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Nanao fanekena tamin'ny razanareo aho, fony aho nitondra azy ireo, nivoaka avy any amin'ny tany Ejipta, tamin'ny trano nahandevozana, nanao hoe: 14 Samia hianareo mandefa ny Hebrio rahalahiny izay namidy taminy avy, rahefa afaka ny fito taona; enin-taona no hanompoany anao, dia halefanao ho afaka izy hiala ao aminao; tsy nihaino ahy anefa ny razanareo, na nanongilan-tsofina akory. 15 Fa hianareo kosa androany efa nody ka nanao izay mahitsy eo imasoko tamin'ny nitorianareo fahafahana, samy handefa ny namany avy; efa nanao fanekena teo imasoko hianareo tao amin'ny trano iantsoana ny anarako. 16 Kanjo niova hevitra indray hianareo ity, ka manevateva ny anarako, samy namerina ny ankizilahy aman'ankizivavy izay efa nalefanareo sy navelanareo hizaka tena avy hianareo, sy nanery azy ho tonga ankizilahy aman'ankizivavy indray. 17 Koa izao no lazain'ny Tompo: Tsy nihaino ahy hianareo fa tsy nitory fahafahana ho an'ny rahalahiny sy ho an'ny namany avy; koa indro izaho kosa mitory fahafahana ho anareo, - teny marin'ny Tompo. Halefako hianareo ho amin'ny sabatra sy ny pesta ary ny mosary, sady hataoko ho zavatra fampitahorana any amin'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany. 18 Ary ireo olona nivadika ny fanekena fa tsy nanatanteraka ny tenin'ny fanekena nataony teo anatrehako, hataoko tahaka ny vantotr'ombalahy nosasahina roa handehanany eo anelanelan'ny tapany avy, 19 dia ny filohan'i Jodà, ny filohan'i Jerosalema, ny eonoka amam-pisorona mbamin'ny vahoaka rehetra amin'ny tany namaky teo anelanelan'ny tapaky ny vantotr'ombalahy. 20 Hatolotro eo an-tànan'ny fahavalony sy eo an-tànan'ireo mitady ny ainy izy ireo, ho hanin'ny voromanidina amam-bibin'ny tany ny fatiny. 21 Sedesiasa mpanjakan'i Jodà sy ireo loholona ao aminy hatolotra eo an-tànan'ny fahavalony, eo an-tànan'ireo mitady ny ainy, eo an-tànan'ny tafik'i Babilona izay efa lasa niala taminareo. 22 Indro manome didy aho, - teny marin'ny Tompo - hampiverina azy hamely ity tanàna ity indray, dia hiady aminy izy ka hahafaka azy sy handoro azy, ary hataoko zary efitra tsy misy mponina ny tanànan'i Jodà.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0392