Bokin'i Jeremia
Jeremia toko 37
Jeremia tao an-tranomaizina - Irak'i Sedesiasa sy ny navalin'i Jeremia - Ny nisamborana ity mpaminany - Ny nataon'ny mpanjaka ho azy.
1Sedesiasa zanak'i Josiasa no nanjaka nandimby an'i Jekoniasa zanak'i Joakima; Nabokodonozora mpanjakan'i Babilona no nanangana azy ho mpanjaka amin'ny tanin'i Jodà. 2Kanefa na izy, na ny mpanompony, na ny ankapobem-bahoaka tao amin'ny tany, dia samy tsy nihaino ny tenin'ny Tompo izay notononiny tamin'ny alàlan'i Jeremia mpaminany.
3Nirahin'i Sedesiasa, mpanjaka, Jokaly zanak'i Selmiasa, sy Sofoniasa zanak'i Maasiasa mpisorona, ho any amin'i Jeremia, mpaminany, hilaza aminy hoe: Mba mifonà ho anay amin'ny Tompo Andriamanitsika. 4Jeremia nifanerasera teo afovoan'ny vahoaka ihany, ary mbola tsy natao an-tranomaizina. 5Ny tafik'i Faraona kosa efa nivoaka niala teny Ejipta; ary ny Kaldeana nanao fahirano an'i Jerosalema. 6Dia tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny tenin'ny Tompo Andriamanitr'Israely: 7Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Izao no teny hataonareo amin'ny mpanjakan'i Jodà, naniraka anareo hanontany amiko: Ny tafik'i Faraona izay efa nivoaka hamonjy anareo, dia hiverina ho any amin'ny taniny any Ejipta indray; 8ary ny Kaldeana kosa hiverina atý ary hiady amin'ity tanàna ity, sady hahafaka azy sy handoro azy. 9Izao no lazain'ny Tompo: Aza mamita-tena foana hianareo, ka manao hoe: Handeha tokoa ho any lavitra antsika any ny Kaldeana; 10fa tsy handeha akory izy ireo. Ary na dia ho resenareo ny tafiky ny Kaldeana rehetra izay miady aminareo aza, ka tsy hisy afa-tsy ny maratra no sisa aminy, dia samy mbola hitsangana ao an-dainy avy ihany ireo, ka handoro ity tanàna ity amin'ny afo. 11Tamin'ny nialan'ny tafiky ny Kaldeana tao Jerosalema noho ny amin'ny tafik'i Faraona, 12dia nivoaka avy ao Jerosalema koa Jeremia, hankany amin'ny tanin'i Benjamina, mba handray ao izay anjarany eo amin'ny vahoaka. 13Kanjo nony mby teo am-bavahadin'i Benjamina izy, indro ny kapitenin'ny mpiambina, atao hoe Jeriasa, zanak'i Selemiasa, zanak'i Hananiasa, nisambotra an'i Jeremia mpaminany, nanao hoe: Miandany amin'ny Kaldeana hianao. 14Fa hoy Jeremia: Tsy marina izany; tsy miandany amin'ny Kaldeana aho. Tsy nihaino izany akory anefa Jeriasa, fa nosamboriny ihany Jeremia, dia nentiny nankany amin'ny lehibe. 15Ary nisafoaka tamin'i Jeremia ny lehibe; nikapoka azy iry ireo ary nandatsaka azy an-tranomaizina, tao amin'ny tranon'i Jonatana mpanoratra, fa nataony tranomaizina izany.
16Nony efa tafiditra tao an-davaka ambanin'ny andoholambo Jeremia, sady efa nitoetra tao andro maro Jeremia, 17vao nanirahan'i Sedesiasa nesorina tao. Dia nanontaniany mangingina tao an-tranony izy nataony hoe: Moa misy teny avy amin'ny Tompo? Ka hoy ny navalin'i Jeremia: Eny! sady nampiany hoe: Hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babilona hianao. 18Hoy koa Jeremia tamin'i Sedesiasa mpanjaka: Inona no ratsy nataoko taminao na tamin'ity vahoaka ity, no dia nalatsakareo an-tranomaizina aho? 19Ary aiza moa ireo mpaminaninareo naminany taminareo, nanao hoe: Tsy ho tonga hamely anareo na hamely ity tany ity ny mpanjakan'i Babilona, 20koa ankehitriny, masìna hianao, ry mpanjaka tompoko, mba henoy! Ho tonga anie ny fitarainako eo anatrehanao: aza dia averina any an-tranon'i Jonatana mpanoratra aho, ho faty any. 21Dia nanome teny Sedesiasa mpanjaka, hitana an'i Jeremia ao an-kianjan'ny tranomaizina sy hanome azy mofo iray lehibe isan'andro avy any amin'ny araben'ny Mpanao mofo, mandra-pahalanin'ny mofo rehetra ao an-tanàna. Izany no nitoeran'i Jeremia tao amin'ny kianjan'ny tranomaizina. >