Bokin'i Jeremia

Toko faha-39

1 Tamin'ny volana fahafolo, amin'ny taona fahasivy nanjakan'i Sedesiasa, mpanjakan'i Jodà, dia tonga teo anoloan'i Jerosalema Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona, mbamin'ny tafiny rehetra, ka nanao fahirano azy.

2 Tamin'ny taona faharaika ambin'ny folo nanjakan'i Sedesiasa, volana fahefatra, andro fahasivin'ny volana, dia nisy voabanga ny tanàna; 3 ka niditra avokoa ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babilona, ary naka toerana mafy teo amin'ny vavahady afovoany, dia Nergaly-Seresera, mpiambina ny trano firaketana, Nabo-Sarsakima, lehiben'ny eonoka, Nergaly-Seresera, lehiben'ny majy, mbamin'ny sisa rehetra amin'ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babilona. 4 Nony nahita azy ireo Sedesiasa, mpanjakan'i Jodà, mbamin'ny lehilahy mpiady

5 Nenjehin'ny tafiky ny Kaldeana anefa izy ireo, ary tratrany teo amin'ny tany lemak'i Jerikao Sedesiasa. Dia noraisin'izy ireo izy ka nentiny niakatra ho any amin'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona, tao Rebla, amin'ny tanin'i Emata, ka namoaka teny fitsarana momba azy izy. 6 Ireo zanakalahin'i Sedesiasa novonoin'ny mpanjakan'i Babilona teo imasony, tao Rebla; ny lehibe rehetra tamin'i Jodà, novonoin'ny mpanjakan'i Babilona koa.

7 Rahefa izany dia nopotsiriny ny mason'i Sedesiasa, ary nafatony tamin'ny rojo varahana roa izy hoentiny any Babilona. 8 Rahefa izany, dia nodoran'ny Kaldeana ny tranon'ny mpanjaka mbamin'ny tranon'ny vahoaka, ary noravany ny mandan'i Jerosalema. Ny vahoaka sisa izay tafajanona tao an-tanàna, mbamin'ireo mpilefa nitolo-tena nanaiky azy; 9 ary ny vahoaka sisa tamin'ny tany izay tafajanona teo, dia nentin'i Nabozardana lehiben'ny mpiambina, ho babo any Babilona. 10 Fa ny olona mahantra sasantsasany, tsy manana na inona na inona, dia navelan'i Nabokodonozora, lehiben'ny mpiambina, teo amin'ny tanin'i Jodà, sady nomeny tanim-boaloboka aman-tanimboly tamin'izay andro izay izy ireo. 11 Nisy didy nomen'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona, an'i Nabozardana, lehiben'ny mpiambina, ny amin'i Jeremia, nataony hoe:

12 Alaovy izy, ka ataovy andry maso, aza asian-dratsy; fa araka izay lazainy aminao ihany atao aminy. 13 Ary Nabozardana, lehiben'ny mpiambina, Nabosezibana, lehiben'ny eonoka, sy Nergaly-Seresera, lehiben'ny majy, mbamin'izy rehetra mpanapaky ny mpanjakan'i Babilona, 14 naniraka haka an'i Jeremia, tao an-kianjan'ny fiambenana; dia napetrany tamin'i Godoliasa, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana izy, hoentiny any an-trano, ka dia nitoetra teo amin'ny vahoaka izy. 15 Fony Jeremia mbola voafahy tao an-kianjan'ny fiambenana, dia tonga taminy ny tenin'ny Tompo nanao hoe:

16 Mandehana hianao milaza amin'i Abdemeleka Etiopiana hoe: Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Indro aho hanatanteraka ny teniko momba ity tanàna ity, hampahita loza fa tsy hanasoa, ary dia ho eo imasonao androtr'izay ihany izany. 17 Hovonjeko anefa hianao amin'izany andro izany, - teny marin'ny Tompo, - fa tsy ho voatolotra eo an-tànan'ny olona atahoranao. 18 Hataoko afaka tokoa hianao ka tsy ho lavon-tsabatra, fa hahazo ny ainao ho babo, satria natoky ahy hianao, - teny marin'ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1959