Bokin'i Jeremia

Toko faha-40

1 Ny teny natao tamin'i Jeremia avy amin'ny Tompo taorian'ny nandefasan'i Nabozardana, lehiben'ny mpiambina azy hiala tany Ramà, nony nampanalainy izy, ilay mbola nifatotra iny, teo amin'ireo babo rehetra avy any Jerosalema sy Jodà izay nentina ho any Babilona.

2 Nentin'ny lehiben'ny mpiambina Jeremia, ka nilazany hoe: Iaveh Andriamanitrao efa nanambara izao loza izao amin'ity tanàna ity, ka nahatonga azy izy. 3 Notanterahan'ny Tompo izay efa voalazany, satria nanota tamin'ny Tompo hianareo sy tsy nihaino ny feony, ka dia tonga taminareo izao zavatra izao. 4 Ary hianao izao, dia indro fa novahako ny fatorana tamin'ny tànanao, ka sitrakao moa ny hiaraka amiko ho any Babilona, dia andeha, fa hitandrina anao aho; tsy sitrakao kosa ny hiaraka amiko any Babilona, dia aoka tsy ho hoheverina izany. Jereo, eo anoloanao ny tany rehetra, ka mandehana amin'izay heverinao ho tsara sy mety. 5 Raha mbola nijanonjanona teo, tsy nandeha Jeremia: Miverena ary, hoy izy, any amin'i Godoliasa, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, izay natangan'ny mpanjakan'i Babilona hanapaka ny tanànan'i Jodà, ka miaraha mitoetra aminy, eo amin'ny vahoaka; na mandehana any amin'izay tianao haleha, na aiza na aiza. Dia nomen'ity lehiben'ny mpiambina vatsy amam-panomezana izy, vao nalefany handeha. 6 Nankany amin'i Godoliasa, tany Masfà, Jeremia, ka niara-nonina taminy, teo amin'ny vahoaka sisa navela teo amin'ny tany.

7 Nony nandre ry zareo mpifehy miaramila rehetra any ambanivohitra mbamin'ireo olom-peheziny, fa hoe: Godoliasa zanak'i Ahikama no natsangan'ny mpanjakan'i Babilona ho governora amin'ny tany, sy nametrahany ny lehilahy, ny zaza amam-behivavy ary ny mahantra amin'ny tany, tsy nentin-ko babo any Babilona,

8 dia nanatona an'i Godoliasa, tany Masfà izy ireo, izany hoe, Ismaely, zanak'i Nataniasa, Johanana sy Honatana, zanak'i Karea, Seraiasa, zanak'i Tanehometa ireo zanak'i Efoì, sy Netofà, ary Jezoniasa, zanak'ilay Moahatiana, dia ireo mbamin'ny olom-peheziny avy. 9 Dia izao no nolazain'i Godoliasa, zanak'i Ahikama, zanak'i Safàna tamin'izy ireo sy tamin'ireo olom-peheziny: Aza matahotra ny hanompo ny Kaldeana hianareo; monena amin'ny tany, manompoa ny mpanjakan'i Babilona, dia hahita soa hianareo. 10 Ny amiko, dia honina ao Masfà aho, ho mpanao raharahan'ny Kaldeana, tonga atý aminareo; ary hianareo kosa, angony ny divay amam-boankazo sy diloilo, ka ataovy amin'ny fasiana azy, dia monena amin'izay tanànareo, izay hipetrahanareo. 11 Ny Jodeana rehetra izay tany amin'ny tanin'i Moaba ao amin'ny taranak'i Ammona, sy tany Edoma, nony efa nandre tao amin'izany tany rehetra izany fa hoe mbola misy sisan'i Jodà navelan'ny mpanjakan'i Babilona, ary Godoliasa, zanak'i Ahikama, zanak'i Safàna, no napetrany ho governeran'izy ireo,

12 dia tamin'izay ny Jodeana rehetra no niverina avy any amin'ny tany rehetra nandroahana azy avokoa, ka nankao amin'ny tanin'i Jodà, nanatona an'i Godoliasa, tany Masfà, ary nanangona divay amam-boankazo be dia be. 13 Fa Johanana, zanak'i Karea, mbamin'ny mpifehy miaramila tany ambanivohitra rehetra kosa, tonga tany amin'i Godoliasa tany Masfà,

14 ka nanao taminy hoe: Fantatrao va, fa Baalisa mpanjakan'ny taranak'i Ammona, efa naniraka an'Ismaely, zanak'i Nataniasa, hamono anao? 15 Tsy nino azy anefa Godoliasa zanak'i Ahikama. Ary niteny mangingina tamin'i Godoliasa tany Masfà Johanana, zanak'i Karea nanao hoe: Aoka ary aho handeha hamono an'Ismaely zanak'i Nataniasa, hatao tsy fantatr'olona velively. Fa nahoana no lany ringana ny sisan'i Jodà? 16 Fa izao no nolazain'i Godoliasa, zanak'i Ahikama, tamin'i Johanana, zanak'i Karea: Aza manao izany, fa tsy marina akory izay lazainao momba an'Ismaely.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0378