Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Jeremia

Jeremia toko 41
Ny namonoana an'i Godoliasa.

       1Nony tamin'ny volana fahafito, tonga tao amin'i Godoliasa zanak'i Ahikama tao Masfà, Ismaely zanak'i Nataniasa zanak'i Elisama, taranak'andriana, nomban'ireo andriambaventin'ny mpanjaka sy olona folo lahy koa dia niara-nihinana tao Masfà izy ireo.
       2Ary nitsangana Ismaely, zanak'i Nataniasa, mbamin'ireo olona folo lahy niaraka taminy, ary namely sabatra an'i Godoliasa, zanak'i Ahikama, zanak'i Safàna, ka matiny izy ilay napetraky ny mpanjakan'i Babilona ho governora amin'ny tany, 3mbamin'ny Jodeana rehetra, izay tao aminy, dia tao amin'i Godoliasa, tao Masfà; novonoin'Ismaely koa ny Kaldeana sendra tao, dia ny olona mpiady.
       4Nony afak'ampitson'ny andro namonoana an'i Godoliasa, raha mbola tsy nisy olona nahalala izany akory, 5nisy olona valopolo lahy tonga avy any Sikema sy Silao ary Samaria, samy voaharatra ny volom-bavany, voatriatra ny fitafiany, voatetika ny tenany, nitondra fanatitra aman'emboka manitra, haterina ao an-tranon'ny Tompo. 6Nivoaka avy ao Masfà Ismaely, zanak'i Nataniasa, hitsena azy ireo, sady nitomany ka nony tafahaona taminy, dia nanao tamin'izy ireo hoe: Andeha hianareo ho any amin'i Godoliasa, zanak'i Ahikama. 7Kanjo vao tonga teo afovoan'ny tanàna izy ireo, dia novonoin'Ismaely, zanak'i Nataniasa sy iretsy olona niaraka taminy, ka natsipiny tao afovoan'ny lava-drano.
       8Nisy folo lahy tamin'izy ireo anefa, nilaza tamin'Ismaely hoe: Aza mba vonoina izahay, fa manam-pitaovana miafina any an-tsaha, dia varim-bazaha, orja, diloilo, sy tantely. Ka dia nijanona izy, fa tsy namono an'ireo teo afovoan'iretsy rahalahiny. 9Ny lava-drano nanarian'Ismaely ny fatin'ireo olona novonoiny noho ny amin'i Godoliasa, dia ilay nataon'i Asa, mpanjaka, noho ny amin'i Baasa, mpanjakan'Israely, io no nofenoin'Ismaely, zanak'i Nataniasa, faty.
       10Dia nentin'Ismaely ho babo ny olona sisa tao Masfà, ireo zanakavanin'ny mpanjaka mbamin'ny vahoaka rehetra tafajanona tao Masfà, izay nomen'i Nabozardana lehiben'ny mpiambina an'i Godoliasa, zanak'i Ahikama, ho filohany; nentin'Ismaely zanak'i Nataniasa ho babo ireo, dia lasa nankany amin'ny taranak'i Ammona izy.
       11Nony ren'i Johanana zanak'i Karea mbamin'ny mpifehy miaramila rehetra teo aminy ny ratsy rehetra nataon'Ismaely zanak'i Nataniasa, 12dia nitondra ny miaramilany rehetra izy ka niainga hiady amin'Ismaely zanak'i Nataniasa; tratrany tao akaikin'ny kamory lehibe ao Gabaona io. 13Faly ireo vahoaka rehetra teo amin'Ismaely, nony nahita an'i Johanana zanak'i Karea, mbamin'ny mpifehy miaramila rehetra niaraka taminy, 14ka niverina nandeha nikambana tamin'i Johanana, zanak'i Karea, avokoa ny vahoaka rehetra nentin'Ismaely ho babo avy any Masfà. 15Fa Ismaely zanak'i Nataniasa no afa-nandositra teo anatrehan'i Johanana ka nankany amin'ny taranak'i Ammona, nomban'ny olona valo lahy. 16Noraisin'i Johanana, zanak'i Karea mbamin'ny mpifehy miaramila rehetra nomba azy, ny vahoaka sisa rehetra izay efa nentin'Ismaely zanak'i Nataniasa, avy any Masfà, nony avy namono an'i Godoliasa, zanak'i Ahikama izy, dia ny olona mpiady, ny zaza amam-behivavy, ary ny eonoka, ka nentiny niverina avy any Gabaona izy ireo. 17Dia nandeha izy ireo, ka teo amin'ny tranom-bahiny ao Kanaama, akaikin'i Betleema, no nijanona, vao lasa nankany Ejipta, 18nanalavitra ny Kaldeana izay natahorany, noho ny namonoan'Ismaely zanak'i Nataniasa an'i Godoliasa zanak'i Ahikama, izay napetraky ny mpanjakan'i Babilona, ho governoran'ny tany. >